Tselatra

    • vendredi, 01 avril 2016 10:53
    • Photo: madonline.com

    Mahajanga : Manana iray volana ny Bajaj

    Iray volana nomen'i Soatoky Hasina, lefitra faha efatra ny Ben'ny tanàna ho an'ireo tompona Bajaj miisa 500 ara-dalàna miasa ao Mahajanga. Fampiharana ny didim-pitondrana laharana 035/16 nankatoavin’ny filankevitra monisipaly, mba handoavana ireo hetra tsy maintsy aloa sy fanavaozana ireo antotan-taratasy mifandraika amin'izany. Nanomboka ny 30 martsa teo ny iray volana ho fanentanana ireto tompona bajaj ireto, mialoha ny hampiharana ny sazy famaizana hoy hatrany ny Kaominina.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 avril 2016 10:47
    • Photo: inovaovao.com

    Mahajanga : Raharaha JK Group

    Nahemotra ho amin'ity volana aprily ity indray, raha tokony ho tamin'ny volana martsa iny, ny fanonerana ny volan'ireo olona 700 isa tsy nahazo na nahatsiaro voafitaka tamin’ny entana novidiany tao amin’ny orinasa JK Group tao aminy faritain’i Mahajanga. Tsinjaraina in-efatra mandoa ho an'ireo izay nahafeno ny antotan-taratasy rehetra eny anivon'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa miahy ireto lasibatra ireto ka nitory ny orinasa. Telo taona no nifanarahana tamin'ny fitsarana misahana ny raharaha ara-barotra tao Antananarivo fa hanonerana izay vola antoka tamin’ny fanafarana ny solosaina nataon'ny JK Group.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 avril 2016 10:43
    • Photo d'Archives Net

    Distrika Mitsinjo : Tratra ny omby halatra saika hofotsiana

    Omby valo no tratran'ireo zandarimariam-pirenena tao amin'ny Fokontanin'Analalava, Distrikan'i Mitsinjo faritra Boeny ny 21 martsa lasa teo, raha ny 17 martsa no nahaverezan'ireo omby ireo. Marihina fa omby tondraka na omby tsy misy mpiarakandro ireo tratra ireo ka tsy nisy taratasy rehefa nosavaina. Olona telo no sarona, ka ny iray mpiray tsikombakomba ary ny roa kosa no voatonona fa tena mpangalatra. Saika hofotsiana tany amin'ny Fokontany Namakia ireto omby halatra ireto, raha efa natolotra ny fampanoavana kosa ireo malaso. Mbola hazonina ao amin'ny borigadin'i Mitsinjo ny omby 8 hiandrasana ny tompony na dia efa fantatra aza.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 31 mars 2016 13:39
    • Sary nomena

    Toraka grenady: Namangy ireo ankizy sy fianakaviana niaran-doza i Lylison sy Lanto Rakotomanga

    Vokatry ny hetraketraka nataon'ireo milaza fa mitandro ny filaminana ny 29 marsa teo dia tafiditra tao antranon'ireto fianakaviana sy ankizy milalao ireto ny grenady mandatsa-dranomaso natorak'ireto zandary notarihan'i lehibeny, ny Jénéraly Florens. Raiki-tahotra sy nandraiky narary ireto ankizy ireto, ary lany vola be ny Ray aman-dreny raha ny fitantaran'izy ireo tamin'i Loholona Lylison sy ny Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga raha nitsidika ireto ankizy sy fianakaviana ireto izy ireo androany maraina tetsy Antanimora. Nitondra kilalao ho an'ireto ankizy izy ireo ary nanome fanampiana ho an'ny fianakaviana sy ny Ray aman-dreny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 31 mars 2016 13:27
    • Photo: mediaconsulting.mg

    Fanafihan-jiolahy

    Nisy nanafika ny media consulting sy ny société visy gasy ary épicerie iray tetsy Ankorondrano Andranomahery omaly alina. Nitondra sabatra sy basy ireo jiolahy raha ny nambaran'ireo voatafika.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 mars 2016 09:46
    • Sary Sobika Sambava

    Antanifotsy 1- Sambava : Tany manan-tompo nidirana andian’olona vao maraina

    Nanomboka tamin'ny 6ora maraina teo dia olona maro be no nanao amboletra niditra amin'ny tany midadasika izay voatondro ho tanin'ny mpandraharaha iray atao hoe Jean Marie ao Antanifotsy 1, Sambava.Samy te hamaritra fotsiny ilay tanin'olona midadasika. Tsy vao sambany io, fa efa nitranga volana vitsy lasa izay fa nanaovan’ny solotenam-panjakana, zandary sy polisy be midina nandrava sy nandoro ireo trano kasaka kely natsangan’ireo andian’olona tao. Dia izao niverina izao indray.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 16:36
    • Photo: madagascar-tulear.com

    Toliara : Maty nianjeran'ny trano

    Ramatoa iray, 35 taona, maty tototra nianjeran’ny trano.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mars 2016 09:52

    29 marsa

    Fankalazana ny faha 69 taonan'ny tolom-panafahana 1947.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 mars 2016 22:07
    • Sary Njaka

    Alatsinain'ny Paka

    Maro ireo olona nisafidy ny hitsidika ny Rovan'ny Manjakamiadana na dia tsy misy hotsidihina firy intsony aza, milaza izy ireo fa mba tsy hisian'ny fandaniana vola be loatra sy ny olana ara-pitanterana dia nisafidy ny ho eny.
    Lire la suite ...
  • Jovenna Ambohimandamina
    Jovenna Ambohimandamina
    • samedi, 26 mars 2016 08:43
    • Sary Sobika Mahajanga

    Jovenna Ambohimandamina Mahajanga

    Nirehitra omaly ny fivarotana teo amin'ny fivarotan-dasantsy Jovenna Ambohimandamina Mahajanga. Potiky ny afo tanteraka ilay toeram-pivarotana sy fiara roa nipetraka teo ivelany.
    Lire la suite ...
Page 335 sur 380