Tselatra

    • mercredi, 08 août 2018 20:17
    • Sary nindramina Jeune Afrique

    Côte d'Ivoire: Nahazo famotsoran-keloka i Simone Gbagbo

    Nivoaka ny fonja anio alarobia 08 aogositra, notanana azy nandritra ny 7 taona tao Côte d'Ivoire, i Simone Gbagbo, vadin'i filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire Laurent Gbagbo, nandritra ny ady nisy taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena nahalany an'i Alassane Ouattara. Nizotra avy hatrany tany antranony izy, ary feno mpiara-mitolona nitsena azy. I Laurent Gbagbo vadiny moa dia mbola voatana any La Hay, fitsarana iraisam-pirenena, ary mbola tsy nivoaka ny didy raikitra momba azy.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 août 2018 17:00

    Fanadinam-panjakana: Nanamafy ny tsy fihemorany ny mpitondra fanjakana

    Nanamarika ny fitsidiham-paritra nataon'ny solontenan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena teto Vakinankaratra, ny fanambarana sy fampahafantarana ny besinimaro fa tsy hihemotra ary tsy maintsy hisy ny fanadinam-panjakana. Nanamafy izany Beatrefina Patrice raha nandalo teto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ny tenany nandritra ny fanokafana ny lalao an-tsekoly ny faran'ny herinandro teo.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 août 2018 16:58
    • Sary nomena

    “Plaque rouge”: Natao ho an’ny fiaram-panjakana ihany sa ny moto ihany koa ?

    Raha ny toromarika nomen’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta dia avadika “plaque rouge” ny laharan’ireo fiaram-panjakana rehetra, ary tamin’ny 28 jolay 2018 no fara-famadihana azy. Mipetraka anefa eto ny fanontaniana mikasika an’ireo kodiaran-droa toy ny moto eny anivon’ny ministera sy rantsamangaikan’ny fanjakana, ary ny eny anivon’ny Faritra, toy ny Faritra Anôsy izay vao nividy moto miisa folo, satria tsy misy baiko na toromarika mazava mikasika azy ireny, ka ahiana ny fanararaotana ; ho avy rahateo ny fifidianana.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 août 2018 15:53

    Tolagnaro: Tsy azo tsenaina ilay minisitra fa adversera ?

    Ho avy aty Tolagnaro, rahampitso 9 aogositra, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, izay lehiben’ny Faritra Anôsy teo aloha no zanaky ny faritra rahateo, Randriatefiarison Guillaume Venance. Misy baiko milatsaka sahady re, fa tsy azo tsenaina ity minisitra amperinasa ity, satria avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Misy hamorona “mission” mihitsy aza fa tsy hitsena, no tsy hanatrika ny zavatra hataon’io minisitra io eto Tolagnaro, izay atrikasa mahakasika ny tontolo iainana, miaraka amin’ny fampiratiana an-trano heva mifandraika amin’izany. Avy amin’ny VPM-MMM, antoko tarihin’i Hajo Andrianainarivelo, izay manohana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny minisitra Randriatefiarison Guillaume Venance.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 août 2018 15:18
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Dahalo raindahiny navotsotra, naharomotra ny vahoaka

    Nikasa hidina an-dalambe hilanja ny sorabaventy niazo ny tobin’ny Zandary Sambava ireo vahoaka avy ao amin’ny Fokontany Soavinandriana, tsy faly noho ny namotsorana dahalo raindahiny iray, izay nanafika sady nandroba lavanila 25kg sy volam-piangonana 2 tapitrisa Ariary. Ny sabotsy 4 aogositra no natolotra ny mpitandro ny filaminana rehefa voasambotry ny Fokonolona nefa ny alahady ampitson’io dia navotsotra. “Tsy maintsy voasazy izay Zandary namotsotra an'io dahalo io”, hoy ny Commandant de Compagnie Sambava Raharimandina Maguy izay niangavy ny olona ho tony sy hifampatoky ka hifanome tanana hatrany hamongorana ny olon-dratsy satria mbola miriaria miaraka amin’ny basy any ireo naman’ity dahalo ity.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 août 2018 22:46
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Fitsaram-bahoaka sahady ?

    Dahalo votsotra iray andro taorian'ny nanaterana azy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy faly tamin’izany ny mponina tao Soavinandriana ka nandefa delegasiona tonga teny amin’ny Zandary androany maraina, fa tsy nahafa-po azy ireo ary manjavozavo ny antony nahavotsotra ity dahalo rain-dahiny ity. Raha natao ny fisavana trano nataon'ny mpitandro filaminana taorian'ny nanamborana ity dahalo ity dia nahatratrarana akoho amam-borona maro ary lavanila tao anaty lavaka tao anaty trano izay voatokana fikajiana zavatra maloto. Noho ireo rehetra ireo no nahatonga ny vahoaka hitroatra tamin’ity andro androany ity satria mba niezaka nisoroka ny fitsaram-bahoaka, nefa indrisy izao sahady no nitranga raha vao tapitra ny atrik’asa momba ady fisorohana izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 août 2018 17:25
    • Sary nindramina

    Hiroshima 06 aogositra 1945 - 06 aogositra 2018: fahatsiarovana 73 taona taty aoriana

    Ny marainan'ny 06 aogositra 1945 tokony tamin'ny 8ora15min, dia nalatsaky ny amerikanina tamin'ny alalan'ny fiaramanidina mpiady B-29 "Enola Gay", tao Hiroshima Japon, ny baomba atomika "Little Boy", ary telo andro taoriana dia nandatsaka baomba hafa tao Nagasaki. Izany moa no nataon'ny amerikanina hanerena ny Japon hanaiky ho resy tamin'ny ady lehibe faharoa, ary ampisehoan'ny Amerikanina amin'ny Russie fa afaka potehiny amin'ny baomba atomika ihany koa i Russie. Sady andrana nataony amin'ny teknolojia sy fitaovam-piadiana ananany. Olona aman'hetsiny no namoy ny ainy tamin'izany. Notsarovana tao Hiroshima izany io maraina io, ka dia naneno ny lakolosy tamin'ny 8ora15min maraina. Nilaza ny Ben'ny Tanàna ny tsy hisian'izany intsony maneran-tany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 août 2018 17:07
    • Sary nindramina LaCroix

    Iran: Midoboka ny sazin'ny Amerikanina

    Nanapakevitra i Donald Trump ny hamerenana ny fahirano ataon'ny Amerikaninana amin'ny Iran manomboka anio misasak'alina. Voakasik'izany fahirano izany ny banky, ny fividianana devise dollar, ny informatique, indostria momba ny fiarakodiasy fiaramanidina, ny famatsiana solika. Izany moa vokatry ny fifanenjanan'ny roa tonta amin'ny fifanarahana ny fampitsaharana ny fikarohana atomika, ka Iran, namoaka ireo fitaovam-piadiany, nanao fanazaran-tena an-dranomasina, Donald Trump kosa nampitandrina fa aoka tsy hiantsy ady amin'ny Amerikanina fa hifanehatra amin'ny ady mbola tsy hitan'ny Iran hatramin'ny nisiany.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 août 2018 16:56

    Arabie Saoudite: Noroahiny nody ny ambasadera Canada

    Tsy nanaiky ny fitsabatsabahan'i Canada tamin'ny raharaha tokatranon'ny Arabie Saoudite ny mpitondra ao an-toerana, ka dia noroahiny tsy nisy atakandro ny ambasaderan'ny Canada, ary nampodiany ihany koa ny masoivohony monina any Canada. Izany moa vokatry ny fanambarana nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny kanadianina nitaky ny amoahana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra nanakiana ny mpitondra any an-toerana momba ny zon'olombelona sy ny zon'ny vehivavy.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 août 2018 16:46
    • Tahirin-tsary Gasypatriote Mahajanga

    Fandrobana Microcred Mahajanga: Mifanilika ny samy mpitsara

    Miteraka resabe eto Mahajanga ny namotsorana ireo jiolahy nosamborin’ny Polisy heverina fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny Microcred. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny Fitsarana dia tsy mbola vita akory ny raharaham-pitsarana fa mbola vao miandry tohin’ny ankety amin’izao fotoana izao ny raharaha. Manana zo hitaky fahafahana vonjimaika (LP) ny voarohirohy, saingy tsy mbola nahazo izany, na efa nangataka aza izy ireo, tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) teto Mahajanga. Noho io dia nampakatra ny raharaha tany amin’ny Fitsarana Ambony ireo izay voakasika ka tamin'ity farany no nangataka LP indray ireo voampanga, ka ny rantsa-piampangana tao amin’ny Cour d'Appel no namoaka ny fanapahana fahafahana vonjimaika ho an'izy efatra mirahalahy voalaza fa lohandohan’ny mpisorona tamin’ilay fanafihana banky Microcred Mahajanga farany teo iny.    
    Lire la suite ...
Page 5 sur 312