Tselatra

    • lundi, 12 novembre 2018 08:17

    Résultat 12 novembre 2018 à 08h

    Nandingana ny 1% i Paul Rabary, i Dadafara, Ny Rado ary i Pastera Mailhol. Nihemotra kosa i 13 raha niroso i 25, fa i 12 no manovoka aty aoriana mbola tara be. BV traités: 10161 / 24852 soit: 40.89%Inscrits: 4168021 / 9913599Taux de participation: 53.58% 12= 7.54% (6.97% hier à 19h)13= 39.43% (40.88% hier à 19h)25= 36.78% (36,00% hier à 19h)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 novembre 2018 07:55

    Mpandraharahan'ny fonja: Niampy 200 mianadahy

    Notanterahina ny faran'ny herinandro teo ny lanonana ara-miaramila namoahana ny andiany "RAITRA 2018", misy Mpandraharahan'ny fonja 200, ka lehilahy ny 140 ary vehivavy ny 60 hanatevina ireo efa amperinasa. Tao amin'ny Sekolim-pirenena fanofanana Mpandraharahan'ny fonja (ENAP) Antetezambaro - Toamasina II ny lanonana mikasika izany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 11 novembre 2018 18:37

    Résultat 11 novembre 2018 à 18h

    Tsy niova tamin'ny vokatra efa nasehon'ny CENI tamin'ny 12ora atoandro) BV traités: 7444 / 24852 soit: 29.95%Inscrits: 3112992 / 9913599Taux de participation: 52.72% 12= 6.97% (5.85% hier à 19h)13= 40.88% (40.68% hier à 19h)25= 36,00% (38.89% hier à 19h)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 11 novembre 2018 13:00

    Résultat 11 novembre 2018 à 12h

    BV traités: 7444 / 24852 soit: 29.95% Inscrits: 3112992 / 9913599Taux de participation: 52.72% 12= 6.97% (5.85% hier à 19h)13= 40.88% (40.68% hier à 19h)25= 36,00% (38.89% hier à 19h)
    Lire la suite ...
    • samedi, 10 novembre 2018 10:57

    Fifidianana: Misoko mangina i 12

    Résultat CENI 10 novembre 2018 à 9:55 (Asa montre firenena iza aloha, fa tsy lera eto Madagasikara aloha e, satria vokatra nalainy talohan'ny 9h55 io) Miakatra moramora i 12, mahatratra 5,85%Nidina i 13 lasa 41,37% izay arahan'i 25 amin'ny isa 38,42% amin'ireo BV 3 441/24 852.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 novembre 2018 18:13
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: 15 185 no isam-bato manelanelana ny kandida roa lohalaharana

    Nivoaka ity andron'ny zoma ity ny voka-pifidianana vonjimaika ho an'ny Distrikan'i Fianarantsoa. Nahazo vato 25 235 ny kandida laharana faha-13. Manaraka azy eo ny kandida laharana faha-25 amin'ny isam-bato 10 050. Mitotaly 1 820 kosa ny an'ny kandida laharana faha-12, izay arahan'ny laharana faha-34 akaiky amin'ny isa 1 652. Marihina fa 93 952 no isan'ny mpifidy voasoratra anarana, 43 313 no tonga nandatsa-bato, 2 796 no vato maty ary 42 033 no vato manankery. Vokatra avy amin'ny birao-pifidianana 159/159 ireo notaterina ireo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 novembre 2018 15:01

    Mahajanga I: Miloko volomboasary, very lavitra 25

    Amin'ny biraom-pifidianana 156/170, na 91,6% amin'ny biraom-pifidianana, 63,5% ny an'i 13, raha 29,71% ny an'i 25.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 novembre 2018 14:03

    Mahajanga: Tanterahina anio ny fandevenana an'i Mgr Rakotondrajao Victor Solo

    Hisy ny lamesa fanankinana hatao ao amin'ny Katedraly Mahajanga Be anio tolakandro mialoha ny hanitrihana ny vatana mangatsiakany ao ihany. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra tao Antananarivo teo amin'ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo. 28 taona naha mpisorona masina izy, 10 taona naha Eveka. Mgr Rakotondrajao Victor Solo no Eveka faha-5 nitantana ny Diosezin'i Mahajanga, ary Eveka faha-2 milevina ao amin'ny Katedraly, izay toerana niasany farany sady efa hafatra napetrany fahavelona na avy ao amin'ny Diosezin'i Miarinarivo aza no fiaviany.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 novembre 2018 09:42
    • Sary Gasypatriote

    Ambohipo: Mpaminany tsy masina an-taniny

    Resy tanteraka tao Ambohipo fonenan'i 34 ny Mpaminany, zara raha nahazo vato am-polony tamin'ireo biraom-pifidianana sasany, misy aza ny tsy namaky atody. Ny teny Alasora misy ny fiangonana aza dia vato 5 no azo tamin'ny biraom-pifidianana iray. "Azandrano 5 hitombo isa io, fa hisy raha rahampitso sabotsy, fotoambavaka, ka asa raha ho sahy hifampiharahaba fanao hoe " Sabatry Jehova!! valiny: Pasteur Mailhol", hoy ny nambaran'ireo nanontaniana.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 novembre 2018 09:26

    Antsiranana: Miakatra hatrany amin'ny 27 000 ariary ny kilaon'ny henan'aomby

    Efa tsy zakan'ny maro intsony ny vidin'entana aty bazary, ny kilo henan'aomby efa manakatra ny 27 000 ariary (135 000fmg). Ny feliky (anana), efa tsy mahazo 200 ariary. Ny vary efa ahena ny ho vidiana. Ny Jirama indroa avy heny amin'ny vidin'ny any Antananarivo, "karaha zahay aty zanaky kalo hafa, magnefa lafo noho ny Gasy jiaby" hoy ireo nanontaniana.  
    Lire la suite ...
Page 3 sur 341