Tselatra

    • dimanche, 30 octobre 2016 11:30
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Ankaramena – Ivohibe : Andian-dahalo 400 nangalatra omby sy nandoro tanàna

    Notafihin’ny dahalo io maraina io tao amin’ny Fonkotany Antanandava Kaominina Ankaramena Distrika Ivohibe Faritra Ihorombe. Dahalo efa mahatratra 400 any ho any no nanafika ary dia misy andiam-behivavy maromaro niaraka tamin’izy ireo. Lasan'ny daholo avokoa ny ombin’ny Fokonolona tao an-tanàna efa aman’arivony. Nodoran’ny dahalo tao anatin’izany ihany koa ny trano. Niverin-dalana ny mpanaradia satria maro loatra ireo daholo. Tsy nisy ny aina nafoy.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 29 octobre 2016 18:08

    Lisea teknika Toamasina : Nahazo trano fanazarana dimy namboarin’Ambatovy

    Notokanana androany ny foto-drafitrasa. Tamin’ny 1907 no niorina ny Lisea teknika Toamasina. 11 ny provizera nifandimby tao.  Robson Noeline Louise Ralaimazava no amperinasa, izy ihany koa no vehivavy voalohany provizera ao, tamin’ny Lisea teknika Toamasina.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 29 octobre 2016 17:40
    • Sary Sobika Sambava

    Zaza menavava narian-dreniny teto Sambava : Hamoaka didy ny Fitsarana amin’ny alatsinainy

    Ny alatsinainy 31 oktobra izao no hamoaka « ordonnance » ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha hanome alalana izay olona afaka mandray ilay zaza vavikely, telo volana eo, narian-dreniny teto Sambava ny 26 oktobra 2016 teo. Hoesorina amin’ilay reny mitaiza azy amin’izao io zaza io na dia nilaza aza izy fa vonona ny handray azy. Antony rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa efa maro anaka io renim-pianakaviana nanana fandavantena io ary mbola zaza minono, dimy volana ny zanany farany, koa sarotra ny hahazoana antoka fa ho tsara karakara ilay vavikely narian-dreniny. Hatramin’izao tsy hita popoka ilay vehivavy nanary zanaka io.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 14:01
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Vakinankaratra : Nahemotra indray ny fifidianana Filoham-pokontany

    Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fifidianana Filoham-pokontany sy ny lefiny ao Vakinankaratra raha tokony hotanterahina ny alahady 06 novambra 2016 araka ny didim-pitondrana efa navoakan’ny Prefektiora.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 13:39
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Mandalahy – Fianarantsoa : Miaramila 107 naseho ambany faneva

    Notanterahina androany tao amin'ny Toby Mandalahy, Kaominina Tsarafidy ny lanonana ara-miaramila notarihin'ny lehiben'ny faritany miaramila faha-2, nametrahana ambany faneva tanora 107 andiany 2016/1 rehefa niofana nanomboka tamin'ny 18 jolay 2016 ka nifarana androany. Avy ao amin’ny 1/ RM2 ny 59, ary avy ao amin’ny SEMIPI ny 48. Mbola hanao fanompoam-pirenena mandritra ny roa taona izy ireo. (Sary Sobika Fianarantsoa)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 07:16
    • Tahiri-tsary Sobika

    Soarano : Varavarana misokatra hataon’ny Madagascar Oil

    Tanterahina anio zoma 28 oktobra eo amin’ny Café de la Gare Soarano ny varavarana misokatra karakarain’ny orinasa Madagascar Oil, izay mitrandraka ny solika mavesatra ao Tsimiroro. Fotoana io hahafantaran’ny mpitsidika bebe kokoa manodidina ny famokarana ao Tsimiroro, sy ny sehatra azo ampiasana ny solika mavesatra vokatra ao.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 06:33
    • Sary nomena

    Anosivavaka-Ambohimanarina : Hotokanana anio ny tobin’ny mpamonjy voina

    Sampan’ny ao Tsaralalana izy ity, efa nisy ela fa nasiam-panavaozana ny foto-drafitrasa dia izao hotokanana izao.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 06:27
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    PMU : Filaharam-be teto Fianarantsoa

    Nananika ny 3,3 miliara ny tontona tamin’ny hazakazan-tsoavalin'ny PMU omaly alakamisy 27 oktobra. Maro no nitsapa vintana sao mba mitsiky aminy, ka nilahatra nividy tapakila tamin’ireo toeram-pivarotana PMU teto Fianarantsoa.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 06:15

    Fisorohana ny vohoka aloha loatra : Nanao fanentanana teto Mahajanga ny PSI Madagascar

    Mitety faritra ny PSI manentana ny tanora hisoroka ny vohoka aloha loatra sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ka anjaran’i Mahajanga omaly alakamisy 27 oktobra. Nisy koa ny fizarana kapaoty maimaimpoana ho an’ireo tanora. Haharitra roa andro ny hetsika.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 octobre 2016 05:40
    • Sary Sobika

    Tolagnaro : Trano telo levon’ny afo

    Ny alarobia tamin'ny 8ora alina no nitrangan’ity haintrano ity tao Esokake. Labozia nirehitra nefa nilaozan’ny tovolahy iray, efa varimbarian’ny toaka, tao an-trano no nitarika ny loza. Ny Fokonolona no nifanome tanana namono ny afo, mandrampahatonga ny fiaran'ny mpamonjy voina. Trano telo no indray kilan’ny afo, niaraka tamin’ny entana sy ny tahirin-tsakafo tao anatiny. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.  
    Lire la suite ...
Page 320 sur 424