Tselatra

    • jeudi, 08 août 2019 20:13

    Mpanohitra: Hivory voalohany

    Hiatrika ny fivoriam-beny voalohany ny mpanohitra ara-politika eto Madagasikara. Ny antoko politika rehetra vonona hifanome tanana amin'ny fanarenam-pirenena no voalaza fa hifamotoana amin’io, ao amin'ny Hôtel Carlton Anosy - Antananarivo ny sabotsy 10 aogositra 2019.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 20:07

    Ambilobe: Hiverina amin’ny laoniny rahampitso ny famatsiana solika

    Nisy fikorontanana ny famatsiana solika teto amin’ny tanànan’Ambilobe, miainga avy ao amin’ny tobin-tsolika Antsiranana, tato anatin’ny roa andro izay. Fanjifana solika mihoapampana miampy ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-6 no antony raha ny fanazavan’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures). Nampahafantatra tao amin’ny pejiny facbook ity ofisin’ny akoranafo ity androany fa hiverina amin’ny laoniny manomboka rahampitso zoma 9 aogositra 2019 ny famatsiana solika eto Ambilobe.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 11:59

    Ikongo

    Voatendry ho Lehiben’ny Distrika Rtoa Soavatsara Audrey Julie  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 11:46

    Fifamoivoizana anabakabaka

    Voatendry ho Tale Jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) Atoa Rabemanantsoa Tovo  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 11:45

    Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga

    Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga (ENEM): Voatendry ho Tale ny Capitaine de Frégate Rekoria Manantsampa Mitondrarivo  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 19:54
    • Sary nindramina

    Fitsidihana ataon'i Papa Fransoa: 10 000 ireo Mpitandro ny filaminana hahetsika

    Nandray fepetra manokana ny fanjakana sy ny komity mpandrindra ny fitsidihana ataon’i Papa Ray Masina Katolika eto Madagasikara, ny 6 ka hatran’ny 10 septambra 2019. Mpitandro ny filaminana manodidina ny 10 000 isa eo no hisahana ny fandriampahalemana mandritry ny diany eto Madagasikara sy manerana an'ireo lalam-pirenena hizoran'ireo mpino rehetra hihazo an'Antananarivo. Hiasa ihany koa ireo fitaovana toy ny Helikoptera sy ireo fiara hanampy tosika ireo Mpitandro ny filaminana an-tanety.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 13:14

    Fanabeazam-pirenena: Hamoaka tetiandrom-pampianarana vaovao ny Ministera

    Nilaza Rtoa Volahaingo Marie Thérèse, Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak'asa, fa hivoaka amin'ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana ho an'ny taom-pianarana 2019-2020. Hanomboka ny volana oktobra 2019 ny taom-pianarana raha ny fanazavany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 août 2019 21:06

    Avion taxi-brousse Antalaha

    Akory, mbola tsy matoky hoe taxi-brousse tsy misy seza ity avion mitondra la vanille Antalaha ty?  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 août 2019 09:35
    • Sary nomena

    Antsiranana mila vôla

    Bizinesy mandeha mahitsy, allô fo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 21:48
    • Sary nindramina

    Lalam-pirenena faha-9: Voasambotra ireo mpanao barazy tsy ara-dalana

    Voasambotry ny Zandary ireo mpanao barazy tsy ara-dalana mitaky vola an-keriny an'ireo mpitatitra sy mpizahatany ary ny mpitaridia mampiasa ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’i Morondava-Belo sur Mer-Manja. Miisa 27 ny sakana amin'ny RN9 izay andoavana 2 000 Ariary ka hatramin'ny 10 000 Ariary isaky ny fiara sy isaky ny sakana, raha tsy izany dia tsy sokafan’ireo andian’olona manao barazy ireo ny lalana. Dimy lahy no tratra ambodiomby ka nosamborina, tafaporitsaka ny naman’izy ireo. Nifarimbona tamin’izao hetsika izao ny Ofisin’ny fizahantany sy ny foibem-paritry ny fizahantany Menabe ary ny Zandarimariam-pirenena taoriany fihaonan’ny OMC. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 457