Tselatra

    • mercredi, 02 mars 2016 11:13
    • Photo: Sobika Farafangana

    Farafangana : Rava maina ny fivorian’ny mpanolotsaina

    Anatin’ny fivoriana ny mpanolotsain’ny Kaominina ambonivohitr’i Farafangana, hatry ny alatsinainy teo. Rava maina ny fivoriana androany. Misy ireo mpanolotsaina te hanao tan-droa ; efa voatendry hisahana andraikitra hafa ao amin’ny Kaominina izy ireo, miisa telo, nefa tsy mahafoy ny toerany ao amin’ny Filankevitry ny tanàna. Manararaotra ny tsy mbola namoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ny fahabangan-toerana ao amin’ny Filankevitry ny tanàna izy ireo ka mikiry. Vokatr’io dia isan’ireo mpifidy vaventy afaka nandatsa-bato tamin’ny fifidianana Loholona izy telo ireo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 mars 2016 07:52
    • Photo: fournie

    Ambohitsorohitra : Nizara milina fanjairana 42

    Nanolotra milina fanjairana ho an’ireo mpanao zaitra an-tsena eny Ambodinisotry sy Andravoahangy Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filohan’ny Repoblika omaly. Miisa 42, miandahy miambavy, ireo misitraka ity fanampiana ara-pitaovana ity ka 25 miasa eny Ambodinisotry ary 15 eny Andravoahangy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy, 8 marsa, ity hetsika ity.
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 février 2016 12:01
    • Photo: Sobika

    Sekolim-bahoaka : Tsara petrapetraka ny EPP Andamoty

    Irony sekolim-bahoaka na « école communautaire » ireo ny sekoly tao Andamoty ao Sambava tamin’ny nisokafany ny taom-pianarana 2014-2015, ary nampanantenaina hatao EPP mba hahafahan’ny Fanjakana manampy azy. Nanasa tanana indray anefa ity farany ka dia tsara petrapetraka teo ny EPP Andamoty. Any Ambodisatrana 1, any amin’ny 3km miala ao Andamoty indray vao misy EPP akaiky, raha toa ka mikatona ity sekoly ity.
    Lire la suite ...
  • Tetezan'i Bekatsaka
    Tetezan'i Bekatsaka
    • samedi, 27 février 2016 21:03
    • Sary Sobika

    RN44 : Namboarina vonjimaika ny tetezan'i Bekatsaka

    Raha mbola tsy hita soritra ny fandraisana andraikitra ataon’ny ministeran’ny Asa vaventy taorian'ny fahasimbana ny alin'ny 18 febroary 2016 dia namboarin’ny Fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro vonjimaika ny tetezan-kazo ao Bekatsaka. Miahiahy lava arak’izany ny mpitatitra sao vetivety dia ho simba indray ilay tetezana noho ireo fiara vaventy mitatitra kraoma amin’iny RN 44 iny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 février 2016 18:23

    Sendikalisma

    Fankalazana ny faha 80 taonan'ny Sendikalisma eto Madagasikara, ny sabotsy 27 febroary ao amin'ny Kianja mitafo Mahamasina manomboka amin'ny 1 ora tolak'andro. Hafanain'ny mpanakanto maro samihafa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2016 16:34
    • Sary Sobika Antsirabe

    Sekoly ambony Tombontsoa-Antsirabe : Namoaka teknisianina ambony 54

    Teknisianina ambony niisa 54, amin’ny andiany SANDRATRA indray no navoakan’ny sekoly ambony IPSATA-Tombontsoa ny alakamisy 25 Febroary 2016. Nianatra momba ny “Agronomia” nandritra ny 3 taona izy ireo ary nahazo mari-pahaizana nankatoavin’ny fanjakana ary afaka miatrika asa avy hatrany. Tombony ho an’ireto mpianatra ireto, izay andiany faharoa navoakan’ny sekoly Tombontsoa Antsirabe, dia ny traikefa satria feno ny fampiharana nandritra izay telo taona niofanany izay, raha ny nambaran’ny Talen’ny sekoly, ny Dr Rasoloson Hajanirina. Na izany aza dia mbola afaka manohy fianarana amin’ny toeran-kafa ireto mpianatra navoaka ireto satria efa rafitra LMD no nanofanana azy ireo.
    Lire la suite ...
  • Photo satellite - 24 février 16h15
    Photo satellite - 24 février 16h15
    • mercredi, 24 février 2016 16:33
    • Sary Sat24

    Toetr'andro: Fampitandremana amin'ny mety habetsahan’ny ROTSAK'ORANA

    Anio, dia manamafy ny ‪fampitandremana‬ ny ao amin'ny famatarana ny toetr'andro mba ahafahan'ny tsirairay mandray ny andraikitra tandrify azy avy: ahiana ho betsaka ny rotsakorana ny 24 sy 25 febroary,indrindra manerana ny afovoan'ny antsinana iny.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 février 2016 13:24
    • Photo: madagascar-tribune.com

    Famerenana ny fifidianana ny Birao maharitry ny Loholona

    Lany tamin'ny tsangan-tanana i Honoré Rakotomanana ho filohan'ny Loholona.Marihina moa fa ireo efa birao teo aloha natao tsangan-tanana ny fanamafisana azy, ireo birao fanampiny kosa natao latsabato miafina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 février 2016 08:36
    • Photo: Sobika Antsohihy

    Antsohihy : Tsy nisy fiovana ny vidim-bary

    Raha ny fahavaratra na amin’ny andro asara avy orana no fiakaran’ny vidim-bary dia tsy niakatra izany tamin’ity fahavaratra ity satria 1 gony 60 kg na 200 kapoaka dia 60 000 Ariary ka hatramin’ny 66 000 Ariary, ary ny iray kapoaka dia 300 Ariary ka hatramin’ny 350 Ariary any Antsohihy. Manala fahasahiranana ny vahoaka madinika izay mpividy vary vao homana isan'andro ny zava-misy, satria izy ireo dia tsy mba afaka manao tahiry amin’ny gony any an-trano noho ny fahasahiranana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2016 22:38
    • Sary Njaka

    Fiaraha-miasa sy fiaraha-midinika eo amin'ny Institut Ravinala sy ireo mpiasa amin'ny onjam-peo

    Tafiditra ao anatin'ny andro maneran-tany ho an'ny RADIO ny andro androany izay nisian'ny ady hevitra maro mahakasika ny asan'ny Radio, izany dia notontosaina tetsy amin'ny Institut RAVINALA Andavamamba, tonga nanotrona teny ny filoha tale jeneralin'ny Radio RDJ (Jay Tax) sy ireo solontena sasany avy ao amin'ny onjam-peo maro samihafa.
    Lire la suite ...
Page 342 sur 381