Tselatra

  • Fanadiovana Amboditsiry
    Fanadiovana Amboditsiry
    • dimanche, 06 décembre 2015 19:02
    • Photo: Njaka

    Asa fanadiovana

    Mitohy hatrany ny asa fanadiovana izay karakarain'ny ministeran'ny serasera sy ny fokontany ka teny amin'ny faritra Amboditsiry sy ny manodidina no nanantanterahina izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 décembre 2015 16:57
    • Photo: Njaka

    Maroantsetra : Fadintseranana

    Ny tambajotra LAMPOGNO dia manaitra ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hamerina ny sampandraharahan'ny fadintseranana ao Maroantsetra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 décembre 2015 18:49
    • Photo: NET

    Besarety - Antananarivo : Mpiandry voaendaka, lasan’ny jiolahy ny Baiboly, vola ary ny finday

    Raim-pianakaviana iray 47 taona, izay mpiandry avy nanala devoly sy nampahery marary tamin’ny alalan’ny fivavahana no nosakanana telolahy nitondra antsy maranitra lavalela raha hamonjy ny toeram-ponenany etsy Betongolo, niaraka tamin’ny vadiny. Norombahan’ireo jiolahy ny sakaosy kely nentiny misy ny Baiboliny sy ny akanjo fotsy fitondrany rehefa manao ny asa maha mpiandry ary vola 17 000 ariary niampy finday roa. Niezaka niaro ny fandrobana fananany ilay mpanompon’Andriamanitra ka notsindromin’ny iray tamin’ireo jiolahy ny antsy ny tanany. Votsotra teny amin’ity raim-pianakaviana ity ilay sakaosy, ka lasan’ireo jiolahy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 décembre 2015 12:58
    • Photo: Sobika

    Hay trano 67ha Atsimo: Manomboka ny fanadihadiana

    Tonga nijery ifotony mikasika ilay hay trano io maraina io ny polisy, ny fokontany 67ha Atsimo, ary naka ny razana izay kila tanteraka ny eo anivon'ny BMH,
    Lire la suite ...
  • Hain-trano 67Ha atsimo
    Hain-trano 67Ha atsimo
    • jeudi, 03 décembre 2015 09:57
    • Photo: Sobika

    Hay trano 67ha atsimo : Ramatoa iray no namoy ny ainy

    Tamin'ny 7ora maraina teo no nanomboka nisy setroka nivoaka ny trano ka nanaitra ny manodinina.Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina saingy noho ny fahateren'ny lalana miditra amin'ny cité dia voatery nampiasa fantson-drano lava izy ireo. Vetivety ihany dia voafehy ny afo izay voalaza fa "gaz" no niandohany, ary ramatoa iray marary eo ampandriana no tsy avotra fa namoy ny ainy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 décembre 2015 09:26
    • Photo; NET

    Mandoto : Tantsaha avy nivarotr’omby maty voadaroka, very 7 hetsy Ariary

    Avy nivarotra omby tao an-tsenan’i Mandoto ny alarobia, ka teny an-dalana hamonjy fodiana any Sarodrivotra Tsarafarafitra ireto raim-pianakaviana tantsaha roalahy no nosakanana lehilahy efatra tao akaikin’ny tanàna atao hoe : Tsaramody, tokony ho tamin’ny valo ora alina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 décembre 2015 22:18
    • Photo: Net

    Ampanihy

    Ripaka ataon’ny mponina sakafo ny sokatra ao anaty faritra arovana any Itampolo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 décembre 2015 22:15
    • Photo: Net

    Antsirabe : Misesy ny lozam-pifamoivoizana mamono olona

    Enina no namoy ny ainy tao anatin’ny dimy andro, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Saika fandehanana mafy sy tsy fitandremana no fototry ny loza. Omaly izao dia lehilahy iray 40 taona, no maty tsy tra-drano nodomin’ny moto. Naratra mafy, miady amin’ny fahafatesana ihany koa ny lehilahy iray niara-dia taminy. Naratra saingy ratra maivana kosa no hita tamin’ilay tovolahy, 20 taona, nitondra ny moto.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 décembre 2015 22:07
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Tambazotra mpisoloky iray rava

    Misoloky ho mpamongady « friperie » izy ireo, ary mitango vola aman’olona dia manjavona, ny entana tsy azon’ny mpividy. Vola 400.000 Ariary no nahavoasaringotra, ka nahatratrarana azy ireo. Telo no voasambotra, ka vehivavy bevohoka ny iray. Efa mpamerin-keloka kosa ny lehilahy iray. Eo ampelan-tanan’ny polisy izy ireo, atao fanadihadiana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 décembre 2015 14:44
    • Photo: Njaka

    Tsena : Mihamaro ny voankazo

    Efa tafiditra amin'ny vanimpotoanan'ny orana isika izao, mitobaka araka izany ny voankazo izay azo jifaina eny antsena. Hita ao ny mora vidy, ary misy ihany koa ny mbola lafo, toy ny litchi.
    Lire la suite ...
Page 278 sur 300