Tselatra

    • samedi, 09 novembre 2019 09:12

    Bakalôrea andiany manokana: 17,61% ny taham-pahafahana ho an’i Toamasina

    Nivoaka ny voka-panadinana bakalôrea andiany manokana natao ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 teo, ho an’ny faritanin’i Toamasina. 17,61% ny taham-pahafahana ho an’i Toamasina, 9,75/20 ny naoty farany ambany nifarahana ho afahana taorian’ny adihevitra nafana nandritra ny « délibération » natao omaly tolakandro. Raha natao 10/20 ny naoty ahafahana dia 13,17% ny taham-pahafahana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 novembre 2019 07:48

    HVM : Tsy hanatrika ny fihaonambe anio i Hery Rajaonarimampianina

    Manatanteraka fihaonambe etsy amin’ny foibeny etsy Andraharo-Antananarivo ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) anio sabotsy 9 novambra 2019 tontolo andro. Manodidina ny 350 ireo mpizaika handray anjara amin’izany, ahitana ireo delege sy solontenan’ny antoko isam-paritra, tarihin’ny birao foibe. Tsy miatrika ity fihaonana ity ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tsy hisy fanavaozana birao fa fandrindrana ny fiainan’ny antoko no hiompanan’ny lahadinika taorian’ny tsy nandraisan’ny HVM anjara tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka sy ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 27 novambra 2019.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 19:25

    Governoran’ny Faritra: Naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona

    Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, mangataka ny heviny raha toa ka mifanaraka amin’ny Lalampanorenana na tsia ny didim-panjakana 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019 mikasika ny Governora. Androany 08 novambra 2019 no voarakitra ao amin’ny firaketan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana io taratasy fangatahana io.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 16:41
    • Sary nindramina

    Ivato-Ambohidratrimo: Mpanohana ny Kandidà Penjy Randrianarisoa tapa-tanana niharan’ny herisetra

    Niharan’ny herisetra ny mpanohana an’i Penjy Randrianarisoa, Kandida Ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara ao Ivato, Distrika Ambohidratrimo. Avy nametaka afisy no voalaza niharan’ny hetraketraka ka tapaka ny tanany. Tsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy amin’izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 22:42

    Antsohihy: Mpamono olona haterina ao am-ponja, maty tsy tra-drano voafira antsibe

    Nandriaka ny rà teto Antsohihy androany. Lehilahy iray nanao heloka bevava, namono olona, no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tao Antsakabary, Distrikan’i Befandriana Avaratra. Nentina ampidirina am-ponja teto Antsohihy izy io, androany, no narahan’ny fianakavian’ny maty sy ny vatan-dehilahy anatin’ny dina Besaboha. Tsy nihambahamba ireto farany naka tamin-kery ilay voampanga, alohan’ny nidirana tao amin’ny fonja. Nokapain’izy ireo tamin’ny antsibe ka potika ny tanany, voafirafira ny tarehiny rehetra ka maty tsy tra-drano teo ambavahadin'ny fonja.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 22:36

    Bakalôrea andiany manokana: 18% ny taham- pahafahana tato Antsiranana

    Nivoaka io maraina io ny valim-panadinana bakalôrea andiany manokana ho an’ny faritanin’Antsiranana. 18% ny taham-pahafahana. 9,75/20 ny salanisa farany ambany nafahana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 22:33

    Toamasina: Hatao rahampitso ny « délibération » ny bakalôrea andiany manokana

    Hatao ao amin’ny CEDI, ampitan’ny Gymnase Soavita, ny fivoriana hamaritana ny naoty farany ambany hafahana fanadinana bakalôrea tamin’ny andiany manokana notanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 lasa teo. Miantso ireo lehiben’ny foibem-panadinana, ny talem-paritry ny fampianarana, ireo sefo Cisco ary ireo voakasik’ity fanadinana ity, ny fiadidian’ny oniversiten’i Toamasina hiatrika izany ny zoma amin’ny 3ora tolakandro.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 22:24

    Besarety – Antananarivo: Ho tapaka mandritra ny iray volana ny lalana

    Nampandre ireo mpampiasa lalana ny Governora sy ny Faritra Analamanga androany fa ny lalana eo Besarety dia ho tapaka manomboka ny Zoma 08 novambra amin'ny 06ora maraina ka hatramin'ny sabotsy 14 desambra 2019 amin'ny 07ora hariva noho ny fanamboarana ny tetezana "La Rotonde".  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 12:45
    • Tahirin-tsary

    Sambava: Tanora roa lahy nanao raharaham-pihavanana rehefa tratra nampiasa vola sandoka

    Ny harivan’ny alatsinainy 04 novambra 2019 teo, nandritra ny alim-pandihizina tao Maroambihy no nampiasan'ireto tanora roa lahy ireto ny vola sandoka, ary mbola nahasaronana 180 000Ar sandoka avokoa izy ireo. Nomena safidy izy ireo na hatolotra ny mpitandro filaminana na hanao raharaham-pihavanana, ka hiantoka ny lany nandritra ny alim-pandihizana tamin'ny mpikarakara. Tsy nihambahamba izy ireo ny nisafidy ny faharoa. Efa fantatra kosa ny mombamomba ireto tanora roa izay nanaparitaka vola sandoka ireto, ka ny iray dia zatovo avy ao Maroambihy ihany, fa ny iray dia avy ao Ambodiampana Lokoho, izay efa samy karohin’ny Polisim-pirenena teny an-toerana, saingy efa samy nitsoaka izy roalahy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 22:32

    State Procurement of Madagascar: Hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina

    Nankatoavina ny fananganana ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM), hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina sy ireo entana iankinan’ny aim-bahoaka toy ny solika sy ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Mahatsapa ny fanjakana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinandoha be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany ka mampidangana ny vidim-piainana, izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny Malagasy, ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana, ka nitarika amin’izao fanapahan-kevitra hananganana ny orinasa SPM ity.  
    Lire la suite ...
Page 7 sur 489