Tselatra

    • jeudi, 12 janvier 2017 14:53
    • Tahirin-tsaray Sobika

    Indostria : Mitady hirika hanakatonana ny Triple A ny Fanjakana

    Nandefa iraka tany Andranomanelatra Antsirabe ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana, nanao fanadihadiana ny fiantraikan’ny fihodinan’ny orinasa Tiko izay tantanin’ny Triple A (AAA) ankehitriny, amin’ny resaka tontolo iainana. Mitady hirika hanakatonana ny orinasa “Triple A” ny Fanjakana ka ny vokatr’io fanadihadiana amin’ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana io no hanamarinana ny firosoany amin’ny fanatanterahana izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 11:55
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Ambositra : Nisy fahasimbana noho ny horohorontany ny CEG Annexe Ambohimiadana

    Namela takaitra tao amin’ny CEG Annexe Ambohimiadana eny Ampany ny horohorontany nitranga halina. Nitriatra be ny rindrina, vokany dia mbola noravana ny mpianatra androany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 11:44
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Mahajanga : Adiny sivy isan’andro ny delestazy

    Efa tsy mahataitra ny olona intsony ny fahatapahan-jiro raha eto Mahajanga. Mahazo ny anjarany avokoa ireo Fokontany miisa 26 eto an-toerana. Mila ho adiny sivy isan’andro ny fahatapahana. Vao maraina amin’ny dimy dia efa tapaka ny jiro ary tsy miverina izany raha tsy efa amin’ny sivy ora alina. Sahirana ireo mpianatra rehefa hamerin-desona any an-trano, voatery ravaina mialoha ny mianatra hariva fa maizina ny ao an-dakilasy. Nanao fanambarana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tsy hisy intsony ny delestazy manomboka anio alakamisy, ka samy miandry ny fahatanterahan’izany ny rehetra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 11:00
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Marovoay : Sady tsy jiro no tsy rano

    Telo andro izao no tsy misy jiro eto Marovoay, Faritra Boeny, tapaka nanomboka omaly alarobia ihany koa ny rano eto an-tanàna. Sahirana avokoa ireo manao asa fihariana miankina amin’ny herinaratry ny Jirama.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 10:47
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Nanjavona teny an-tsena ny sira

    Nifandrobahana ny sira teny amin’ny mpivarotra iray tamin’ireo roa hany sisa mbola nahitana sira omaly teto Sambava, fa tsy ahitana sira intsony eto an-tanàna amin’izao. Na ireo mpivarotra ambongadiny aza efa nanomboka ny farany taona teo iny no tsy nahita izany, izao anefa lany tanteraka ny tahiry. Misy manararaotra mibizina ka mivarotra sira 500 Ar ny kapoaka. Vao io maraina io no nisy sira vao tonga amin'ny mpivarotra iray fa dia iadivana, nefa i Sambava dia akaiky an'Antsiranana mpamokatra sira.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 10:22
    • Sary Njaka

    CENI: Nanao fanambaram-pananana

    Notontosain’ny CENI omaly alarobia 11 janoary ny fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy. Ry zareo kaomity mahaleo tena momba ny fifidianana izany no nanao izany fanambarana izany voalohany tamin’ity taona vaovao ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 10:18
    • Tahirin-tsaray Sobika Farafangana

    Farafangana : Tsy misy jiro nanomboka ny alarobia tamin’ny 8 ora alina

    Tapaka nanomboka ny alarobia tamin’ny 8 ora alina ny herinaratra eto Farafangana ary tsy mbola niverina hatramin’izao. Ritra tanteraka ny gazoala tao amin’ny Jirama, mampihodina ireo milina mpihary herinaratra, izay no antony. Miandry famatsiana solika izay tsy fantatra ny hahatongavany hatreto.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 10:07
    • Sary nindramina

    Antsalova : Manomboka sorena amin’ny tsy fisian’ny herinaratra ny mponina

    Raha fahalanian'ny solika no antony nahatapaka ny jiro teto an-drenivohitry ny Distrikan'Antsalova tamin’ny herinadro lasa iny dia nitohy ho fahasimban'ny milina mpamokatra herinaratra indray izany nanomboka tamin’ny fiandohan'ity herinandro ity. Manomboka sorena sy mimenomenona ny mpanjifa noho ny tsy fahaiza-miasa eo anivon'ny Jirama satria miantraika mafy eo amin’ny andavanandron'ny olona sy ny fikaramany ny fahamaizinana sy tsy fisian’ny herinaratra eto an-tanàna.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 09:56
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Antsalova-Maintirano : Tafakatra 80.000 Ar ny sarandalana

    Nihatra nanomboka omaly io sarandalana vaovao amin’ny taksiborosy mampitohy an’Antsalova amin’i Maintirano io, vokatry ny faharatsian-dalana. Noho ny asara (fahavaratra) sy ny fisondrotry ny vidin-tsolika no antony hoy ireo mpamily. Marihina fa diavina iray andro tontolo na iray andro sy tapany ny halaviran-dalana 120 km manelanelana ireto Distrika roa ireo ary fiara 4x4 vao afaka mandeha.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 janvier 2017 09:44
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Ady tany : Lehilahy iray maty voakapa tamin’ny famaky

    Lehilahy iray maty voafira tamin’ny famaky tao Besara, Kaominina Soahany, Distrika Antsalova ny alin’ny talata teo. Nidiran'olona sy notafihan'olona tao an-tranony ilay lehilahy maty . Tsy nisy fandrobana na halatra fa dia famonoana no nitranga. Araka ny fiahiahian'ny olona manodidina dia resaka ady tany no mety antony. Nidina any an-toerana ny Zandary sy ny fianakavian'ny maty hanao fanadihadiana sy haka ny razana ho entina ao Antsalova.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 136
B1 - Polyclinique
B2 - Toa