Tselatra

    • lundi, 18 juillet 2016 16:04
    • Sary Sobika Farafangana

    DREN Atsimo Atsinanana : Misafidy tsy hanao ny taranja anglisy ny ankamaroan’ireo mpiadina BEPC

    Mpiadina miisa 10.417 no miatrika ny fanadinana BEPC aty amin'ny DREN Atsimo Atsinanana. Betsaka ireo mpiadina misafidy tsy hanao ny taranja anglisy satria dia mahatratra 8.649 ny isan'izy ireo izay nisafidy ny option B, raha 1.768 monja ny option A. Mitsinjara amina foibem-panadinana 16 ireo mpiadina ireo. Amin'ny ankapobeny dia nizotra am-pilaminana ny fanadinana BEPC aty amin'ny faritra Atsimo Atsinanana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 juillet 2016 15:09
    • Sary: Sobika Morondava

    Fifamoivoizana : Be no tsy manara-dalàna aty Morondava

    Niditra ifotony ny voamiera mpisintona taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia (commission de retrait de permis de conduire) nanao fanaraha-maso ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitry ny faritra Menabe. Maro ny tsy fanarahan-dalàna tsikaritra nandritra izao fidinana voalohany nataon’izy ireo androany izao. Ny 6 febroary 2016 no nananganana ity vaomiera ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 juillet 2016 11:10
    • Sary Sobika Antsirabe

    Trafika zavamahadomelina : Nozairina natao sisika “gilet” ireo rongony

    Tsy kely lalana ny olon-dratsy. Raha anaty sakaosy sy valizy no fitondran’ireo mpanao trafika ny rongony, dia efa lasa sisik’akanjo fanao anatiny na “gilet” indray koa izy amin’izao. Toy izany no fomba nentin’ireto roalahy mpizaodahy saron’ny polisin’Antsirabe ny alahady 17 jolay tokony ho tamin’ny 4 ora maraina nandritra ny fisavana fiara nataon’izy ireo. Nambaran’ny Ofisie Rajary Zonarison Ladison, fa rongony 15 kilao teo no tratra, izay nentina tamin’ny kitapokely roa natao tanaty sakaosy ary ny hafa dia nozairina tamin’ny gony mba ho toy ireny “gilet” ireny ary notsindriana ankanjo mafana teo amboniny. Niainga tao Ihosy izy miaotra ireto. Atolotra ny fitsarana avy hatrany moa ireto aorian’ny fanadihadiana atao aminy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 juillet 2016 21:48
    • Sary Sobika Sambava

    CEPE Sambava Ville : 56,32% ny tahampahafaham-panadinana

    Ny sabotsy 16 jolay, tokony tamin'ny 5ora hariva vao nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny voka-panadinana CEPE taty Sambava Ville, izay ahitana fari-panentanana ara-pedagôjia roa. 1.198 tamin’ireo kandida 2.127 niatrika fanadinana no afaka tamin’ity, izay manome 56,32% raha ny taham-pahafahana. « Raha natao jery todika io dia somary nidina be ny taham-pahafahana » hoy ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Sambava Totozandry Clément.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 juillet 2016 12:50
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga Fitampoha 2016 : Nanolo-tanana ny Assanati Famo Gidraka

    Nanolotra omby tao amin'ny Miarinarivo ao Tsararano Mahajanga ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ho fanohanana ny Fitampoha 2016 izay hisokatra ny alatsinainy 18 jolay. Hetsika fanaon'ny fikambanana isan-taona ny fanolorana omby rehefa fotoanan’ny fanompoana. Diabe niainga avy eo amin'ny Jardin Caila mandra-pahatonga teny amin'ny Doany Tsararano no natao tamin’izany androany.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 juillet 2016 19:04

    Bekopaka- Antsalova : Mpianatra hanala BEPC notafihin’ny dahalo, voaroba 45.000 Ar

    Nosakanan’andian-jiolahy teo anelanelan’Antsalova sy Bekopaka ireto mpianatra vitsivitsy sy mpampianatra roa hamonjy fanadinana BEPC ao Antsalova, ny alarobia 13 jolay 2016 tokony tamin’ny telo ora maraina. Raikitra ny fifanjevoana ka mpianatra zazalahy iray no tratran’ireto dahalo rehefa latsaka tao anaty lavaka. Norahonan’izy ireo tamin’ny basy ity zaza, avy eo norobaina ny entany tany aminy, ka lasan’ireo dahalo tamin’izany ny vola 45 000 Ar izay saika mba natao vatsy mandritra ny fanadinana ary nalaina taminy an-keriny ihany koa ny kahieny izay saika mbola hanaovana famerenana, mba hifohan’ireto dahalo paraky. Rehefa azon’ireto jiolahy ireto ireo rehetra ireo dia nalefany nandeha ity mpianatra ka tonga tao Antsalova. Talohan’ny nahavoatafika azy ireo dia efa nifanena tamin’andian-jiolahy roa hafa ireto olona avy any Bekopaka ireto.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 juillet 2016 12:17
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Mitohana matetika ny fifamoivoizina

    Mitombo isa izay tsy izy ireo fiara miditra na mandalo ao Sambava, ary manampy trotraka izany dia saika lalan-tokana no ifamezivezena, nefa tery dia tery satria tsy misy intsony izany “trottoir” izany fa misy mpivarotra na lasa “parking”. Vokany, mitohana matetika ny fifamoivoizina, dia samy manao izay saim-patany ny rehetra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 juillet 2016 18:14
    • Sary nomena

    John Elite: Mitohy ny hetsika sosialy

    Araka ny efa nolazain'i John Randriarimalala vao lany Solombavambahoaka tao Atsimondrano izy fa omeny ary atokany hanaovana asa sosialy, ary indrindra fa ny cantine scolaire, ny karamany iray manontolo, dia nanohy izany hetsika izany hatrany izy. Ka anio zoma 15 jolay dia ny teny amin'ny Kaominina Ampanefy Distrika Atsimondrano no nozaraina bodofotsy 500 ho an'ireo be antitra sy sahirana ara-pivelomana. Tsy adinony ihany koa ireo ankizy afaka CEPE izay nahazo fanomezana sy sakafo avokoa. Mitohy hatrany moa ny fanohanan'i Solombavambahoaka John Elite amin'ny cantine scolaire.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 juillet 2016 14:32
    • Sary nindramina

    Soamahamanina: Raikitra ny angaredona

    Anaovan'ny mpitondra angaredona miaraka amin'ny HERY famoretana ny ao Soamahamanina. Ny Sinoa manohy mitrandraka ny volamena ao an-toerana araky ny fanomezana-dàlana nomen'ny Talé Jeneralin'ny ONE Rakotoary Jean Chrysostome, izay Tale nifandimby fitondrana 4. Tsy sahy miseho vahoaka moa ity farany fa dia ny talé n'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany indray no aroso. Tsy manaiky anefa ny mponina aty an-toerana ka dia baomba mandatsa-dranomaso no asesik'ireo mpanohana ny mpivarotra tanindrazana.
    Lire la suite ...
  • Rasoamahefa Henri - Lehiben'ny Cisco Antsirabe I
    Rasoamahefa Henri - Lehiben'ny Cisco Antsirabe I
    • jeudi, 14 juillet 2016 12:18
    • Sary: Sobika Antsirabe

    Antsirabe I: Efa vonona amin’ny fiatrehana ny BEPC

    Efa vonona amin’ny fiatrehana ny fanadinana BEPC sahady ny Cisco Antsirabe I amin’izao fotoana izao. Efa tonga any amin’ny mpitandro ny filaminana mantsy ireo laza adina sy ny taratasim-panadinana ampiasaina amin’izany ary efa vonona ireo lehiben’ny ivon-toeram-panandinana miisa 8 ao Antsirabe I raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny Cisco, Rasoamahefa Henri. Miisa 5556 moa ireo mpiadina amin’izany ka 10 taona no zandriny indrindra ary 47 taona no zokiny indrindra. Misy koa ny mpiadina jamba miisa 4 sy sembana ara-batana miisa 3 avy ao amin’ny CRMM Antsirabe. Efa voaparitaka avokoa ny fiantsoana ireo mpiadina rehetra.
    Lire la suite ...
Page 246 sur 312