Tselatra

    • vendredi, 23 septembre 2016 17:00
    • Sary Sobika Mahajanga

    Faha-55 taonan’ny Polisy : Raikitra ny fankalazana eto Mahajanga

    "Polisy manaja ny maha-olona, antokin'ny fampandrosoana". Io no nisalorana ny tsingerintaona faha-55 nijoroan'ny Polisy nasionaly manerana ny nosy ka tsy diso anjara tamin'izany ny teto Mahajanga. Ny 23 ka hatraminy 30 septambra izao no faharetan'ny fankalazana, ka hetsika maroloko no hita mandritra izany, toy ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ny anjara andraikitry ny Polisy any amin'ireo sampandraharaha hiantsorohany avy. Diabe namakivaky ny tanàna sy ny hazakazaka ho an'ny daholobe no fankalazana ofisialy teto Mahajanga androany maraina.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 11:43
    • Tahiritsary Sobika

    Lalam-baovao Ivato : Voahilikilika ireo Malagasy manan-tany

    Sahirana, mahatsiaro voahilikilika, tsy mahavita taratasy fizakana tany izay mba mikarakara ny azy, fa tsy mahazo “ordre de transactions”. Voakasik’io ireo manana tany tafiditra ao anatin’ny 250 m miala ny lalam-baovao Soavimasoandro - Ivato. Maro ireo manahy fa nomena ny Sinoa indray ve izany ny sisin'iny lalam-baovao rehetra iny, satria raha 25m miala amin'ny arabe no tokony tsy azon'ny olon-tsotra dia izao 250 m be izao. Izany ve no dikan'ilay saina mena natsangana ireny no miitatra miala lavitra ny lalana?  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 10:57
    • Sary Sobika

    Antsahambilo – Ivato : Fanendasana mofo nitarika haintrano

    Trano maromaro no may kila hotohoton’ny afo teny Antsahambilo – Ivato io maraina io, tokony ho tamin’ny enina ora. Afo nanendasana mofo, tamin'ny tsena kely iray no nihanaka ka nitarika ny firehetan’ny trano maromaro manodidina. Tsy nisy aina nafoy, fa ny fahasimban-javatra no betsaka. Aman-tapitrisany ny tentim-bidin’ny fahavoazana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 10:14
    • Sary Njaka

    Domaines : Miandry ny fampanantenana nataon'ny fitondram-panjakana

    Mangataka ireo mpiasa ny hijeren’ny fanjakana ireo birao mba hanaraka ny fenitra, ny hamonjena ny fampitaovana toy ny solosaina hijerevana ireo dossiers, eo ihany koa ny "session parlementaire", ny resaka "affectation" ary ny mba hanovana ny sata mifanaraka amin’ny vanin’andro toy ny fanavaozana ireo Boky rovitra satria sahirana ireo mpiasa ny hanome fahafaham-po ireo mpanjifa. Fehiny miankina amin’ny fanjakana foibe izany ny famoahana ireo lalàna hoy ny filoha Vonjy RAZAFITSIMBA, Président des inspecteurs des syndicats des domaines.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 10:00
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Tsy mety voafehy ny herisetra ataon'ireo andian-jatovo

    Isany lasibatra amin’izany ny tanora iray mpanety eto Antaimby izay naratra mafy. Nandositra avy hatrany ireo andian-jatovo nanafika azy taorian’izay. Voasambotra ny roa tamin’ireo, izay voatondro ho nandray anjara tamin'ity herisetra ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 09:48
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Raikitra ny magnitr'apaly

    Tanterahina eto an-drenivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana nanomboka ny alakamisy 22 ary hitohy hatramin’ny alahady 25 septambra 2016 ny « Farafangana magnitr'apaly ». Haseho mandritra izany ireo dihy sy hira vakodrazana mampiavaka ny faritra Atsimo Atsinanana toy ny batrelaky, hazolahy, balitika, kombitsiky. Hisy ihany koa ny tranoheva hampirantiana ny vokatra misy ary ny zavatra azo atao amin'ny apaly. Manitra tokoa ny apaly eto amin'ny Kianja monisipaly Farafangana. Vory maro ny mpitsidika samy nanandrana ireo sakafo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 septembre 2016 08:44
    • Sary Sobika Tolagnaro

    Tolagnaro : Mampijaly ny vary

    Ilaharana ny vary eto Tolagnaro. Tafakatra 600 Ariary ny kapoaka.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 septembre 2016 21:58
    • Sary Sobika Antsirabe

    Zandary nitifitra « sprinter » : Nampidirina am-ponja vonjimaika eto Antsirabe

    Notanana am-ponja vonjimaika eto Antsirabe ilay zandary nitifitra teo Tombontsoa-Antsirabe ka nahafaty mpandeha iray tao anaty taksiborosy « Sprinter » sy nandratra iray hafa, taorian’ny fiakarany fampanoavana androany tolakandro teo. Taorin’ny famotorana nataon’ny zandary sy ny famerenana ny tranga teny Tombontsoa, izay tsy natrehin’ny mpamily ilay Sprinter dia io androany io vao natolotra ny Fampanoavana ilay zandary noho ny fiandrasana ny havan’ilay olona voatifitra tao anatin’ilay fiara, izay mbola namita ny fandevenana. Ilay mpamily kosa navotsotra, miandry amin’ny 6 oktobra 2016 ny fanadihadiana lalina azy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 septembre 2016 14:51
    • Sary nindramina

    Mirehitra ny rihin'ny trano iray toerana amin'ny Cotisse Sonatra plus

    Nahitana firehetana tamin'ny 1 ora 40 min tolakandro teo ny rihana ambony.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 septembre 2016 13:03
    • Sary nomena

    Sakoroka Soamahamanina izao

    Manampatra ny HERIny ny Emmoreg.Ho avy ny andinindininy sy ny sary, fa mirehitra ny tanàna izao. Misy ny maratra.Misy ny voasambotra.
    Lire la suite ...
Page 236 sur 321