Tselatra

  • Clément Madogasy - Ben’ny tanànan’ny Kaominina Tsifota - Toliara II
    Clément Madogasy - Ben’ny tanànan’ny Kaominina Tsifota - Toliara II
    • mercredi, 23 septembre 2015 15:46
    • Photo: Sobika

    Tsifota Toliara II : Ben’ny tanàna i Clément Madogasy

    Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toliara, omaly hariva, tamin’ny fomba ofisialy fa voafidy ho Ben’ny tanànan’ny Kaominina Tsifota - Toliara II i Clément Madogasy. Kandidàn’ny antoko MTS izy tamin’ny fifidianana kaominaly natao ny 31 jolay 2015.
    Lire la suite ...
  • Andohalo
    Andohalo
    • mardi, 22 septembre 2015 23:36
    • Photo: Njaka

    Andohalo

    Saika niaran-doza ity mazda nitondra fianakaviana avy namonjy famadihana, fa raha niakatra ny fiakaram-be tetsy Andohalo dia lany ny vitesy ka saika nivarina nidina. Voavonjy aingana tamin'ny kaly vato anefa izany, ka tafajanona ihany, ary nitsambikina nivoaka ny varavaran-kely aingana ny mpandeha. Tsy nisy naratra na namoy ny aina aloha ity tranga ity.
    Lire la suite ...
  • Hetsiky ny mpiasan'ny Jirama
    Hetsiky ny mpiasan'ny Jirama
    • lundi, 21 septembre 2015 18:47
    • Photo: Njaka

    Mitohy ny fitakiana ataon'ny mpiasan'ny Jirama.

    Tsy nampihemotra ireto mpiasan'ny Jirama hanoy ny hetsika sy ny fitakiana ataony akory ny fisamborana ny lehiben'ny syndicat n'ny Jirama. Voa maika aza nanamafy ny fitakian'izy ireo ny amoahana an'i Tiana Oliva Andrianalimanana izany.
    Lire la suite ...
  • Valérie Gamal - Viva Mahajanga
    Valérie Gamal - Viva Mahajanga
    • lundi, 21 septembre 2015 14:50
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Ambalakida-Mahajanga : Taksiborosy tra-doza, 5 namoy ny ainy, mpiasan'ny VIVA ny iray

    Fiara mpitatitra avy ao Antananarivo hiazo an’i Mahajanga no tra-doza androany vao maraim-be tao Ambalakida, 22km tsy hidirana an’i Mahajanga amin’ny lalam-pirenena faha-4. Raha ny tarehimarika vonjimaika voaray dia dimy ireo namoy ny ainy, ka maty tsy tra-drano ny telo ny roa kosa maty tany amin'ny hopitaliben'Androva vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Anisan’ireo namoy ny ainy ny mpamily sy mpanentana fandaharana iray ao amin’ny VIVA Mahajanga. Maro ireo naratra.
    Lire la suite ...
  • Lozam-pifamoivoizana Camp Robin
    Lozam-pifamoivoizana Camp Robin
    • lundi, 21 septembre 2015 13:21
    • Photo: Fournie

    Taxibrousse nahafaty olona làlana mankany Fianarantsoa

    2 Km tsy idirana ny Camp Robin, raha avy aty Antananarivo ho any Fianarantsoa no nitrangan'ny loza, nivadika ity sprinter nitondra mpandeha.  Maty tsy tsadrano ilay mpamily ary ireo mpandeha dia nentina notsaboina any Ambositra. Marihina fa tsy nitondra ireo tanora andeha hody avy niatrika ny JMJ akory ity fiara ity na dia efa loza faha 4 hita teny an-dàlana aza izany.Anisan'ireo namonjy tamin'izao voina izao ireo tanora JMJ.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2015 11:04
    • Photo: Sobika

    Finoana : Handao an’i Madagasikara i Mb Terezy

    Hiala eto Madagasikara ny talata 22 septambra 2015 ny taolambalon’i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely sy ireo ray aman-deniny Zélie Guérin sy Louis Martin, rehefa avy nitety an’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 3 jolay 2015. Niaraka tamin’ireo tanora mpizaika tany Fianarantsoa izy ireo tamin’ny famaranana ny JMJ Mada 8. Hisy anio ny vavaka lehibe eny amin’ny Don Bosco Ivato.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2015 10:37
    • Photo: Fournie

    Talenta Akademia

    Namoy ny zanany i Jimmy Simouri izay mpilalao ao amin'ny cnaps sport sy mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina kitra.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2015 21:12
    • Photo: Net

    Andilamena : Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona roa sy namparatra ampolony

    Trakitera no nihavian’ny loza. Mpitatitra olona avy eo Andilamena mankany amin’ny Kaominina Miarinarivo izy io no tra-doza halina, nivadika teo amin’ny 3 km tsy hidirana ny tànanan’i Miarinarivo. Olona roa no maty tsy tra-dràno ka ankizy tokony 14 taona ny iray ary renim-pianakaviana ny faharoa. Betsaka koa ireo naratra.
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 septembre 2015 20:27

    Bianco

    Ho fanamafisana hatrany ny Ady amin'ny Kolikoly eto Madagasika,dia ho tanterahina ny alatsinainy 21 septambra izao, manomboka amin'ny 10 ora maraina eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Fanaovan'Atoa Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Hery RAJAONARIMAMPIANINA sonia ny firotsahany hitarika ny fampiharana ny Tetikadim-pirenena vaovao Iadiana amin'ny Kolikoly.
    Lire la suite ...
  • Ouagadougou
    Ouagadougou
    • samedi, 19 septembre 2015 19:03
    • Photo Net

    Burkina Faso

    Mirehitra ny tanànan'ny Ouagadougou Burkina Faso
    Lire la suite ...
Page 449 sur 456