Tselatra

    • jeudi, 04 août 2016 11:41
    • Sary Sobika

    Hetsiky ny mpanao gazety

    Nampisehoan'ireo mpanao gazety tamin'ny fihetsika feno fahendrena ny fitakiana an'ilay code de la communication teny amin'ny Fitsarana Avo Momban'ny Lalam-panorenana omaly tolakandro. Fahazoana hiteny no tena tadiavin'ny mpanao gazety, izay naseho tamin'ny hetsika filaharam-be manoloana ny Fitsarana avo momban'ny lalam-panorenana. Mbola hitohy hatrany moa izany fitakiana izany amin'ny alalan'ny onjam-peon'ny Miara-manonja.Tantara mitohy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 août 2016 11:17
    • Sary Sobika

    Mikarakara ireo manan-kilema ny Masera ambany fiahian'i Mère Teresa

    Ho atsangana olomasina amin’ny 04 Septambra ho avy izao any Rome i Mère Teresa, ka ho fihomanana amin'izany dia manomboka ny Alatsinainy 01 Aogositra ka hatramin’ny 09 Aogositra 2016 ny fihomanam-panahy. Misy arak'izay ny asa fanasoavana an’ireo manan-kilema sy sahirana, ataon'ny fikambanan’ireo Masera eo ambany fiarovany.Miompana indrindra amin'ny fizarana sakafo toy ny buiscuit sy ronono ary vary, eny amin'ny toby eny Ambodin’isotry izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 août 2016 11:13
    • Sary Sobika Sambava

    Morafeno - Sambava : Mamokatra lavanila sy jirofo nefa saro-dàlana

    Nasiana fanamboarana ireo faritra tena sarotra tamin’ny làlana mampifandray an’i Sambava amin’ny Kaominina Morafeno izay faritra mamokatra lavanila sy jirofo. 18km eo ny halavirany saingy efa an-taonany maro no potika, atao adin’ny telo amin’ny fiara. Nanomboka ny talata 2 aogositra teo ny asa. Nanazava ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina, Befolera Christian, fa vola madiodio azo tamin’ny fampidiran-ketran’ny Kaominina Morafeno no enti-manana ny fanarenana, ahafahan’ny tantsaha mamoaka ny vokatra.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 août 2016 10:24
    • Sary: Njaka

    Fier Mada : Mila fanampiana ireo tantsaha amin'ny famokarana

    Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy toy ny tamin'ny taon-dasa ny Fier Mada izay tanterahina hatrany eny amin'ny Kianja annexe Mahamasina, omaly ary haharitra dimy andro. Maro ireo asa tanana sy vokatra vita malagasy aranty sy varotana mandritra io fotoana io. Nanamafy moa ireo tantsaha fa mila fanampiana izy ireo eo amin'ny lafin'ny famokarana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 août 2016 13:35
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Mpamily fiara 4x4 mamo nandona moto

    Manoloana ny rond point Cathédral no nitranga ny loza.Nodonin'ilay 4x4 nentina mpamily efa mamo ity moto nentina vehivavy iray.Tsy nijanona ny fiara fa dia notaritiny efa ho 15 metatra vao nijanona izy.Naratra mafy ilay vehivavy ka nentina any amin'ny Urgence Androva. Efa tonga kosa izao ny polisy nijery ny zava-misy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 août 2016 15:26
    • Sary Sobika Mahajanga

    Parc Ankarafantsika : Lehilahy iray tra-tehaka saika haka sokatra “angonoky”

    Tsikaritry ny mpiambina ny faritra arovana ao Ankarafantsika fa misy olona mikasa hiditra teny amin’ny toerana nisy ireo sokatra angonoky, amin’ny andro amin’ny 3 maraina, omaly alatsinainy.Nifanenjehana avy hatrany niaraka tamin’ny Fokonolona mipetraka eo akaikin’ny Valanjavaboarin’Ankarafantsika ka tratra ny lehilahy iray, raha saika nitsoaka. Roa lahy izy ireo saingy tafatsoaka ny faharoa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 août 2016 13:10
    • Sary Sobika tahiry fampihaingoana

    Mahajanga I : 44,94% ny taham-pahafahana BEPC

    Nihena ny vokatra, hoy ny lehiben'ny fari-piadianam-pampianarana Mahajanga I. 1.974 tamin’ireo 4.392 voasoratra anarana no afa-panadinana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 août 2016 13:01
    • Sary Sobika Antsirabe

    Voka-panadinana BEPC : Nitotongana ny an’Antsirabe

    Nitotongana ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Cisco Antsirabe voalohany. Raha toa ka nanodidina ny 50% izany ny taon-dasa dia nihena ho 38,89 % tamin’ity taona ity. Asa na efa nampoizina ihany ity vokatra ity na tsia fa amin’izao fotoana dia efa miomana amin’ny fanofanana ireo talen-tsekoly sy ny mpampianatra ny fari-piadidiam-pampianarana Antsirabe voalohany ho fanarenana ny voka-panadinana rehetra mitranga amin’izao famaranana ny taom-pianarana izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 août 2016 11:42
    • Sary Sobika Farafangana

    Farafangana : Antson’ny Ampanjaka Tadatsy

    Miangavy ireo zanak'i Farafangana ny Ampanjaka Tadatsy ao Farafangana mba hiara-hiasa fa tsy hifamingampingana lava ka mamotika ny Distrikan'i Farafangana, izay mihamitotongana hatrany nefa manana Olomanga maro.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 août 2016 11:31
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Nilamina ny andro voalohan’ny bakalôrea

    Nizotra ampilaminana ny fanadinana bakalôrea teto Sambava tamin’ity andro voaloany ity. Telo ny foibem-panadinana dia ny Lycée Mixte izay nahitana mpiadina voasoratra anarana miisa 815 ary 96 ny bakalôrea Teknika, tao amin’ny Ste Thérèse misy 724 ary ny CEG dia 1.494. Niatrana isaky ny foibem-panadinana ny mpitandro filaminana miantoka ny fandriampahalemana. Afaka niatrika ny fanadinana soa aman-tsara ilay tovolahy voarohirohy tamin’ny halatra moto izay voasambotry ny zandary ny alahady teo, ka aorian’ny fanadinana bakalôrea no hiakatra famotorana amin’izay izy.
    Lire la suite ...
Page 167 sur 238