Tselatra

    • lundi, 01 avril 2019 12:55

    Andry Rajoelina: Hanotrona an’i Macky Sall any Sénégal

    Any Sénégal hatry ny omaly alahady 31 martsa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Hanome voninahitra ny lanonam-panjakana hanaovan’i Macky Sall fihanianana, taorian’ny nahavoafidy azy fanindroany ho filohan’i Sénégal i Andry Rajoelina. Nahazo fanasana manokana hanome voninahitra ny fetim-pirenenan’i Sénegal ny 4 aprily ho avy izao ihany koa i Andry Rajoelina, izay filoham-pirenena zandriolona indrindra amin'ireo amperinasa aty Afrika. Nitsena ny fahatongavan’i Andry Rajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina, Leopold Sédar Senghor, ny filoha senegaley Macky Sall. Fiaramanidina, mitondra ny laharana any Turquie (TC-TSR) no nitondra ny delegasiona malagasy tonga tany Sénégal. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 avril 2019 09:40
    • Sary nomena

    Antalaha: Tagnamaro seranam-piaramanidina

    Famaliana ny antso nataon'ny avy amin'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolotsaina, dia nanatanteraka ny adidiny ireo mpiasa eo anivon'ny seranam-piaramanidina eto Antalaha, nanadio ny manodidina, sy ny lalana mihazo an'izany toerana izany. Velon-taraina moa ny mponina aty andrenivohitry ny lavanila fa tsy misy sidina avy amin'ny Air Madagasikara na ny Tsaradia, fa ireo fiaramanidina hofain'olon-tokana ihany no midina eto Antalaha, nefa tsy mena mitaha amin'ny seranana hafa aty amin'ny faritra ny misy eto an-toerana. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 avril 2019 09:31

    Fanabeazana: Ireo datin’ny fanadinam-panjakana

    CEPE : 27 aogositra 2019  BEPC : 9 hatramin’ny 12 septambra 2019 Bakalôrea : manomboka 30 septambra 2019. Mifarana amin’ny 3 mey 2019 ny fandraisana ny fisoratanana ho an’ny CEPE, hifarana amin’ny 19 aprily 2019 kosa ho an’ny BEPC.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 13:13
    • Tahirin-tsary ao Antanimora

    Alain Ramaroson: Nampanatitra fehezam-bonikazo teo Ambohijatovo

    Mbola ao am-ponja Antanimora - Antananarivo i Alain Ramaroson. Nahatsiaro ny tolom-panafahana 1947 izy, Nampanatitra fehezam-bonikazo ny 29 mars, teo amin'ny tsangambaton'ny Mahery fo Ambohijatovo ho fanomezam-boninahitra ireo niady, nahafoy ny ainy ho an'ny Tanindrazana.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 12:52

    Fandraharahana ny Fonja: Feno 60 taona

    Vavaka iraisam-pinoana ao amin'ny EKAR Faravohitra-Antananarivo no hisantarana ny fankalazana amin'ny 2 aprily 2019 izao. Hisy fahatapahan-dalana mandritra ny tapakandro maraina eny manodidina amin'io fotoana io.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 12:50

    Commissariat Central Tsaralalana: Mankalaza ny faha-50 taonany

    Hanomboka amin'ny alatsinainy 1 aprily 2019 ny fankalazana. Hisy fahatapahan-dalana amin'iny faritra misy ny Hôtel de Police Tsaralalana iny amin'io andro io, manomboka amin’ny 06ora ka hatramin’ny 08ora maraina, eo amin’ny lalana RADAMA I sy KARIJA.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 11:10
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Vohémar: Nahatsiaro ny faha-72 taonan'ny tolom-panafahana 1947

    Vavaka iraisam-pinoana notarihin'ny FFKM tao amin'ny EKAR Fo Masin'i Jesoa Andranomasibe I, narahina fanateram-boninkazo teo amin'ny tsangambaton'ny Mahery fo. Nanamarika ny lanonam-pahatsiarovana ny 29 mars 1947 teto Vohémar. Tsy nahitana bekotra maro holatra kosa niatrika izany 29 Mars izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 11:05

    Mahajanga: Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonana Anglikana ny Alahady 31 martsa 2019

    Hatao io ny Alahady 31 martsa io ny fanamasinana ny Révérend Canon Samuel Hall Speers ho Evekan'ny Diosesy Anglikana eto Mahajanga, izay hotanterahina ao amin'ny Katedraly Anglikana Manga Mahajanga, rehefa lasa nisotro ronono ny teo aloha. Hitarika ny fotoana amin'izany ny Arsevekan'ny Provansan'ny Ranomasimbe Indiana, Sa Grâce Monseigneur James Wong. Ny Eveka avy amin'ny Diosesy rehetra eto amin'ny Provansa kosa no hanatanteraka ny fanamasinana. Olo-manankaja maro sivily sy miaramila no andrasana hanome voninahitra ny fotoana hanampy ireo Ry amandreny mpitondra Fiangonana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 10:44
    • Sary: Jirama

    Sambava: Tsy mbola ho afaka tanteraka ny delestazy

    Efa miodina tanteraka ny milina mpamokatra herinaratra namboarina eto Sambava, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Jirama. Misy koa milina vaovao mpihary herinaratra azon’i Sambava. Na izany aza 20% ny famokarana herinaratra no sisa mbola tadiavina vao ho afaka tanteraka ny delestazy eto Sambava.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mars 2019 18:57

    Andraikiba-Antsirabe: Tovolahy iray maty an-drano

    Nilomano tao amin'ny farihin'Andraikiba niaraka tamin'ny namany ity tovolahy, 22 taona ity. Gaga ilay namany fa toa miha-milentika sady mankany afovoan-drano ity tovolahy. Nisintona azy hiverina ilay namany fa tsy nahomby, niantso vonjy tamin'ny mpitsangatsangana teny an-tanety, nefa tsy niraika ny olona, nihevitra fa misangisangy ny ao anaty rano, ny sasany nilaza ho tsy mahay rano. Maty an-drano tao ilay zazalahy. Hitsangatsangana no nialany ny tokantranony saingy dia fahafatesana no hita. Nampandrenesin'ireo mahalala ilay tovolahy ny fianakaviany.  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 406