Tselatra

    • lundi, 25 juillet 2016 11:35
    • Sary Sobika fampihaigoana

    Fandriana : Mampiantrano “sport scolaire”

    Tanterahina ao Fandriana mandritra ny telo andro manomboka anio ny fifaninanam-paritra amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly (sport scolaire), ho an’Amoron’i Mania. Mpifaninana maherin’ny 230 avy amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana efatra (Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana, Fandriana) no mifanintsana amin’ny taranja telo dia ny kitra, baskety ary atletisma, hifantenana izay hisolotena ny foibem-pitondram-pampianarana an’Amoron’i Mania amin’ny fifaninanana nasionaly hatao any Tolagnaro, renivohitry ny faritra Anôsy amin’ny volana septambra.
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 juillet 2016 13:37
    • Sary nomena

    Soamahamanina: Mba manala azy e

    Soamahamanina: Mba manala azy e
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 juillet 2016 22:02
    • Sary M3TV Mahajanga

    Jono nentim-paharazana : Ny sambolay nomena laharana, ny mpanjono manana karatra

    Nozaraina "plaque d'immatriculation” na laharana ny lakana sy sambolain’ireo mpanjono aty Boeny mba hampanaran-dalàna azy ireo ankoatra ny fananan’ireo mpanjono karatra maha-panjono azy. Miisa 47 izy ireo no nazaho takelaka misy ny laharan’ny sambony io ka ny ONG Delc na ny mizana maitso no nizara azy io androany. Tanjona ny hampandroso ity sehatr’asa jono ity na dia mampiasa tekinika nentim-paharazana aza izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 juillet 2016 19:23

    Mahajanga : Hifarana androany ny Fitampoha 2016

    Hofaranana anio zoma ny fankalazana ny Fitampoha 2016. Amin'ny alalan'ny rebika eny amin'ny Doany Miarinarivo no entina hanakatonana ny varavaran'ny Doany. Tsy nisy ny olana goavana nandritra ny fankalazana na teo ihany aza ny disadisa teo amin’ireo taranaka Ampanjaka.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 juillet 2016 10:45
    • Sary nindramina

    Akoho lasa fanafody moka

    Fanafody moka tena tsotra kanefa mahomby. Mpikaroka siantifika avy any Soeda sy Etopianina no nanambara fa tsy tian’ny moka mitondra tazo ny akoho sy ny fofona avoakany. Mba ho entina hamongorana ny aretina Malaria any amin’ny faritra Afrika andrefana iny izay tena mbola anjakan’ity aretina ity ary dia amporisihina ny olona hiompy akoho ao ambanin’ny fandriana fatoriana. Ny Malagasy moa dia miompy akoho ao ampisoko, na ambany tohatra, fa ity tranga iray atao ambany fandriana ity dia hafa kely.Raha moka no iadiana, sao aretina hafa no mety ho azo, ary ahoana ny fofona amin'izany?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 juillet 2016 10:08
    • Sary nindramina

    Ambalabako-Ambatondrazaka : Very ny lakolosim-piangonana

    Notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny fiangonana FJKM ao Ambalabako-Ambatondrazaka ny alin’ny talata 19 jolay. Nipoaka in-telo ny basy, voambana ry pastera mianakavy. Nandritra izany no nibatan’ireo jiolahy ny lakolosim-piangonana sy nakan’izy ireo ny findain’ny mpitandrina. Manerana ny Nosy mihitsy ity halatra lakolosim-piangonana ity. Ary lasibatra ireo Fiangonana mivondrona eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Amin’ny ankapobeny dia tsy amina tilikambo, fa mihantona amina tsanganan-kazo ny lakolosim-piangonana any ambanivolo ka mora amin’ny mpangalatra ny maka azy, toy ity tao Ambalabako ity.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 juillet 2016 20:46
    • Sary Sobika Mahajanga

    Oniversite Mahajanga : Nataon'ny Emmo-Reg fahirano ny mpianatra

    Vory vao maraina tao amin’ny Campus Ambondrona androany ireo mpianatry ny Oniversite Mahajanga maro nikasa hiazo ny biraon’ny filohan’ny oniversite eny Mahajangabe hampahafantatra ny olana mianjady amin’izy ireo, sady mitaky ny fandoavana vatsim-pianarana. Raha nahere izany ny mpitantana ny oniversite dia niantso mpitandro ny filaminana tsy hamela ireo mpianatra hivoaka ny oniversite. Tonga ny Emmo-Reg niatrana manoloana ny vavahadiben’ny campus Ambondrona nanakana ireo mpianatra hidinana an-dalambe.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 juillet 2016 09:18
    • Sary Sobika

    Soamahamanina: Miara-manonja

    Niaraka nandeha aty Soamahamanina avokoa ireo mpanao gazety ho valin'ny firaisam-po nataon'ny mponin'i Soamahamanina tamin'ny tolon'ny fahafahana sy fanehoan-kevitra nataon'ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Miainga mivantana ety Soamahamanina ny radio Miara-manonja izay onjam-peo iraisan'ny radio rehetra mivondrona amin'ny tolon'ny fahalalahana sy ny fanehoan-kevitra.  
    Lire la suite ...
  • Loharanom-baovao: Météo Madagascar
    Loharanom-baovao: Météo Madagascar
    • mardi, 19 juillet 2016 20:39
    • Sary Sat24 19h45

    VAOVAO FARANY mahakasika an'i ABELA

    Lasa "PERTURBATION TROPICALE" sisa i ABELA, ‪nihena‬ hatrany ny heriny. Mizotra MIAKANDREFANA amin'ny hafainganam-pandeha 19KM/ORA IZY. Tamin'ny 03 ORA tolakandro teo, tany amin'ny 430km ATSINANAN'ANTALAHA NY FOIBENY. Efa mikasika ny morontsiraka AVARATRA ATSINANANA NY ANDIAN-DRAHONA miaraka aminy. Inty no FILAZANA FARANY MIKASIKA AN'IO ANDRO RATSY "ABELA" IO RAHA TSY MISY NY FAHATANJAHANY.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 juillet 2016 20:02
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga FITAMPOHA 2016 : Ampanjakavavy Rasoamody no nitarika ny lanonana

    Nanomboka androany ny FITAMPOHA 2016, ilay fomba amam-panao fanomezan-kasina ireo Mpanjaka Sakalava. Nizotra ary nilamina ny fanompoana tarihin’ny Ampanjakavavy Rasoamody. Tsy navelan'ireo mpomba an’ity farany niakatra teny amin'ny Doany Miarinarivo eny Tsararano Mahajanga ny Ampanjaka Jaofeno Richard. Tonga maro ireo mpanompo avy amin'ny faritra samihafa manerana ny Nosy sy ny vahiny avy any ivelany.
    Lire la suite ...
Page 254 sur 322