Tselatra

    • jeudi, 22 décembre 2016 09:10

    Antsororoka – Antsalova : Mpanaradia omby very noheverina ho dahalo

    Nikoropaka ny Zandary sy ny Miaramila tao Antsavola ny alatsinainy 19 desambra teo, raha nahazo fampandrenesana fa misy kamiao noravain’ny andian-dahalo tao Antsororoka, 7km miala an’Antsalova amin’ny lalana mihazo an’i Maintirano. Tamin’io toerana io no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahafaty an’ilay mpanakanto vavy Rasoakininika. Taksibrosy 4x4 niverin-dalana rehefa nahita andian’olona nanakana ilay kamiao no nampilaza tao Antsalova fa misy kamiao ravain’ny dahalo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 décembre 2016 20:00
    • Sary Njaka

    Fitazonana an'i Augustin Andriamananoro: Saika raikitra ny sakoroka

    Taorian'ny filazan'ny fitsarana fa amin'ny talata 27 desambra vao hivoaka ny didim-pitsarana, ary tsy nekena ny fahafahana vonjy maika eo ampiandrasana izany didy izany, dia tsy nanaiky ireto vahoaka maro be indrindra fa ireo mponin'ny Soamahamanina, fa nitaky ny famotsorana tsy misy atak'andro an'i Augustin Andriamananoro. Navoaka aingana ireo mpitsara roa niaraka tamin'ny dossier. Tsy nijanona teo anefa izany sakoroka izany fa nitohy hatraty antokotany, ao no nanakana ny fiaraben'ny fonja nitondra an'i Augustin Andriamananoro. Tsy nisy aloha ny fampiasana hery teto fa dia ny orakoraka sy ny tabataba no tsy nifandrenesana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 décembre 2016 13:02
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Mahajanga : Mpitandro ny filaminana 300 no hisahana ny filaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy Taombaovao

    Fety hieren-doza ! Izay no fanambin’ny ny mpitandro ny filaminana mialoha, mandritra ary aoriana ny Noely sy Taombaovao. Hiparitaka manerana ny tanàna sy eny ambanivohitra ireo mpitandro ny filaminana ireo mba hitandro ny fandriampahalemana. 300 mahery izy ireo no ahetsika ary mitaky ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 décembre 2016 09:54
    • Sary Njaka

    Augustin Andriamananoro : Afaka ora iray ny didim-pitsarana

    Noentina hotsaraina eny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy amin'izao fotoana izao i Augustin Andriamananoro, ka miandry izay didy hivoaka afaka adiny iray eo ho eo. Eo ampiandrasana izany isika amin'izao fotoana izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 décembre 2016 23:29
    • Tahirin-tsary Sobika

    Foloalindahy : Niampy 45 ny « Général de brigade » ary 17 ny « Général de division »

    Miraradraraka ny kintana avy eny an-dapa eny. Kolonely miisa 45 nahazo galona ho « Général de brigade », ary « Général de brigade » miisa 17 nakarina ho amin’ny grady « Général de division », ka anisan'ireo ny Jeneraly Rakotomahanina Florens. Noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra androany teny Iavoloha ireto fanendrena ireto.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 décembre 2016 20:23
    • Sary Sobika

    Tsiroanomandidy : Miaramila tanora iray lavon'ny balan'ny dahalo

    Hampandry tany no nandefasan’ny lehibeny an’i Mika tany Tsiroanomandidy. Nanenjika dahalo izy sy ny mpitandro ny filaminana namany ny atoandron’ny alarobia 14 desambra teo ary nitohy ny alina ny fifanenjehana. Dahalo roa no maty tamin’ny fifanandrinana. Namaly ny naman’ireo dahalo ka voan’ny bala teo amin’ny farahatoka sy tongotra i Mika. Nigadona tao Amparafaravola ny sabotsy 17 desambra ny vatana mangatsiakany. 22 taona izy izao nodimandry izao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 décembre 2016 20:12
    • Sary Sobika Antsirabe

    FLM Voajanahary: Mitokona ny Kristianina

    Misavorovoro ny mpino Loterana eto Voajanahary-Antsirabe, Vakinankaratra, noho ny famindran-toerana ny Pastora. Nafindra toerana mantsy ny Pastora tompon-toerana tao ka voalaza fa ny Kristianina no nangataka izany, izay lavin’izy ireto farany marindrano izany. Ny fanadihadiana no nahafataran’ny mpino fa nisy ampahan’ny biraom-piangonana no nanao ilay taratasy fangatahana ny famindran-toerana ny Pastora io ka izao vao hitan’ny Kristianina. Nambaran’izy ireo moa dia antony roa no tokony hisian’ny famindran-toerana mpitandrina dia mety ny fisian’ny disadisa ka ny mpino no mangataka ny hanesorana azy, na ilay mpitandrina no mangataka fifidran-toerana, kanefa dia tsy izany no nitranga satria dia taratasy tsy nifampierana no namindrana toerana ilay mpitandrina ao amin’izao fotoana.  
    Lire la suite ...
  • Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana
    Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana
    • lundi, 19 décembre 2016 15:51
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Krismasy sy Taombaovao : Nanome rano maimaimpoana eny ambany tanàna ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana

    Manao hetsika fanolorana rano fisotro madio maimaimpoana ho an’ny mponina amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra ireo fikambanana telo naorin'ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Orlando Robimanana dia ny BigSoma, JUNIOR ary ny MVF( Madagasikara Vina sy Fanantenana) amin’izao ankatoky ny Krismasy sy Taombaovao izao. Haharitra iray volana, ny 18 desambra 2016 ka hatramin’ny 18 janoary 2017 ny hetsika, ka mandritra io fe-potoana io dia afaka maka rano maimaimpoana ny vahoaka. Ireo fikambanan'i Orlando Robimanana kosa no mandoa ny vola vidin-drano amin’ny Fikambanana mpitantana ny Paompy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 décembre 2016 12:30
    • Sary Sobika Toamasina

    Toamasina : Tsangambato namaranana ny faha-150 taonan’ny gazety malagasy voalohany

    Fitokanana tsangambato teo amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina ny sabotsy 17 desambra no namaranana ny fankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny faha-150 taonan’ny gazety malagasy voalohany. Nandritra izany no nilazan’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) Rakotonirina Gérard fa hamoaka karatra vaovao ny OJM amin’io taona 2017 ho avy io, hanavahana ireo mpisandoka sy tena mpanao ny asa marina. Aiza ho aiza isika izao amin'izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay 150 taona lasa?  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 décembre 2016 12:21
    • Sary Sobika Mahajanga

    Club des Supporters Andry Rajoelina : Mitaky ny fampitsaharana fanagadrana sy fanenjehana ireo mpitaritolona eto amin’ny firenena

    Mitaky koa izy ireo ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo mpitaritolona tazomina am-ponja noho izy mitaky sy miaro ny tombotsoan’ny firenena ka isan’izany ny minisitra teo aloha Augustin Andriamananoro. Takian’izy ireo koa ny fanajana ny Zon’olombelona sy ny soatoavina malagasy. Toherin’izy ireo ny ramatahora ataon’ny fanjakana sy ny herisetra ary ny fanamparam-pahefana amin’ireo olon-tsotra sahy mijoro miaro ny Tanindrazana.
    Lire la suite ...
Page 336 sur 457