Tselatra

    • lundi, 16 décembre 2019 15:04
    • Sary nomena

    Besalampy: Nampahery sy nanolotra fanampiana ho an’ireo traboinan’ny « Belna » ny fanjakana

    Distrika isany nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza « Belna » i Besalampy. Tena voa mafy tamin’izany ny Kaominina ambanivohitra Ankasakasa-Tsibiray. Tonga nampahery ireo traboina, sady nanolotra fanampiana, toy ny tafo fanitso miisa 500, vary 100 lasaka, voamaina 50 lasaka, siramamy 20 lasaka, ary savony ny solontenam-panjakana notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 15:03

    Fanodikodinam-bola: Mpiasa iray ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana nosazian’ny Fitsarana dimy taona an-tranomaizina

    Fanodikodinam-bola 24 tapitrisa Ariary nitranga teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin'ny 2018 tao amin'ny Tahirimbolam-panjakana Antaninarenina no nanenjehana an’ity mpiasa iray Mpitantam-bola ity. Niakatra fitsarana ny faran’ny herinandro teo ny raharaha tetsy amin'ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC). Nitsaboany ny reniny narary no fiarovan-tenan'ny voampanga. Dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, no didy navoakan’ny Fitsarana momba azy.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 décembre 2019 20:15
    • Sary nindramina

    Mahajanga: Vazaha lahy mpanao gazety naratra notifirin’ny jiolahy

    Naratra notifirin’ny jiolahy, tao Mahajanga ny harivan’ny sabotsy 14 desambra 2019, i Patrick Millan, mpanao gazety sady tonian’ny vondrona Kwezi (Kwezi TV sy France Mayotte matin) atsy amin’ny nosy Mayotte. Teo ampisakafoanana hariva ny ankohonany no nisy jiolahy roa mitam-basy tafiditra tao an-tranony handroba. Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny jiolahy, ary voa teo amin’ny tanany sy ny tratrany i Patrick Millan raha nanakana ny basin'ilay jiolahy tsy hipoaka. Nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izay. Tsy misy ahiana ny ain’i Patrick Millan saingy voa mafy ny tanany, ary mety hiazo an’i Frantsa izy hitsabo tena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 12:05
    • Sary nindramina

    Hatrefindrazana Jerry: « Malalaka ny mponin’i Faradofay na hisafidy ny handroso,na ho naman’izay tratra aoriana »

    Nanambara ny governoran’ny Faritra Anosy Hatrefindrazana Jerry momba ny fampidirana teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny « fibre optique » iarahan’ny orinasa TELMA sy ny tetikasa METISS, « malalaka ny safidy ho an’ny mponina eto Faradofay,na hisafidy ny handroso,na ho naman’izay tratra aoriana ». Etsy ankilan'izany dia misy ampahan’ny mponina eto Tolagnaro manohitra ny fanimbana sy ny « massif corallien » sy ny torapasik’i Libanona amin’ny fametahana an’ity « fibre optique » ity.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 12:02

    Trafika « heroïne »: Tanzaniana iray voaheloka enin-taona asa an-terivozona

    Nivoaka omaly ny didy mikasika ity trafika « heroïne » ka nanamelohan’ny Fitsarana ilay Tanzaniana mpanao azy enin-taona asa an-terivozona, miampy onitra 1.5 miliara Ariary. Zavamahadomelina mahery vaika milanja 6kg no saika hoentiny hivoaka an’i Madagasikara, saingy sarona nandritra ny fitsirihana tamin’ny « scanner » ny valizy nentiny nanafenany io « heroïne » io.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 12:00

    Haino amanjery: Mitaraina ho lasibatry ny « brouillage » ny MBS TV

    Nanao fanadihadiana ny teknisian’ny MBS TV rehefa naharay fitarainana maro avy amin’ny mpijery fa misy manindry ny MBS TV. Voamarika hoy ny fanambarana nataon’ity orinasan-serasera an’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana fa « misy manao "brouillage" ny "canal MBS TV" ». « Miendrika "sabotage" raha ny tombana. Efa mandray ny fepetra ny tompon'andraikitra rehetra », hoy ny fanambarana.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 décembre 2019 19:39
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Tapaka ny lalana eo amin'ny Kafe

    Tapaka ny lalana eo amin'ny Kafe, lalana izay nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina hamboarina ny 14 oktobra lasa teo. Mampiaka-peo ireo vahoaka fa tokony tsy mampanantena ny fitondram-panjakana rehefa tsy ho vita. Mahatsiaro sahirana tanteraka ireo vahoaka ao amin'ny tapany avaratry ny Distrikan’Ambatondrazaka satria dia tsy maintsy miova fiara eo amin'ny Kafe raha te ho tonga any Ambatondrazaka. Manomboka amin'ny 1 000 Ariary ny sara fampintana ny olona iray, ka hatramin'ny 15 000 Ariary, arakarakin'ny zavatra entin'ilay olona no mampiakatra io sarany io. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 décembre 2019 19:23
    • Sary nindramina

    Kidnapping: Lasibatra teny Soavimbahoaka i Navaze Veldjee

    Nisy naka an-keriny teny Soavimbahoaka, ny marainan’ity zoma 13 desambra ity, i Navaze Veldjee. Nanamafy izany ny CFOIM (Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar). Mpandraharaha, 47 taona, i Navage Veldjee. Izy no tompon’ny orinasa Veloptic. Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay. Fanindroany izao, tao anatin’ny roa taona, ity Karana ity, no nisy naka an-keriny. Efa lasibatry ny mpaka an-keriny ity ny harivan’ny 24 mey 2018, teny Ampasampito, raha iny hamonjy fodiana iny izy sy ny vadiny. Ny fiarany ihany no nitondran’ireo mpaka an-keriny azy mivady. Navotsotr’ireo teny an-dalana ilay ramatoa, fa i Navaze Veldjee no notanan’izy ireo tany. 15 andro taty aoriana vao navotsotr’ireo mpaka an-keriny, teny Ampasampito, i Navaze Veldjee.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 décembre 2019 23:25

    Toliara: Atrik'asa mikasika ny ady amin'ny fitsaram-bahoaka

    Tanterahina ao amin'ny kianja mitafo Toliara mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny atrik'asa mikasika ny ady amin'ny fitsaram-bahoaka. Natao indrindra hitadiavam-bahaolana amin'ny fitsaram-bahoaka ity atrik'asa ity, izay tohanan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD. Manodidina ny 140 ireo mpandray anjara avy amin'ny ankolafy maro samihafa.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 décembre 2019 23:18

    Oniversiten’Antananarivo: Ho « herinandro maty » ny 16-23 Desambra 2019

    Nanao fanambarana ny SECES Sampana Antananarivo, taorian’ny fivoriambe nataony androany, fa hanao « herinandro maty » ny 16-23 Desambra 2019 ho avy izao manerana ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly miorina eto Andrenivohitra.  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 501