Tselatra

  • (Sary Maître Aldo mpisolovava ny Mapar)
    (Sary Maître Aldo mpisolovava ny Mapar)
    • vendredi, 11 septembre 2015 13:32
    • Photo: Fournie

    Nampiseho ny mangarahara ny Fitsarana Mahajanga.

    Nitory ny kandidan'ny Mapar ny Kandidan'ny HVM ho nampiasa bileta efa nisy fanamarihana mialoha, nilaza ihany koa ny HVM fa nampiasa feutre mainty ny Mapar. Teo imason'ny rehetra no navoakan'ny Filohan'ny Fitsarana ny bileta rehetra, fa niondrika fotsiny ny HVM fa tsy nisy na iray aza bileta nisy feutre mainty nanendrikendrehina ny Mapar.Nivoaka nijaikojaiko menatr'olona ireo HVM tonga tao amin'ny fitsarana Mahajanga.
    Lire la suite ...
  • Bizina Bac
    Bizina Bac
    • vendredi, 11 septembre 2015 09:42
    • Photo: FB

    Bizina Bac

    Mitohy ny bizina bac, ka na ny université aza dia manao fitadiavam-bola amin'ny valim-panadinana Bac ankoatr'ireo opérateur téléphonique.Izay mitady izany lisitra izany ka amoaka azy maimaimpoana dia tsy mahazo, toy ireo valim-panadinana hafa.Tsy mahagaga raha mitohy ny fitokonana eny Ankatso, satria sady afaka mandeha mampianatra any amin'ny Université privée izay an'izy ireo ihany ireo mpampianatra milaza fa mpikaroka, asa mikaroka inona loatra fa tsy mbola nisy nahita izay fikarohana vita aloha hatreto no mandray karama feno amin'ny volambahoaka.
    Lire la suite ...
  • Fitsarana Mahajanga
    Fitsarana Mahajanga
    • vendredi, 11 septembre 2015 09:12
    • Photo: Fournie

    Fitsarana ny ady momba ny fifidianana Mahajanga

    Manomboka anio ny fitsarana ireo ady fifanolanana momba ny fifidianana Ben'ny Tanànana ao Mahajanga.Ho an'ny Kaominina andrenivohitry Mahajanga, dia i Mokhtar Salim Andriantomanga, amin'ny anaran'ny Mapar, no mpandresy vonjy maika voalazan'ny CENI-T.
    Lire la suite ...
  • Imprimerie Sabotsy Namehana
    Imprimerie Sabotsy Namehana
    • mercredi, 09 septembre 2015 20:49
    • Photo: Njaka

    Centre d’Animation Communautaire Sabotsy Namehana Tsarafara

    Nitsidika ny fanotana boky tetsy Sabotsy Namehana ireo Tale eo anivon’ny Ministeran’ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Trano nisy ny famokarana momba ny asa fanaovan-gazety toy ny milina mpamokatra ireo boky sy ny trakta maro samihafa ka anisan’izany ity milina iray ORIGINAL HEIDELBERG izay mbola mandeha hatramin’izao fotoana izao,tsiahivina moa fa efa tany amin’ny 1969 no nitsanganan’ity trano fanotana boky ity.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 septembre 2015 10:19
    • Photo: Sobika

    Freedom - TIM : Hitohy anio ny Fitsarana

    Miditra amin’ny andiany faharoa anio ny fitsarana ireo antontan-taratasin’ady mikasika ny fitorian’ny Freedom nandrotsaka an’i Lalatiana Rakotondrazafy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra hanilihana an-daharana an’i Lalao Ravalomanana, kandidan’ny Tiako i Madagasikara.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 septembre 2015 20:19
    • Photo: Net

    Tanora FLM : Tra-doza ny delegasionan’ny SAVA hamonjy Zaikabe any Farafangana

    Niharan-doza tany Ankazobe ny fiarafan’ny tolakandro teo ny fiara minibus nitondra ireo tanora FLM avy any SAVA tokony hamonjy Zaikaben’ny Tanora FLM any Farafangana, izay nanomboka androany hatramin’ny alahady. Naratra avokoa ny tao anatiny ary tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ankazobe.
    Lire la suite ...
  • Hai-trano Andravoahangy Atsinanana
    Hai-trano Andravoahangy Atsinanana
    • mardi, 08 septembre 2015 17:27
    • Photo: Njaka

    ANDRAVOAHANGY ATSINANANA

    Trano 43 tafo no may kilan'ny afo tokony ho tamin'iray ora maraina tany ho any , efatra ny naratra, izay mbola any amin'ny hopitaly ary zazavavy kely iray tokony ho eo amin'ny valo taona teo no maty izay tsy tafatsoaka tao an-trano. Marihina moa fa ankizy manao fialan-tsaratra ety an-tanandehibe ity nindaosin'ny fahafatesana ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 septembre 2015 12:10
    • Photo: Net

    Beloha Androy : Fitsaram-bahoaka

    Lehilahy iray tratra nangalatra osy sy ondry maromaro matin’ny fitsaram-bahoaka tany Beloha Androy ny alahady teo
    Lire la suite ...
  • Assim Mohamed
    Assim Mohamed
    • lundi, 07 septembre 2015 23:35
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Assim Mohamed : Voafidy ho filoha nasionalin’ny mpino silamo eto Madagasikara

    Tafiditra tao anatin’ny dinika nataon’ireo mpizaika tamin’ny kongresy nasionaly faha-5-n’ny Fikambanan’ny mpino Silamo Malagasy (FSM)natao tao Mahajanga nifarana omaly ny fifidianana ny birao nasionalin’ny FSM. Voafidy nandritra izany i Assim Mohamed, mpizaika avy any Atsimo Atsinanana izy. Anisan’ny ho vaindohan-draharahany ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny mpino silamo manerana ny Nosy mba hifanaraka amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ny sehatra sosialy sy ny finoana no tena antom-pijoroan’ny fikambanana FSM. Miisa sivy mirahalahy ireo komity nasionaly izay avy amin’ny faritra samihafa, ary haharitra efa-taona ny fotoam-piasany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 06 septembre 2015 22:33
    • Photo: Net

    Haintrano tao Sambava

    Nirehitra ny tranon-dry mompera ao amin’ny EKAR Antanifotsy.
    Lire la suite ...
Page 419 sur 424