Tselatra

    • mercredi, 21 septembre 2016 10:01

    Toliara : Ramatoa iray nitondra môtô naratra mafy nofaohan’ny fiara

    Vehivavy iray manodidina ny 40 taona no vaky loha sy tapa-tongotra, ary tsy mbola mahatsiaro tena tratry ny lozam-pifamoivoizana, ny alatsinainy teo, tany amin’ny distrikan’i Toliara II, tamin’ny lalam-pirenena fahasivy. Araka ny vaovao voaray dia nofaohana fiara tao anaty fiolanana ny môtô nentiny ka potika tanteraka vokatry ny fandehanana mafy. Noho ny fahavitan’ny RN 9 dia maro amin’ireo mpampiasa an’ity lalam-pirenena ity no halaim-panahy amin’ny hafainganam-pandeha, na ny kodiaran-droa io na ireo fiara ka matetika mitera-doza noho ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 septembre 2016 09:01
    • Tahiritsary Sobika

    Hafari Malagasy: Naverina eny Antanimora ny filohany

    Nandalo teny amin'ny fitsarana Anosy omaly ny raharaha nitoriana an'i Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA filohan'ny Hafari Malagasy. Naverin'ny mpitsara eny Antanimora aloha i Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA noho ny fangatahin'ireo mpitory azy fanemorana, ka amin'ny 18 oktobra ho avy izao indray no hiverina eny amin'ny fitsarana izy. Mbola maro moa ny fitoriana miandry azy ankoatry ny efa nisy teo aloha.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 septembre 2016 09:00
    • Sary Sobika Sambava

    Ambilobe-Vohémar : Mampiteny ny moana ny harantsian-dalana

    Tsy misy fotoana tsy mampanahirana amin’ity lalana ity na maina na manorana. Sarotra ny famoahana vokatra any ka anisany mampidangana ny vidin-javatra aty amin'ny SAVA. Lalana eo amin'ny 162 km monja anefa Ambilobe-Vohémar. Mbola nofinofy ny hahavitany na dia tsy afaka ambavan'ny mpitondra aza rehefa mitsidika aty SAVA ny hanamboatra azy saingy fampanantenana poakaty hatrany izany hatreto.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 septembre 2016 20:36
    • Sary nomena

    Fifaninana sary momba ny ranomasina : Notolorana loka i Dadou Hirina izay nahazo voalohany

    Nandritra ny fijerena ilay horonantsary “The Last Ocean” androany tetsy amin’ny auditorium American Center, Tanjombato-Antananarivo no nanoloran'ny Mpiandraikidraharaha amerikana Stephen Enderson ny loka ho an’Atoa Dadou Hirina izay nahazo voalohany tamin’ny fifaninana sary momba ny ranomasina izay natao manerana an’i Afrika Atsinanana. Mari-pakasitrahana sy fikantsary GoPro miaraka amin’ny boky momba ny ranomasina sy fitaovana fitondra milomano no nomena azy tamin’izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 septembre 2016 12:15
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa : Hatsangana ny « Guichet de l'Orientation »

    Fantatra tao anaty atrikasa fanomanana fiaraha-miasa eo amin'ny foibem-paritra manofana arak'asa sy ny PROSPERER ho fampidirana ny tanora eo amin'ny sehatry ny fihariana fa hatsangana eto Fianarantsoa ny antsoina hoe « Guichet de l'Orientation » afaka iray volana eo ho eo. Tanora tantsaha no kendrena. Distrika dimy no voakasik'izany. Tanterahina eto Matsiatra Ambony ny 16 ka hatramin'ny 23 septambra ny atrikasa fanomanana izany.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 septembre 2016 11:31
    • Sary Sobika

    Famadihana

    Tsikaritra fa mbola betsaka ireo mamadika razana eto amintsika. Misy ihany anefa ireo efa miala amin’izany, izay efa mihamaro an'isa, noho ny fandaniam-bola na koa ny resaka finoana fotsiny ihany. Efa mamaramparana ny fotoam-pamadihana amin’izao fotoana ireo olona.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 septembre 2016 10:04

    Hetsika OurOcean 2016 : Malagasy iray hotolorana loka anio

    Homarihina anio talata 20 septambra tolakandro ao amin’ny auditorium American Center, Tanjombato-Antananarivo ny hetsika manodidina ny fiahaonambe momba ny ranomasina natao tany Washington ny 15-16 septambra 2016. Mandritra izany no hanolorana ny loka ho an’ilay Malagasy nahazo tamin’ny fifaninanana sary nokarakarain’ny Departemantam-panjakana Amerikana ho an’ny firenena aty Atsinanan’i Afrika manodidina ny hetsika OurOcean 2016. Hojerena mandritra ny lanonana ihany koa ny horonan-tsary « The Last Ocean ». Ny Masoivoho Amerikana sy ny USAID ary ny American Center no tompomarika amin’ny hetsika.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 septembre 2016 10:03
    • Tahiritsary Sobika Toliara

    Oniversite Maninday Toliara : Misy mandrahona ho faty ny mpampianatra

    Niato nanomboka omaly ny fampianarana eny amin’ny oniversite Maninday-Toliara. Mitaraina ireo mpampianatra fa manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fisian’ny olon-tsotra mibodo ny tanin’ny oniversite. Misy mpampianatra lahy iray iharan’ny fandrahonana ho faty, ka nandray fanapahan-kevitra ny tsy hampianatra mihitsy aloha mandrapaha ireo mpampianatra.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 septembre 2016 22:08
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Tapaka 13 ora ny jiro androany

    Tapaka nanomboka tamin’ny 4 maraina ny jiro teto Farafangana androany, ary tsy niverina nirehitra izany raha tsy tamin’ny 7 ora hariva. Tsy fisiana solika no voalaza fa antony, miampy ny delestazy teknika.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 septembre 2016 15:42
    • Sary Sobika Mahajanga

    Oniversite Mahajanga : Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra

    Nametrahan’ny mpianatra sakana ny vavahady miditra ny campus Ambondrona androany, tsy tafiditra ireo mpiasa sy mpampianatra ary ny filohan’ny oniversite Mahajanga, profesora Rakotoarivony Emmanuel, hamonjy fananganan-tsaina maraina. Mitaky ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny “indemnité de stage” no antony. Nanazava ny filohan’ny oniversite fa tsy miankina amin’izy ireo ny famoahana io vatsim-pianarana io fa amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony.
    Lire la suite ...
Page 297 sur 380