Tselatra

    • mardi, 07 juin 2016 23:07

    Ambato-Boeny : Tovolohay hijery “video” maty voakapa famaky

    Handeha hijery “video” ity tovolahy iray 25 taona ity ny sabotsy 4 jona teo no nisy niantso tampoka tamin’ny finday ka niverina namonjy io olona niantso azy io. Taoriana io dia tsy hita popoka izy. Ny aladahy maraina vao hitan’ny olona ny vata mangatsikany. Nahitana diam-pamaky maro teo amin'ny faritry ny lohany ary potika ny tarehiny. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny zandary aty an-toerana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 juin 2016 14:49
    • Photo: Sobika Ambatondrazaka

    Lalana nataon'ny orinasa Ambatovy : Mitaky ny mangarahara ny vahoakan'Ambatondrazaka

    Mifarana ny fanamboaran-dalana ao Ambatondrazaka. Ratsy kalitao sy tsy mifanaraka amin'ny voalazan'ny filoham-pirenena ny zavatra vita. Mipetraka ny fanontaniana, ny Filoha ve no mandainga sa ry zareo Ambatovy no be bizina? Ny tena mahagaga ny rehetra dia teo amin'ilay vato fehizoro izay nataon'ny filoha no toa tsy norarahina. Raha nametrahana fanontaniana ry zareo Ambatovy dia nandrirarira fotsiny. Mihodikodina fotsiny ny valin-teny nomen'izy ireo ka fanina hatramin'ny mpitondra any an-toerana. Andrasana arak'izany ny hivoahan'ny marina mahakasika ny fanamboaran-dalana aty Ambatondrazaka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 juin 2016 14:49
    • Photo: Sobika Ambatondrazaka

    Kaominina Atsangasanga : Misedra olana amin'ny famokarana

    Kaominina tokony hanana ny hoaviny eo amin'ny sehatry fampandrosoana ny kaominina ambanivohitry Atsangasanga saingy olana ny fahasimban'ny fotodrafitr'asa ara-pambolena ao aminy. Noho izay dia potiky ny ranon'Ilakana isan-taona ny fambolem-bary any an-toerana. Vonjy tavanandro foana hatreto ny fandraisana andraikitra izay atao. Mitaky vahaolana maharitra ankehitriny ny tantsaha any an-toerana araka ny filazan'ny ben'ny tanàna Rabemanotrona. Samy mibaby fatiantoka ny tantsaha sy ny kaominina noho io olan'ny foto-drafitrasam-pamokarana any an-toerana io. Antenaina fa hitady vahaolana ny fitondram-panjakana raha tena mikatsaka ny fampandrosoana marina.
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 juin 2016 22:48
    • Sary Sobika Toamasina

    Ambodibonara RN2 : Fiarabe nivadika

    Nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faha-2 tao Ambodibonara, Distrikan’i Toamasina II omaly alahady 5 jona tolakandro. Soa fa tsy namono olona fa ny fiarabe nibaby kaontenera no simba. Voalazan'ny mpamily fa vao fanintelony haka entana ao Toamasina ity fiarabe entiny ity no izao niharan-doza izao. Milaza kosa ireo mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faha-2 fa betsaka ny tsy fifanajana amin'ny samy mpamily ka izao mitera-doza lava izao, satria kamiao maty an-dalana tsy nanao "polisy" na marika ahalalana ny fahavoazany tao anaty fiholanana no nitarika ny loza raha niezaka niala izany ilay fiarabe.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 juin 2016 17:41

    Toliara: Radio vaovao

    Hisokatra tsy ho ela ny radio vaovao "Tseriky nareo laha" ao antampo-tanànan'ny Toliara. Efa tonga avokoa ny fitaovana, izay radio n'ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Serasera Guy Laurent Ramanakamonjy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 juin 2016 15:00
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Misantatra ny Fetim-pirenena

    Niatomboka androany 03 jona ny hetsika rehetra ahafahana manamarika ny fetim-pirenena izay eo ambany fitarihan'ny prefektioran’i Mahajanga sy ny Fiadidiana ny faritra Boeny. Nisy ny diabe namakivaky ny tanàna nandraisan'ireo mpiasa avy amin'ny sampan-draharahampanjakana anjara, natao androany ary nifarana manoloana ny Lapan'ny tanàna.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 juin 2016 12:18
    • Photo: Sobika

    SAVA: Diso fiantefa ny lay misy ody moka nozaraina

    Mbola maro ny olona tsy mahalala ny tokony hampiasana ireny lay misy ody moka izay nandanian'ireny mpamatsy vola mba hiarovana ny vahoaka Malagasy amin'ny aretina tazomoka. Any amin’ny faritra SAVA izao dia ampiasain’ny olona amin'ny zaridaina ary hanaratoana ihany koa ny ankamaroan'ireny lay misy ody moka vao nozaraina farany teo ireny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juin 2016 18:18
    • Sary Sobika

    Befandriana Atsimo: Velona ahiahy ny mponina amin'ny firongatry ny valala

    Taorian'ny fandalovan'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Befandriana Atsimo, raha nitokana ny tetezana izay fotodrafitrasa tamin'ny Filoha Andry Rajoelina no nikarakara azy, dia feno andiambalala tampoka ny tanàna. Lasa resabe eo anivon'ny mponina izany, ka misy ny manontany tena raha nisy ota fady nataon'ireo vahiny. Misy kosa no miresaka fa ny Ray aman-dreny tao an-tanàna, toa an'ny Solombavambahoaka Lucien Rakotomalala tsy neken'ny Filoha andray fitenenana satria hoe Mapar, no mahatonga izany. Izany moa resaka mampiahiahy ny mponina, fa hatreto dia tsy mbola misy paika mazava avy amin'ny fanjakana ity ady amin'ny valala any atsimo ity. Maro aza ny tsy mandray karama sy tsy misy fanafodim-balala intsony ireo sampandraharaha mikarakara izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juin 2016 11:54
    • Photo: Njaka

    Befandriana Atsimo : Dinabe ho an'ny fandriampahalemana

    Ny Dinabe izay karazana andrimasom-pokonolona no miahy ny tanàna sy ny mponina amin'izao any Befandriana Atsimo. Marihina fa ny ankabeazan'izy ireo dia dahalo niova fo avokoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juin 2016 09:55
    • Sary Njaka

    Befandriana Atsimo : Mijaly ireo mpianatra

    Toeram-pianarana tsy misy tafo no ivantanan'ireo ankizy mandrato fianarana. Ny kilasy sasany tsy misy dabilio hany ka amin'ny tany izy ireo no manoratra fa ho an'izay misy kosa dia misiska ireo ankizy samy te ahazo toerana.Ny biraon'ny tale ary moa any an-tokotany no misy azy.
    Lire la suite ...
Page 338 sur 395