Tselatra

    • dimanche, 01 mai 2016 14:46
    • Sary Sobika Maintirano

    Maintirano : Vono olona mahatsiravina

    Tovolahy mpivarotra mangidy iray hita faty nihoson-drà tao an-tranony ny harivan’ny zoma teo, tao Maorodoka Maintirano. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay tovolahy. Tanora vao herotrerony, manodidina ny 19 taona, ity namoy ny ainy ity. Voalaza fa tso-piaina, tsy manana olana ara-piarahamonina izy. Tsy hita ny nahavanin-doza. Misokatra ny fahadihadiana hikarohana ny marina manodidina ity vono olona mahatsiravina ity.  (Tandremo sary manohina ny fo)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 01 mai 2016 10:05
    • Sary nindramina FB

    Manohy miasa ihany ny Fifiabe

    Na dia nisy aza fanapahan-kevitra entitra noraisin'ny teo anivon'ny ministeran'ny fitaterana sy ny zandarimaria ny tsy fahazoan'ny koperativa Fifiabe miasa ao anatin'ny 10 andro vokatry ny loza nitranga, dia tazana io maraina io ihany aloha ny fiara fa miasa hatrany.   Tsy mazava amin'ny maro tokoa manko ny hoe, ny hafa no manao ny ataony ka ny rehetra no voasazy, eny hatramin'ny mpandeha izay terena andeha tongotra ?  Misy aza moa no milaza ny mponina hoe, alefaso aty aminay ny kamion'ny Emmoreg hitatitra anay eny Alarobia amonjena 1er mai fa efa lalany ihany eny.
    Lire la suite ...
  • Andohanimandroseza
    Andohanimandroseza
    • dimanche, 01 mai 2016 09:11
    • Sary FB

    Sakoroka eny Ambohipo

    Hatramin'ny omaly hariva ary nitohy io maraina io ny fitokonan'ny andian'olona eny Ambohipo.  Hatreto dia voalaza fa nisy tanora nosamborin'ny Emmoreg nefa lavin'ny olona eny.
    Lire la suite ...
  • Pepite d'or Ambohimanarina
    Pepite d'or Ambohimanarina
    • samedi, 30 avril 2016 16:36
    • Sary Sobika

    Lozam-pifamoivoizana tetsy Mahitsy

    Ankizy mpianatra miisa enina no maty tamin'ny loza izay nitranga teny Mahitsy omaly, mpianatra eny ao amin'ny sekoly Pepite d'or eny Ambodivonkely Ambohimanarina moa ireto ankizy niaran-doza ireto, manodidina ny eo amin'ny valo sy sivy taona eo izy ireo, efa tonga nitsapa alahelo eny amin'ny toerana misy azy avy ny minisitry ny fitanterana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 avril 2016 23:39
    • Sary Sobika Antsohihy

    Antsohihy: Mahafaly Olivier naka tso-drano

    Tonga tany Antsohihy androany ny lehiben'ny governemanta Olivier Mahafaly naka tso-drano tany amin'ny faritra nihaviany tany Sofia. Omby 20 moa no voalaza fa hatao sorona amin'izany. Somary gaga ihany ny mpanara-baovao fa ny Solombavambahoaka lany tany Bealanana ihany no niatrika izany ankoatr'ireo mpitondra HVM tany antoerana. Ry Jao Jean izay anisan'ireo nanatitra ny anarana hatao praiminisitra teny Iavoloha dia tsy tazana teny, efa mampiseho sahady ny mety hitranga amin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimieram-pirenena ve izao araky ny feo mandeha fa tezitra mafy amin'ity Praiminisitra ity ireo Solombavambahoakaa satria dia tsy nisy noraisiny ireo anarana natolotr'izy ireo nokasaina hatao minisitra?
    Lire la suite ...
  • Fankalazana ny 85 taonan'ny RNM
    Fankalazana ny 85 taonan'ny RNM
    • vendredi, 29 avril 2016 22:02
    • Sary Sobika

    Fankalazana ny 85 taonan'ny RNM

    Nanakalazaina izao alina izao teto Anosy ny tsingerintaona faha 85 nijoroan'ny RNM na ny Radio Nasionaly Malagasy. Tonga nanotrona tao avokoa ireo tale maro misahana ny tontolon'ny serasera ka notarihin'ny Minisitry ny serasera Vonison Andrianjato. Anisan'ny nanamarika ity lanonana ity moa ny famintinana, izay natao mivantana ireo karazana fandaharana misy eto amin'ny radio Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 avril 2016 21:59
    • Sary nindramina FB

    Taxibe nande mafy niaran-doza teny amin'ny digue Andohotapenaka. Tafakatra 8 ny maty

    Tsy fifehezana ny fisongonana sy fandehanana mafy no niteraka ny loza tetsy amin'ny digue Andohotapenaka teo tamin'ny 4 sy sasany maraina. 3 no maty tsy tra-drano ary io hariva io dia tafakatra 8 ny isan'ireo namoy ny ainy raha ny tatitry ny hopitaly HJRA. Mbola maro ireo miady amin'ny fahafatesana amin'izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 avril 2016 20:31
    • Sary nindramina FB

    Lozam-piarakodia teny Mahitsy. 8 no maty, 25 maratra

    Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain'olona 8 tetsy Mahitsy izao hariva izao. Nivarina tany anaty antsana ny fiara nitondra ireto mpianatra avy nitsangatsangana. Mpianatra 7 ao amin'ny Pépite d'or Ambohimanarina kilasy madinika ny amin'ireo namoy aina. Miisa 25 ireo naratra mafy nihazo ny hopitaly. Sprinter, nandeha mafy, ny fiara nitondra ireto zaza mbola kilasy 10eme ireto rehefa avy nitsangatsangana avy any Andranovelona.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 avril 2016 15:40
    • Photo: Illustration Net

    Lalam-pirenena 44 : Taksibrosy voatora-bato, mpandeha telo naratra

    Teo anelanelan'Andaingo sy Amboasary no niseho ny asan-jiolahy. Fiara taksibrosy roa, Sprinter sy Mazda, mampitohy an’Antananarivo amin’Ambatondrazaka no voatora-bato. Olona telo no naratra voan'ny vakina fitaratra. Ilay fiara sprinter no tena nitondra faisana. Miantso fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana ireo kaoperativa mampiasa ny lalam-pirenena faha-44.
    Lire la suite ...
  • Tetezan'ny Bekiraro
    Tetezan'ny Bekiraro
    • jeudi, 28 avril 2016 09:52
    • Sary Njaka

    Mitraotra ny vahoaka vokatry ny delestazy

    Nidina an-dalambe ny mponina eny amin'ny tetezan'ny Bekiraro fa maizina efa ho herinandro ny tsy niverenan'ny herinaratra eny an-toerana. Naparitakin'ny mpitandro filaminana tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo , izay milaza fa rehefa mipaika indray ny hariva dia hiverina hitokona eo indray.
    Lire la suite ...
Page 406 sur 457