Tselatra

    • mercredi, 23 mars 2016 14:10
    • Photo: Sobika

    Erica: Mety ho avotra ny masony ilany

    Vita soamantsara ny fandidiana ny mason'i Erica, salama tsara izy hoy ireo mpitsabo azy, saingy ny masony ilany havia no voavonjy ka tokony mbola ahita, fa ny havanana no afaka tanteraka tao anaty maso ka tsy hita ny nasiandrainy azy. Naneho fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy azy ny renin'i Erica kely, nisaotra ny mpitsabo sy ny fitondram-panjakana ihany koa izy.Ny rain'ilay zaza nanala ny mason-janany vao 4 taona tamin'ny alahady teo moa dia nahiditra eny Tsiafahy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mars 2016 12:49
    • Photo: Sobika Manakara

    Manakara : Jerem-potsiny ilay tetezam-by nirodana

    Tsy misy fanantenana amin'ny ahavitan'ity tetezam-by goavam-be eto Manakara ity intsony ny mponina amin'ny mety halafon'ny tetimbidin'izany. Etsy andaniny dia efa nanao tetezana vonjimaika mety haharitra ao amin'ny Port Manakara ny tompon'andraikitra ka io no miasa amin'izao fotoana rehefa hiampita ho any Manakarabe. 100 Ariary kosa ny fiampitan'ny mponina amin'ny lakana eo ambanin'ny tetezam-by teo aloha. Efa nisy ihany moa fanamboarana lalana ho an'ny mpandeha tongotra teo amin'io tetezana io fa rehefa tapaka ihany koa ilay ilany atsinanana dia vola very ihany ary tsy miasa intsony koa.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mars 2016 11:49
    • Photo: Njaka

    Ambodin'Isotry : Lasa fivarotana hatreny an'elakelantrano

    Mihamaro ireo tonta kely sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra Ambodin'Isotry iny noho ireo mpivarotra friperie mitobaka hatreny amin'ny elakelatrano falehan’ny olona. Tsy afa-mankaiza anefa ireo mpivarotra efa maherin’ny dimampolo eo ho eo noho ny tsy fisian'ny asa ka mivelona amin'ny varotra. Amin’izao vaninandro fety izao anefa no manjaka tanteraka ireo mpanao asa ratsy, koa mila mitandrina ireo mpiantsena.
    Lire la suite ...
  • Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista
    Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista
    • mardi, 22 mars 2016 22:40
    • Sary Sobika Sambava

    Finoana : Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista

    Tafika Masina lehibe no ataon’ireo Tanora Adventista miisa 210 avy any Antalaha sy Sambava. Milasy any Masovariaka Kaominina ambanivohitra Farahalana izy ireo nanomboka androany ary haharitra herinandro. Ny Chef Zèbre izay mifehy ny Tanora Adventista ato amin’ny District Sambava sy Antalaha no mitarika ny lasy. Tafiditra ao anatin'ny tetik’asa ny hanorenana Fiangonana amin’ity vohitra ity rehefa mirava amin’ny 27 marsa 2016. Ny lohahevitra hofakafakaina mandritra izany dia ny hoe : « Inona no Marina ? ».
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 mars 2016 09:15
    • Sary Sobika

    Behoririka : Lalana tapaka

    Tapaka noho ny asa fanamboarana ny lalana etsy Behoririka. Tsy afaka midina eo amin'ny lalana ranomaimbo ny fiara fa miodina any Tsiazotafo. Vao tamin'ny 7ora sy sasany maraina dia efa nitohana ny fifamoivoizana.  Maro be ireo mpiasa no tara noho ny fitohanana ary nanambara ireo mpitatitra fa tsy nisy ny fampilazana mialoha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 mars 2016 16:38
    • Photo: Illustration Net

    Toliara : Ankizivavy 11 taona tratra nangalatra henan’omby

    Tendrom-po tsy mba namana. Ankizivavy vao 11 taona no naratra mafy ny alahady nisandratr’andro teo tany Toliara, nodarohana mpivaron-kena. Voalaza fa nangalatra henan’omby namidin’ity lehilahy ity ilay tovovavy kely sy ny zandriny. Tezitra ilay mpivaron-kena ka nakapony tamin’ny takalana fivarotany ny lohan’ilay zaza ka niboba rà sady nivonto ny tapikandriny. 
    Lire la suite ...
  • Anjoma Ramartine
    Anjoma Ramartine
    • dimanche, 20 mars 2016 13:35
    • Sary FB

    RN34 : Tapaka

    Tapaka tanteraka Anjoma andramartine, RN 34 mampitohy an'Antsirabe sy Morondava. 
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 mars 2016 16:20
    • Photo: Njaka

    Fitoriana haino aman-jery tsy miankina

    Nahemotra amin'ny faha 15 ny volana Aprily ho avy izao ny raharaham-pitsarana noho ny antony tsy fahampian'ny porofo.  Nilaza araka izany ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety fa maro no tsy faly amin'ny famoahana vaovao marina, ka dia ilaina ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety toy izao, izay tonga nanotrona ny fitsarana teny Anosy io maraina io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 mars 2016 22:11
    • Photo: Illustration Net

    Ifaty Toliara : Fiaraben’ny orinasa mpanamboatra lalana namono olona telo

    Mpitaingina sarety telo mirahalahy avy any Benetse saika handeha hivarotra kisoa vao maraimbe ao Toliara no maty tsy tra-drano nohitsahin’ny kamiao mpitatitra fasika an’ny orinasa sinoa izay misahana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9, androany maraina tokony ho tamin’ny roa ora, tao an-tanànan’i Tsivonoe, Fokontany Ifaty, Kaominina Belalanda, Distrikan’i Toliara II.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 mars 2016 15:40
    • Photo: Sobika Sambava

    Loza : Ankizivavy roa natelin’ny reniranon’i Bemarivo

    Ankizivavy roa samy manodidina eo amin’ny 7 taona eo no natelin’ny reniranon’i Bemarivo tao Nosiarina distrikan'ny Sambava, ny alarobia tokony tamin’ny 2ora tolak’andro. Zanaka talen-tsekoly tsy miankiana ny iray, ny faharoa kosa zanaka mpampianatra vao nahazo famindran-toerana iray volana nahatongavana avy tany Antsiranana.Handeha haka voasary izay manamorona ity renirano ity izy ireo, tamin’io fotoana io. Talohan’ny hiverenana hody dia nandeha nandro aloha ka nisaika tao anaty rano, dia izao tra-doza izao.
    Lire la suite ...
Page 309 sur 353