Tselatra

    • lundi, 30 décembre 2019 09:24

    Jirama Ambositra: Sivy lahy tratra nangalatra solika, nidoboka am-ponja avokoa

    Nitrangana halatra solika tao amin'ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama Ambositra, ny Zoma teo tokony ho tamin'ny sivy ora sy sasany alina. Olona miisa sivy no tra-tehaka tamin'izany ka mpiasa ny roa, ary mpiambina ny fito. Tratra niaraka tamin'izy ireo ny gazoala 170 litatra efa natao anaty daba miaty 20 litatra miisa sivy, ary nisy daba 12 hafa tsy mbola nisy solika. Nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany izy sivy lahy, raha toa ka efa mandeha ny famotorana amin'izao.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 décembre 2019 20:47
    • Sary nindramina

    Mandritsara: Tovovavy 16 taona, maty an-drano

    Tovovavy iray, 16 taona, mpianatra taona faha-11 amin’ny sekoly tsy miankina iray eto Mandritsara no natelin'ny rano, raha nitsaka ny reniranon'i Mangarahara, androany maraina. Efa tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, nanodidina ny tamin’ny 1ora vao hita, saingy efa vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano. Efa eo anivon’ny fianakaviana eny Ambalabe ny razana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 21:24
    • Sary nindramina

    Farihin’i Tritriva: Vehivavy niara-maty tamin’ny zanany teo am-babeny

    Nibolisatra ka latsaka ary dobo an-drano sa namono tena ? Samy mametra-panontaniana izay nahita ny sarin’ireto mpianaka, ramatoa iray miaraka amin’ny zaza eo am-babeny niara-maty, ary natsingevan’ny rano tao amin’ny farihin’i Tritriva ao Antsirabe androany. Mbola nahitana entan-kely amin’ny gony jiafotsy niaraka tamin’izy mianaka. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 20:52

    Lalam-pirenena faha-13: Andiana fiara notafihin’ny dahalo

    Fiara efatra nitanjozotra mianatsimo manaraka ny lalam-pirenena faha-13 no notafihin’ny andian-dahalo teo Manangovy, tanàna anelanelan’i Betroka sy Soanala ny alin’ny krismasy 25 desambra 2019. Vatan-kazo no nataon’ireo dahalo sakana teo amin’ny arabe nampijanonana ny fiara. Vantany vao nijanona ireo fiara dia nanao tifitra variraraka ireo dahalo. Vaky ny fitaratry ny fiara sasany, ny hafa teny amin’ny vatan’ny fiara no nisy diam-bala. Nanezaka nandeha mafy ny fiara, ka voadingana ny sakana nahafahan’izy ireo nanavotr’aina niala ny fandrobana. Ny alin'ny zoma lasa teo dia nisy fiara taksiborosy TATA iray ihany koa nosakanan'ny dahalo teo amin'io toerana io, fa voadingany ireo vato nataon'ny dahalo sakan-dalana ka tafatsoaka na teo aza ny tifitra nataon'ny dahalo.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 10:29
    • Sary ZP

    Ambatomanoina: Zandary iray lavo amperin’asa, roa hafa naratra

    Tany ampamitana iraka, nanao fisafoana ireto Zandary telolahy no notafihin’ny jiolahy mitam-basy tao Ambohimiandry Fokontany Miarikofeno, Kaominina Ambatomanoina, Distrika Anjozorobe ny marainan’ny 24 desambra 2019. Vokany, lavo ny Zandary iray, ny roa naratra ka ny iray voatery nalaina tamin'ny angidim-bý nakarina eto an-drenivohitra ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana noho ny ratra mafy nanjo azy. Voatifitra tao an-damosiny no nahalavo ilay Zandary iray ; voatifitra teo amin'ny kibony sy fe ilay iray tsaboina ao amin’ny CENHOSOA. Atao hazalambo ireo nahavanon-doza. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 08:37

    Toamasina: Mpivarotra hamonjy fodiana sady voatifitra no voaroba 3 000 000 Ariary

    Mpivarotra iray, 44 taona, no notifirin’ny jiolahy ny talata 24 desambra tokony tamin'ny 07ora hariva raha hamonjy fodiana avy nivarotra. Voa teo amin'ny tratrany sy ny sandriny ilay mpivarotra, ary mbola voaroba ny vola maty ny tontolo andro tany aminy, manodidina ny 3 000 000 Ariary. Nodidiana ny talata alina ilay mpivarotra ary avotra ny ainy. Tsy lavitra ny Commissariat Bazary Kely no nitrangan'ny tifitra saingy tsy naheno ireo Polisy tao raha tsy ny tany amin'ny Hopitaly Be no niantso fa naharay olona voatifitry ny jiolahy izy ireo tokony tamin'ny 07ora sy 25min hariva.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 décembre 2019 08:34

    Mangarivotra-Toamasina: Zandary naratra voatifitry ny jiolahy

    Nandritra ny fisafoana tanàna sy Fokontany ny alin’ny alatsiainy hifoha talata tokony tamin'ny 01ora maraina tao Mangarivotra no nitranga ny loza. Zandary iray no voatifitra teo amin'ny feny nandritra ny sakoroka tamina jiolahy nifanena tamin’izy ireo. Nahazo taolana ilay tifitra ka voatery nakarina ao Antananarivo ilay Zandary manohy ny fitsaboana azy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 décembre 2019 15:01
    • Tahirin-tsary

    Morondava: Olona iray niditra hopitaly vokatry ny fihinanana « gâteau »

    Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fitsenana ny Noely teto an-drenivohitry ny faritra Menabe. Olona iray no niditra hopitaly noho ny fihinanana « gâteau », ary vehivavy iray tera-dahy halina tao amin’ny CHRR Namahora-Morondava.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 décembre 2019 14:52
    • Sary Clé Sylvain

    Antalaha: Krismasy anaty rano

    Ao anaty oran’andro sy rano miakatra no ankalazan’ny mponina Antalaha ny krismasy 2019. Nitondra orana taty Antalaha iny andro ratsy avy ao amin’ny ranomasina indianina iny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 décembre 2019 14:48
    • Sary nindramina

    Maroantsetra: Dibo-drano ny tanàna maro, tapaka ny herinaratra

    Tao anaty orambe no nitsenan’i Maroantsetra ny Krismasy 2019. Maro ny tanàna dibo-drano vokatry ny andro ratsy, ary namono raim-pianakaviana iray tao Andrangazaha Kaominina Ankofabe. Tapaka nanomboka ny talata 24 desambra tamin'ny 8ora alina ny famatsiana herinaratra fa nidiran'ny rano ny fitaovana fototry ny famokarana herinaratra an'ny Tozzi Green any Ambodiriana, mamatsy ny Jirama Maroantsetra. Mbola mety haharitra ny fanamboarana, hoy ny tompon'andraikitr'ity orinasa ity. Tapaka manaraka an’izay koa ny tambazotra fifandraisan-davitra Telma, izay mandrakotra ny ankamaroan'ny Kaominina aty Maroantsetra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 8 sur 501