Tselatra

    • vendredi, 30 octobre 2015 20:06

    Tolagnaro : Tsena nandaniana vola amina miliara simba ampitoerana

    Tsena iraisan’ny Kaominina maromaro (OPCI) any Tolagnaro izy ity, naorina ao amin’ny “Gare routière” Ampamakiambato ary vita tamin’ny taona 2007. Lehibe ny fotodrafitr'asa izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Vondrona Eoropeana ary nandaniana vola amina miliara. Hatramin’izao anefa tsy nampiasaina ity tsena ity, hany ka misy mangalatra tsikelikely ny tafony.
    Lire la suite ...
  • Mpisoloky vola sandoka
    Mpisoloky vola sandoka
    • vendredi, 30 octobre 2015 08:37
    • Photo: Sobika Toamasina

    Mpanao vola sandoka : Tambazotra iray ravan'ny polisy tao Toamasina

    Niainga tamin’ny fahatrarana vola 10,8 tapitrisa Ariary saika hamitahana mpamokatra jirofo tany Soanierana Ivongo ny fikarohana ireo tambazotra mpisoloky sady mpanao vola sandoka ary milaza ho mahay mampitombo vola ihany koa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 octobre 2015 19:57
    • Photo: Net

    Tolagnaro : Miaka-bidy ny hanin-kohanina

    Mitaraina ny mponina fa tsy mitsaha-miaka-bidy ny hanin-kohanina. Tafakatra any amin'ny 500 Ar ny vary iray kapoaka, 1000 Ar ny iray toko amin’ny bageda na vomanga. Mirongatra ny vaky fasana sy hala-botry any ambanivolo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 28 octobre 2015 23:10
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Fito voarohirohy amin’ny fahaverezan’ny fitaovan’ny Kaominina

    Tsy navelan’ny Ben’ny tanàna Andriantomanga Mokhtar Salim ny raharaha manodidina ny fahaverezana sy famotehana ireo fitaovan’ny Kaominina Mahajanga ambonivohitra satria tsy azo avela ho very ny fananam-bahoaka. Lasibatra tamin’izany tsiahivina ireo fiarabe fitaomana fako. Mivoatra ankehitriny ny raharaha, ka olona fito hatreto no voarohirohy. Miandry izay ho tohiny ny mponina manoloana io tranga io.  
    Lire la suite ...
  • Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka
    Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka
    • mercredi, 28 octobre 2015 10:10
    • Photo Fournie

    Tsiliva : Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka amin’ny alina

    Nosamborin’ny polisin’i Toamasina i Jean Metiste na i Tsiliva, mpitari-posy malaza, ahiana ho mpanendaka olona amin'ny alina. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy fa misy mpitati-posy mitsikomba amin’ny jiolahy, manendaka amin’ny alina. Voatonona tamin’izany i Tsiliva. Voatondro ho mitazona fitaovam-piadiana ambalahana sy fanafody gasy ity farany. Tsy nahitana an’ireo anefa teny aminy tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Notazomin’ny polisy anaovana fahadihadiana izy, ary mitohy ny fikarohana ireo heverina ho mpiray tsikombakomba aminy.
    Lire la suite ...
  • Tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA
    Tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA
    • mardi, 27 octobre 2015 15:05
    • Photo: Njaka

    Mifampiaro ny Fanjakana: Raikitra ny angaredona

    Nanambara tamin'ny mpanao gazety androany ny tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA tetsy Anosy fa ny tany etsy amin'ny labatoara Andohatapenaka dia voalaza mazava tsara fa dia an'ny fanjakana.
    Lire la suite ...
  • Pierre Andrianantenaina, ankavanana amin'ny sary, nanatontosa ny sivana izay ho Ben'ny tanàna amin'ny anaran'ny Mapar.
    Pierre Andrianantenaina, ankavanana amin'ny sary, nanatontosa ny sivana izay ho Ben'ny tanàna amin'ny anaran'ny Mapar.
    • mardi, 27 octobre 2015 08:49
    • Photo: Sobika

    Nodimandry i Pierre Andrianantenaina.

    Tamin'ny roa ora maraina ny alatsinainy hifoha Talata no nodimandry tao antranony eny Ambolokandrina i Pierre Andrianantenaina. Fantatra tamin'ny tolona mavaivay izay nandraisany anjara hatrany na tamin'izy mbola lehiben'ny SECES mpampianatra mpikaroka teny amin'ny Polytechnique, i Piera Kely moa no nahalalan'ny maro azy fony izy nampianatra Beton armé, lehiben'Antoko Farimbona, nanana onjam-peo, mpitolona tamin'ny faha Hery velona, fototry ny tolona tamin'ny 2009, mpanolotsaina manokana tamin'ny tetezamita, ary mpikambana mavitrika tao amin'ny MAPAR.Mirary fihononana ho an'ny fianakaviana ny ekipan'ny Sobika iray manontolo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 octobre 2015 13:22
    • Photo: Njaka

    Andohatapenaka: Miala any ny hery famoretana

    Tonga vao maraina teny Andohatapenaka ny fitaovana vaventy nandrava ny fototr'ireo abatoir teo aloha.Nisy olona teo amn'ny dimapolo teo ireo mpomba an'i filoha teo aloha Ravalomanana no namaly ny antsony hiara hientana anakana izany fandravana izany. Maro anefa ireo Emoreg efa niantrana teny an-toerana ka nihemotra ireto mpanara-dia an'i Ravalomanana ireto.
    Lire la suite ...
    • samedi, 24 octobre 2015 08:44
    • Photo: Net

    Toamasina : Toaka gasy 840 litatra tratra

    Niainga avy any Saranazy, Kaominina Ambodilazana ireto toaka gasy ireto ary saika hamidy ao Toamasina no saron’ny polisy tao Betainaomby niaraka tamin’ireo roalahy nitondra azy. Notsinjaraina tamina jerikana miisa 24 ny toaka. Raha ny lalàna dia miankina amin’ny fandoavan’izy ireo ny sazy 1.000 Ariary isaky ny litatra ny famonjana azy roalahy ireo na tsia.
    Lire la suite ...
  • Mpisoloky Toamasina
    Mpisoloky Toamasina
    • samedi, 24 octobre 2015 07:54
    • Photo: Sobika Toamasina

    Fisolokiana : Olona roa naiditra am-ponja ao Toamasina

    Milaza ho mpampitombo vola hay misoloky gaigilahy. Vola fito tapitrisa Ariary be izao no lasibatra tao Tanambao V Toamasina. Dimy lahy no niketrika azy saingy tafaporitsaka ny telo raha tonga hisambotra azy ireo ny polisy, ka ny roa no tratra ambodiomby niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany.
    Lire la suite ...
Page 489 sur 505