Tselatra

    • jeudi, 11 août 2016 08:57
    • Sary Njaka

    Mihena ny fahefa-mividin'ny Malagasy: Saosisy lasa amidy antsinjarany

    Mihen-danja ny fihinanan-kena ho an’ny Malagasy amin’izao vanin’andro izao noho ny fahefa-mividy sy ny fiakaranan’ny vidin’ny hena. Efa mahatratra ho eo amin’ny valo arivo ka hatramin’ny iray alina ariary ny kilaon’ny hena amin’izao. Misy fotoanany ny fandehanan’izy ireny toy ny andro fety, fa raha ny andavan’andro dia efa tsy zakan'ny olona ny vidiny. Ny henakisoa dia andro fety ihany koa no mandeha, fa ny saosisy, raha ny filazan'i Naivo mpivarotra dia ny hariva ny olona no mividy azy satria mora masaka, sady tsy mandany saribao, no reraka avy niasa ka alimbe vao tonga an-trano. Na izany aza anefa dia fahefany, misy aza antsasaky ny fahefany no vidin'ny olona, misy singany iray monja, izay amidy 500 ariary, lasa antsinjarany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 août 2016 21:06
    • Sary Rakotobe

    AFP : Hitarika vahoaka hidina an-dalambe amin'ny 19 aogositra

    Nanome fotoana iray volana ny mpitondra fanjakana ireto mpikambana ao amin'ny hetsika Antso ho Fanavotam-Pirenena na AFP mba hametra-pialana noho ny tsy fahombiazana sy famoratana Tanindrazana. Dila izany fetr'andro izany, nefa dia “manao be marenina ireo mpitondra” hoy izy ireo, ka dia “hampiatra ny Zo fototra ny Vahoaka izay tompon'ny fahefana”, satria ny vahoaka no nampindrana fahefana ho an'ny mpitondra. Koa dia tapa-kevitra ny hitarika Vahoaka hidina an-dalambe ny AFP amin'ny zoma 19 aogositra ho avy izao, etsy amin'ny Araben'ny fahaleovantena Analakely.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 août 2016 18:49
    • Sary nomena

    Soamahamanina: Mitaky ny anafohanana ny permis ny vahoaka

    Noheverina fa nilamindratsy ny fitakiana nataon'ireto mponin'Itasy indrindra fa ny ao Soamahamanina rehefa nahanton'ny fanjakana aloha ny fitrandrahana volamena ataon'ireto Sinoa Jiuxing Mines. Ambava fotsiny manko hatreto ilay filazana hoe mihantona ny fitrandrahana, fa ny zava-misy any an-toerana dia mitohy hatrany izany fitrandrahana izany indrindra amin'ny alina. Ka dia tsy mila dinika maro ireto mponina fa dia ny fanafohanana izany permis izany mihitsy no takiany ary ny fialan'ny Sinoa eo amin'ny tanin'izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 20:06
    • Sary Njaka

    Bakalorea teknika: Mitohy amin'ity herinandro ity

    Mbola mitohy amin’ity herinandro ity ny Bakalorea teknika raha efa nifarana tamin’ny zoma lasa teo kosa ny Bakalorea ankapobeny. Hanomboka rahampitso kosa ny fitsara izany fanadinana Bakalorea ankapobeny izany izay eny amin’ny ofisin’ny Bacc Ankatso.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 16:24
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Toamasina Bakalôrea teknika : Tovovavy iray tratra nanao hosoka, voaroaka

    Tovovavy iray, mpiadina bakalôrea sokajy teknika, ao amin’ny EPP La Marne no tsikaritry ny mpiambina nanao hosoka nandritra ny adina toekarena ny maraina teo. Nalefa nody avy hatrany izy taorian’ny fanadihadiana sy fitanana an-tsoratra nataon’ny mpiandraikitra ny foibem-panadinana, ary tsy afaka nanohy fanadinana intsony. Nanomboka androany moa ny andiany faharoa amin’ny fanadinana ho an’ny mpiadina bakalôrea ao amin’ny sokajy teknika.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 15:53
    • Sary Sobika Mahajanga

    Halatra lakolosim-piangonana : Efa-dahy voasambotra tany Belobaka

    Lakolosin’ny Fiangonana Katolika ao Ankazomenavony, Kaominina Belobaka, Distrika Mahajanga II no nalain’ireo jiolahy efa-dahy ny sabotsy teo saingy nisy nahatsikaritra ka nifanenjehan’ny Fokonolona ary dia tratra. Mbola hita tany amin’iray tamin’izy ireo ny fitaovana nampiasaina tamin’ny halatra, tavoahangy misy solika fandrehitra ary ny lamba hamonosana ilay lakolosy mba tsy haneno. Avy any Bevoay no nambaran’ireto mpangalatra lakolosy ireto ho naniraka azy ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 11:07
    • Sary Njaka

    Fidiran'ny mpianatra : Miaka-bidy ireo fitaovam-pianarana

    Raha tsy mbola tapitra ny fialan-tsasatra dia efa manomboka kosa ny fisoratana anarana eo anivon'ny sekoly tsirairay. Efa manomboka miaka-bidy koa arak'izany ny fitaovan’ny mpianatra eny an-tsena. Tsy takatry ny fahefa-mividy intsony ny fisondrotan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana hoy ireo Ray aman-dreny izay nanontaniana, raha tsy hilaza afa tsy ny vidin’ny cahier sy ny boky izay ilaina any am-pianarana fotsiny. Mandany eo amin’ny iray hetsy eo ho an’ny zaza iray eny amin'ny primaire raha manodidina ny roa hetsy ho an'ireo ankizy lehibe. Mbola eo anefa ny ankanjo, sy ny fitaovana fiomanana isan-karazany, ny saram-pianarana, ka raha manana zaza 3 izany dia efa tsy araka intsony.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 11:02
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Sambava : Nidina nanara-maso ny vidin’entana ny lehiben’ny faritra SAVA

    Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana ateraky ny fisondrotry ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro (PPN). Manoloana izany dia nitety ireo toeram-pivarotana aty Sambava ny lehiben’ny Faritra SAVA, Velomaro Faustin, ny zoma teo nanadihady ny antony miteraka io sondrobidin’ny PPN io.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 10:41
    • Sary Njaka

    Asa tanana malagasy : Mbola vitsy mpanjifa

    Mbola vitsy ny mpanjifa ny asa Tanana vita eto an-toerana manoloana ireo avy any ivelany. Raha nanontaniana ireo olona sasany dia ilay teny hoe "Vita Gasy" io mihitsy no mahamenatra azy ireo ary anisan’izany ihany koa ny atsaran'ny asa. Raha ny hevitr’ireo mpanjinjara ny vita Malagasy indray anefa dia ny mifanohitra amin’izany satria tsara ary tsy mena-mitaha amin’ireo avy any ivelany ny asa Vita Malagasy, ary ny vahiny indray aza no tena manafatra azy ireo.Mahagaga?
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 août 2016 10:28
    • Tahirin-tsary Sobika

    Bakalôrea teknika : Mpiadina miisa 9.604 manerana ny Nosy

    Mpiadina voasoratra anarana miisa 9.604 no miatrika ny andiany faharoa amin’ny fanadinana bakalôrea teknika manerana ny Nosy. Miadina ao Mahajanga ny 451 amin’ireo, saingy tsy tonga niatrika fanadinana ny 4 tamin’ireo io maraina io. 19 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina ao Mahajanga, mpianatra ao amin’ny lisea teknika ary 29 taona ny zokiny indrindra, mpiofana ho mpampianatra amina sekoly tsy miankina.Amin’ny 11 aogositra vao hifarana ity fanadinana ity.
    Lire la suite ...
Page 333 sur 406