Tselatra

    • vendredi, 11 novembre 2016 15:13
    • Sary Sobika Mahajanga

    11 novambra : Fahatsiarovana ireo maty tamin’ny Ady lehibe voalohany

    Tsaroana isan-taona ny andron’ny 11 novambra 1918, nifaranan’ny Ady lehibe voalohany tany Eoropa izay nandraisan’ireo miaramila Malagasy anjara. Taty Mahajanga dia nisy fametrahana fehezam-boninkazo nataon’ireo teratany frantsay sy ireo mizaka ny zom-pirenena frantsay ho marika sy fanomezana hasina sy voninahitra ireo mahery fo tamin’io fotoana io. Ny tany Antananarivo kosa dia teo amin’ny Anjely mainty farihin’Anosy no natao ny lanonana manodidina izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 13:45
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Mahajanga : Mampiantrano ny KMSL ny Fiangonana FLM

    Tanterahina ao amin’ny FLM Antanimalandy ny 08 ka hatraminy 15 novambra ny fihaonamben’ny Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe (KMSL) ho an'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), handinihana ny firaketan-draharahan’ny Fiangonana. Andiany faha-136 izao KMSL atao eto amin’ny Synodam-paritany Boina Mahajanga izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 11:02
    • Photo: Njaka

    Atrik'asa momba ny fifidianana

    Nofaranana omaly tao amin'ny Carlton Anosy ny atrik’asa momban’ny fifidianana izay nokarakarain’ny teo anivon’ny ceni ary naharitra efatr’andro.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:47
    • Photo: Njaka

    FES: Fihaonana Sendikaly

    Notanterahana androany teny amin’ny Motel Anosy ny fihaonana sendikaly ho an’ny Indostria maharitra eto Madagasikara izay iarahana amin’ny FRIEDRICH EBERT STIFTUNG. Maharitra roa andro moa ny fihaonana ka hifarana rahampitso izy io. Hodinihina amin’izany ny volavolan-dalàna, sy ny volavolan’hetsika izay hampitaina amin’ny fanjakana. Araka ny nambaran’i Ramatoa RASOAMANANORO Lalao, filohan’ny FISEMARE, dia voageja ireo Sendika izay tsy afaka miteny intsony manoloana ny fanjakana amin’izao fotoana izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:43
    • Sary Sobika Mahajanga

    Oniversite Mahajanga : Mandrahona hitokona ny mpianatra

    Fitakiana ny handoavana vatsim-pianarana 5 volana sy ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra no antony. Manome 72 ora ny mpitantana ny oniversite Mahajanga ireo mpianatra hamahana ny olana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:28
    • Sary Njaka

    Raharaha kolikoly teo amin’ny sehatry ny fifaninanana hiditra ho zandary

    13 ireo olona voarohirohy amin'ity raharaha ity, ka vavolombelona ny 2 amin'ireo ary manamboninahitra zandary ny 4. Miandry taratasy fahazoan-dalana hanenjehana azy ireo avy amin'ny ambaratongam-pifehezan'ny zandarimariam-pirenena na "Ordre de poursuite" ny tohin'ny fanadihadiana azy ireo. Mandra-piandry izay dia afaka namonjy fodiana avokoa ireo voarohirohy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 11 novembre 2016 10:21
    • Sary Njaka

    Tsimbazaza : Nitaky ny hanamorana ny famoaham-bola ho an’ny CLD ireo depiote

    Nivoitra io nandritra ny fihaonana tsy azon’ny besinimaro natrehina teo amin’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier, notronin’ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola Rakotoarimanana Gervais sy ireo Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza. Manana tetibola 200 tapitrisa Ariary isan-taona ny Distrika isanisany eto Madagasikara, ho tan-tsoroka amin’ny fampandrosoana ifotony izay tantanin’ny CLD (Comité local de développement), Komity izay tarihin’ny depiote voafidy tao amin’ilay Distrika. Mitaky ny hanamorana sy hanafainganana ny famoahana ny vola ireo depiote.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 novembre 2016 07:01
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Fanafihana mitam-piadiana: Vehivavy mpandraharaha iray voaroba ny 100 tapitrisa Ariary tao Ampasimbe Manatsatrana

    Ny alarobia 9 novambra vao maraim-be no nitranga ny fanafihana ary voalaza fa nanao fanamiana zandary ireo jiolahy, samy nisaron-tava ary nitondra basy kalaky sy basy poleta. Vola vao avy nalain’ilay mpandraharaha tany amin’ny banky iray tao Toamasina ny talata saika hividianana vokatra io voaroba io. Lasan’ireto jiolahy koa ny vatakely nisy ny volamena sy ny vatosoany.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 novembre 2016 06:54
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Etazonia : Malagasy maro voatery hody

    Teratany Malagasy maro monina any Etazonia voatery hody an-tanindrazana taorian’ny fahalanian’i Donald Trump ho filoha noho ny tsy fananan’izy ireo taratasy ara-dalàna hipetrahana any. Namerimberina hatrany ity filoha amerikana faha-45 ity nandritra ny fampielezan-keviny fa horoahiny hiala any Etazonia ireo vahiny tsy manan-taratasy ara-dalàna ipetrahana any.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 novembre 2016 16:12
    • Sary Sobika Toliara

    Toliara Tsienengea: Trano may, tsy misy ho raisina

    Trano may eto Toliara fokontany Tsienengea amin'izao ora izao. Miezaka mamono ny afo ny rehetra, miditra antsehatra ny mpamono afo avy amin'ny ADEMA fa tsy misy ho raisina ilay trano, may kila tanteraka, ezahina ny tsy hitaran'ny afo amin'ny manodidina izay maro trano hazo ihany koa.  
    Lire la suite ...
Page 172 sur 281