Tselatra

    • jeudi, 02 juin 2016 11:54
    • Photo: Njaka

    Befandriana Atsimo : Dinabe ho an'ny fandriampahalemana

    Ny Dinabe izay karazana andrimasom-pokonolona no miahy ny tanàna sy ny mponina amin'izao any Befandriana Atsimo. Marihina fa ny ankabeazan'izy ireo dia dahalo niova fo avokoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 juin 2016 09:55
    • Sary Njaka

    Befandriana Atsimo : Mijaly ireo mpianatra

    Toeram-pianarana tsy misy tafo no ivantanan'ireo ankizy mandrato fianarana. Ny kilasy sasany tsy misy dabilio hany ka amin'ny tany izy ireo no manoratra fa ho an'izay misy kosa dia misiska ireo ankizy samy te ahazo toerana.Ny biraon'ny tale ary moa any an-tokotany no misy azy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juin 2016 23:16
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Niavaka ny fankazalana ny andro tsy ifohana sigara

    Nankalaza tamin’ny fomba niavaka ny Andro iraisam-pirenena tsy ifohana sigara isaky ny 31 mey, ny tao Sambava, izay natomboka tamin’ny filaharam-be namakivaky tanàna. Raha tsiahivina moa dia ny 31 mey 1988 no nandray fanapahan-kevitra ny OMS na fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, fa hanokana andro iray izay mba hilazana amin’ny olona fa loza ny fifohana sigara. Ny tanora Adventista moa no nanao fihetsiketsehana ary nanao fanentanana narahina fizarana taratasy milaza fa mitovy amin'ny mamono tena izay mifikitra amin’ity sigara ity.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juin 2016 06:48

    Filoha : Ianareo mpanao politika no tokony hiala

    Namaly ireo mitaky ny fametraham-pialany ny filoha Rajaonarimampianina ka nilaza hoe, "Ianareo mpanao politika no tokony hiala, izaho anga azonareo terena. Malalaka ny fitenenana fa mifarana hatreo amin'ny fahalalahan'ny hafa ny fahalalahanareo"  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juin 2016 06:30
    • Sary Nindramina

    May ny imprimerie nationale

    Nirehitra io alina io ny imprimerie nationale eo Analakely.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mai 2016 09:07
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Mitaky ny volany ireo mpikambana ao amin'ny TIAVO

    Mitaky ny hamerenana ny volan'izy ireo, izay notahirizina ao amin'ny TIAVO ireo mpikambana ao amin'ity ivo fampindramam-bola madinika ao Farafangana ity, vola izay nihitsoka tao an-taonany maro.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mai 2016 10:38
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Alatra compteur

    Manjaka ny alatra compteur Jirama eto Sambava,nanambara ny avy amin'ny Commissariat de Police fa tafakatra any amin'ny 21 ny fitarainana avy amin'ny mpanjifa fa very ny Compteur Jirama. Miteraka resabe ihany eto Sambava ity toe-javatra ity satria tamin'ny voalohany dia efa tsy nazava tamin'ny mpanjifa ny antony namoahana ireny compteur ireny mba ho atao aty ivelan'ny trano, izao izy misy mangalatra. Dia angalana vola 10.000 Ariary indray ny mpanjifa raha te ampiditra azy indray ho ao an-trano. Mandeha aiza ireo compteur very ireo fa ny zavatra tsy azo afenina dia misy mpiasan'ny Jirama manao asa mitety ireny trano izay mbola tsy manana compteur ka te hampiditra jiro, ka raha omena 400 000 ariary na 2 millions Fmg izy dia mahita compteur fa ny dijoncteur kosa no asain'izy ireo vidina any ivelany. Mitaky ny hanabohana ny marina ny Mpanjifan'ny Jirama aty SAMBAVA.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 12:02
    • Photo: Njaka

    Ministeran'ny serasera

    Ny alarobia 25 mey teo no notanterahina teny amin'ny CEFOM Maibahoaka Talamaty ny fizarana marim-pankasitrahana ho an'ireo izay nandray anjara tamin'ny fiofanana teo anivon'ny ministeran'ny serasera. Nofaranana tamin'io ihany koa ny fiofanana ho an'ireo tale isan-ambaratongany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mai 2016 12:52

    Tezitra ireo nisava ny tranon'i Lylison

    Tonga nisava ny tranon'i Loholona Lylison ireo manampahefana, satria dia ahian'izy ireo izy no tompon'ny fanakorontanana sy ahiana anongam-panjakana. Akory anefa ny hatezeran'ireo tonga nisava, fa tsy nahita na inona na inona, nosavaina avokoa hatrany ambany fandriana, ny finday, ary rehefa novohaina ny frigidaire, na vata fampangatsiahina, dia tsy nisy sakafo na ny kely aza tao, fa dia ba kiraro tokana no hita tao anaty frigo. Tezitra mafy ity mpisava nahita fa dia nahatsapa toy ny nataon'i Loholona Lylison fanahiniana, merignolo hoy ry zareo Sofia. Tsy nisy azo nitazonana azy moa dia nody ankatezerana ireto mpisava.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 mai 2016 23:20
    • Photo d'Archives Sobika

    Feno miaramila sy polisy ary Emmoreg ny tanàna

    Feno Emmoreg miaraka amin'ny 4x4, polisy sy miaramila feno camion eny Analakely sy ny manodidina rehetra amin'izao alina izao.
    Lire la suite ...
Page 265 sur 321