Tselatra

    • samedi, 12 novembre 2016 08:58
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Nahazo foto-drafitrasa ny EPP Besopaka

    Niampy ny trano fianarana ao amin’ny EPP Besopaka-Sambava. Nahazo foto-drafitrasa ahitana efitrano telo ny sekoly ankehitriny vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Synergy Flavors, izay nanome tanana ny fikambanana Madagascar Development Fund (MDF) tarihin’i Brian Donaldson, ambasadaoro anglisy teo aloha, niasa teto Madagasikara nanao ny asa fanorenana. 450 eo ankehitriny ny isan’ny mpianatra manovo fahalalana ao amin’ny EPP Besopaka. Sahirana amin’ny rano kosa ny sekoly. Misy ihany ny fantsona fakana rano satria misy paompy eo akaiky eo saingy tsy mandeha.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 15:14
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Oniversite Mahajanga : Handraisana fepetra ireo manakorontana

    Tsy hilefitra ny mpitantana manoloana ny fanambarana nataon’ireo mpianatra manome 72 ora ny filohan’ny oniversite hamaliana ny fitakian’izy ireo dia ny handoavana vatsim-pianarana dimy volana sy ny hitsabahan’ny mpianatra amin’ny fitantanana ny trano fonenana. Nanao tatitra teny amin’ny Prefektioran’i Mahajanga ny mpitantana ny oniversiten’i Mahajanga ary fantatra taorian’izay fa handraisana fepetra ireo mpianatra manakorontana ao Ambondrona.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 15:13
    • Sary Sobika Mahajanga

    11 novambra : Fahatsiarovana ireo maty tamin’ny Ady lehibe voalohany

    Tsaroana isan-taona ny andron’ny 11 novambra 1918, nifaranan’ny Ady lehibe voalohany tany Eoropa izay nandraisan’ireo miaramila Malagasy anjara. Taty Mahajanga dia nisy fametrahana fehezam-boninkazo nataon’ireo teratany frantsay sy ireo mizaka ny zom-pirenena frantsay ho marika sy fanomezana hasina sy voninahitra ireo mahery fo tamin’io fotoana io. Ny tany Antananarivo kosa dia teo amin’ny Anjely mainty farihin’Anosy no natao ny lanonana manodidina izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 13:45
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Mahajanga : Mampiantrano ny KMSL ny Fiangonana FLM

    Tanterahina ao amin’ny FLM Antanimalandy ny 08 ka hatraminy 15 novambra ny fihaonamben’ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL) ho an'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), handinihana ny firaketan-draharahan’ny Fiangonana. Andiany faha-136 izao KMSL atao eto amin’ny Synodam-paritany Boina Mahajanga izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 11:02
    • Photo: Njaka

    Atrik'asa momba ny fifidianana

    Nofaranana omaly tao amin'ny Carlton Anosy ny atrik’asa momban’ny fifidianana izay nokarakarain’ny teo anivon’ny ceni ary naharitra efatr’andro.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:47
    • Photo: Njaka

    FES: Fihaonana Sendikaly

    Notanterahana androany teny amin’ny Motel Anosy ny fihaonana sendikaly ho an’ny Indostria maharitra eto Madagasikara izay iarahana amin’ny FRIEDRICH EBERT STIFTUNG. Maharitra roa andro moa ny fihaonana ka hifarana rahampitso izy io. Hodinihina amin’izany ny volavolan-dalàna, sy ny volavolan’hetsika izay hampitaina amin’ny fanjakana. Araka ny nambaran’i Ramatoa RASOAMANANORO Lalao, filohan’ny FISEMARE, dia voageja ireo Sendika izay tsy afaka miteny intsony manoloana ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:43
    • Sary Sobika Mahajanga

    Oniversite Mahajanga : Mandrahona hitokona ny mpianatra

    Fitakiana ny handoavana vatsim-pianarana 5 volana sy ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra no antony. Manome 72 ora ny mpitantana ny oniversite Mahajanga ireo mpianatra hamahana ny olana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:28
    • Sary Njaka

    Raharaha kolikoly teo amin’ny sehatry ny fifaninanana hiditra ho zandary

    13 ireo olona voarohirohy amin'ity raharaha ity, ka vavolombelona ny 2 amin'ireo ary manamboninahitra zandary ny 4. Miandry taratasy fahazoan-dalana hanenjehana azy ireo avy amin'ny ambaratongam-pifehezan'ny zandarimariam-pirenena na "Ordre de poursuite" ny tohin'ny fanadihadiana azy ireo. Mandra-piandry izay dia afaka namonjy fodiana avokoa ireo voarohirohy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:21
    • Sary Njaka

    Tsimbazaza : Nitaky ny hanamorana ny famoaham-bola ho an’ny CLD ireo depiote

    Nivoitra io nandritra ny fihaonana tsy azon’ny besinimaro natrehina teo amin’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier, notronin’ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola Rakotoarimanana Gervais sy ireo Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza. Manana tetibola 200 tapitrisa Ariary isan-taona ny Distrika isanisany eto Madagasikara, ho tan-tsoroka amin’ny fampandrosoana ifotony izay tantanin’ny CLD (Comité local de développement), Komity izay tarihin’ny depiote voafidy tao amin’ilay Distrika. Mitaky ny hanamorana sy hanafainganana ny famoahana ny vola ireo depiote.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 novembre 2016 07:01
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Fanafihana mitam-piadiana: Vehivavy mpandraharaha iray voaroba ny 100 tapitrisa Ariary tao Ampasimbe Manatsatrana

    Ny alarobia 9 novambra vao maraim-be no nitranga ny fanafihana ary voalaza fa nanao fanamiana zandary ireo jiolahy, samy nisaron-tava ary nitondra basy kalaky sy basy poleta. Vola vao avy nalain’ilay mpandraharaha tany amin’ny banky iray tao Toamasina ny talata saika hividianana vokatra io voaroba io. Lasan’ireto jiolahy koa ny vatakely nisy ny volamena sy ny vatosoany.  
    Lire la suite ...
Page 218 sur 327