Tselatra

    • lundi, 08 août 2016 20:06
    • Sary Njaka

    Bakalorea teknika: Mitohy amin'ity herinandro ity

    Mbola mitohy amin’ity herinandro ity ny Bakalorea teknika raha efa nifarana tamin’ny zoma lasa teo kosa ny Bakalorea ankapobeny. Hanomboka rahampitso kosa ny fitsara izany fanadinana Bakalorea ankapobeny izany izay eny amin’ny ofisin’ny Bacc Ankatso.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 16:24
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Toamasina Bakalôrea teknika : Tovovavy iray tratra nanao hosoka, voaroaka

    Tovovavy iray, mpiadina bakalôrea sokajy teknika, ao amin’ny EPP La Marne no tsikaritry ny mpiambina nanao hosoka nandritra ny adina toekarena ny maraina teo. Nalefa nody avy hatrany izy taorian’ny fanadihadiana sy fitanana an-tsoratra nataon’ny mpiandraikitra ny foibem-panadinana, ary tsy afaka nanohy fanadinana intsony. Nanomboka androany moa ny andiany faharoa amin’ny fanadinana ho an’ny mpiadina bakalôrea ao amin’ny sokajy teknika.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 15:53
    • Sary Sobika Mahajanga

    Halatra lakolosim-piangonana : Efa-dahy voasambotra tany Belobaka

    Lakolosin’ny Fiangonana Katolika ao Ankazomenavony, Kaominina Belobaka, Distrika Mahajanga II no nalain’ireo jiolahy efa-dahy ny sabotsy teo saingy nisy nahatsikaritra ka nifanenjehan’ny Fokonolona ary dia tratra. Mbola hita tany amin’iray tamin’izy ireo ny fitaovana nampiasaina tamin’ny halatra, tavoahangy misy solika fandrehitra ary ny lamba hamonosana ilay lakolosy mba tsy haneno. Avy any Bevoay no nambaran’ireto mpangalatra lakolosy ireto ho naniraka azy ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 11:07
    • Sary Njaka

    Fidiran'ny mpianatra : Miaka-bidy ireo fitaovam-pianarana

    Raha tsy mbola tapitra ny fialan-tsasatra dia efa manomboka kosa ny fisoratana anarana eo anivon'ny sekoly tsirairay. Efa manomboka miaka-bidy koa arak'izany ny fitaovan’ny mpianatra eny an-tsena. Tsy takatry ny fahefa-mividy intsony ny fisondrotan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana hoy ireo Ray aman-dreny izay nanontaniana, raha tsy hilaza afa tsy ny vidin’ny cahier sy ny boky izay ilaina any am-pianarana fotsiny. Mandany eo amin’ny iray hetsy eo ho an’ny zaza iray eny amin'ny primaire raha manodidina ny roa hetsy ho an'ireo ankizy lehibe. Mbola eo anefa ny ankanjo, sy ny fitaovana fiomanana isan-karazany, ny saram-pianarana, ka raha manana zaza 3 izany dia efa tsy araka intsony.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 11:02
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Sambava : Nidina nanara-maso ny vidin’entana ny lehiben’ny faritra SAVA

    Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana ateraky ny fisondrotry ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro (PPN). Manoloana izany dia nitety ireo toeram-pivarotana aty Sambava ny lehiben’ny Faritra SAVA, Velomaro Faustin, ny zoma teo nanadihady ny antony miteraka io sondrobidin’ny PPN io.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 10:41
    • Sary Njaka

    Asa tanana malagasy : Mbola vitsy mpanjifa

    Mbola vitsy ny mpanjifa ny asa Tanana vita eto an-toerana manoloana ireo avy any ivelany. Raha nanontaniana ireo olona sasany dia ilay teny hoe "Vita Gasy" io mihitsy no mahamenatra azy ireo ary anisan’izany ihany koa ny atsaran'ny asa. Raha ny hevitr’ireo mpanjinjara ny vita Malagasy indray anefa dia ny mifanohitra amin’izany satria tsara ary tsy mena-mitaha amin’ireo avy any ivelany ny asa Vita Malagasy, ary ny vahiny indray aza no tena manafatra azy ireo.Mahagaga?
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 10:28
    • Tahirin-tsary Sobika

    Bakalôrea teknika : Mpiadina miisa 9.604 manerana ny Nosy

    Mpiadina voasoratra anarana miisa 9.604 no miatrika ny andiany faharoa amin’ny fanadinana bakalôrea teknika manerana ny Nosy. Miadina ao Mahajanga ny 451 amin’ireo, saingy tsy tonga niatrika fanadinana ny 4 tamin’ireo io maraina io. 19 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina ao Mahajanga, mpianatra ao amin’ny lisea teknika ary 29 taona ny zokiny indrindra, mpiofana ho mpampianatra amina sekoly tsy miankina.Amin’ny 11 aogositra vao hifarana ity fanadinana ity.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 août 2016 16:37
    • Sary Sobika Mahajanga

    Big Sôma Village III : Raikitra ny lanonana

    Nanomboka androany aty Mahajanga ny fifianinana ara-panatanjatena miharo kolontsaina, Big Sôma Village andiany fahatelo. Nosokafana tamin’ny alalan’ny karnavaly, izay nandraisan'ireo Fokontany miisa 26 aty Mahajanga, ny hetsika. Mpanakanto maro no hanafana ny lanonana mandritra ny herinandro.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 août 2016 11:06
    • Sary Sobika Sambava

    BEPC Sambava : Nihena ho 10,45% ny taham-pahafahana

    Nivoaka ny sabotsy 6 aogositra tamin’ny 11ora ny voka-panadinana BEPC tato amin’ny Cisco Sambava. Ratsy ny vokatra amin’ny ankapobeny, 10,45% ny taham-pahafahana fanadinana raha 14% izany tamin’ny taon-dasa. Naneho fialantsiny ny lehiben’ny foibem-panadinana Joseph Gabriel noho ny fahataran’ny fivoahan’ny voka-panadinana satria Sambava no tena betsaka mpiadina nefa ny isan’ireo mpitsara dia tena voafetra, nanampy trotraka izany ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra tokony hitsara ny taratasim-panadinana ka telo andro taty afaran’ny fotoana tokony nanombohan’ny fitsarana izay vao nanomboka ny asa.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 août 2016 14:50
    • Sary Nomena

    Kirakira ny zava-misy : Tsikafona navadika ho poketra sy kapa

    Nifarana omaly ny fiofanana momba ny fanodinana ny zava-maniry tsikafona ho lasa zavatra azo hitadiavam-bola. Tetikasa niarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny masoivohon’i Indonezia namolavola izy ity, ho fanampiana ny mponina amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolany. Natomboka tao amin’ny Fokontany Ankasina ny fampiofanana, ka santionan’ny zavatra vitan’ireo mpiofana tamin’izany ny poketra, harona, eny hatramin’ny kapa ihany koa aza.
    Lire la suite ...
Page 364 sur 437