Tselatra

    • jeudi, 08 octobre 2015 13:41
    • Photo: Njaka

    LIONS CLUB: Hetsika Fanomezan-drà

    Mikaraka Hetsika Fanomezan-drà maimaimpoana anio eny amin'ny toby fanomezan-drà etsy amin'ny hopitaly HJRA
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 17:18
    • Photo: Njaka

    Fanomanan-tena nataon'ny BAREAN'NY MADAGASIKARA

    Nanatontosa fanomanantena tetsy amin'ny kianjaben'ny Mahamasina ny Barean'ny Madagasikara, izay nihaonany tanin'i Ekipan'ny TOP DOM.Nisaraka tamin'ny isa 2 noho 1 ny lalao izay natao tao anatin'ny telopolo minitra in-telo miantoana, amin'ny asabotsy ho avy izao ny lalao izay hiaonany amin'i Centre Afrique.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 16:16
    • Photo: Njaka

    Fampirantiana ny Testamenta Taloha

    Ny FJKM Fitandremana Ambohitantely dia mampafantatra ny Testamenta Taloha izay atao eo amin'ny Esplanade Analakely ny 07 ka hatramin'ny 10 ny volana Oktobra 2015.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 11:38

    SEKRIMA : Hanao fanambarana

    Hanao fanamabarana momba ny "Asa mendrika ho an'ny rehetra" ny sendika SEKRIMA anio alarobia 07 oktobra amin'ny 11 ora sy sasany, ao amin’ny foibeny ao Behoririka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 octobre 2015 15:00
    • Photo: Net

    Fiadidiana ny tananan’Antsirabe: Tafapetraka ireo ekipan’ny Ben’ny tanàna

    Nanomboka nandray ny asany amin’ny maha Ben’ny tanàna azy Razanakolona Paul ny talata 06 Oktobra 2015. Efa tafapetraka ny ampahany amin’ireo mpiara-miasa aminy ka mbola notazoniny hiara-hiasa aminy ny lefitra faharoan’ny Delegasiona manokana teo aloha, nataony lefitra faharoa. Misahana ny asan’ny Sekretera jeneraly ny filohan’ny delegasiona manokana. Efa tafapetraka koa ny talen’ny kabinetra sy ny lefitra fahatelo. Mbola tsy misy kosa ny lefitra voalohany, izay nambaran’ny Ben’ny tanana fa ho Administratera sivily no hisahana izany mba hitohizan’ny asa avy hatrany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 octobre 2015 11:07

    Mahabo – Menabe : Dahalo roa maty notifirin’ny Polisy raha saika hitsoaka

    Dahalo malaza ratsy amin’ny halatr’omby sy vaky trano ao Mahabo izy roa lahy ireto no tra-tehaky ny polisy rehefa nanaovana vela-pandrika taorian’ny fanomezam-baovao azon’ny Polisy. Nanoro ny namany izy ireo, saingy teny an-dalana hisambotra ireo nambara fa namany ireo no nikasa handositra ireto jiolahy ireto ka ny tifitry ny polisy no tonga aloha, ary dia maty tsy tra-drano ireo dahalo roa ireo. Nitangorona nijery azy ireo ny olona io maraina io.
    Lire la suite ...
  • Doro tanety Boeny
    Doro tanety Boeny
    • mardi, 06 octobre 2015 09:09
    • Photo: Fournie

    Boeny : Mirongatra ny doro tanety

    Midorehitra mena ny tanety rehefa amin'ny alina, mainty rehefa antoandro. Izay no sary hita manaraka ny lalam-pirenena faha-4, amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Faritra Analamanga, mahazo an’i Betsiboka mipaka any Boeny ankehitriny. Tranga izay mety mbola hirongatra mandra-pirotsaky ny orana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 octobre 2015 23:25
    • Photo: Net

    Kaominina Ambatondrazaka : Raikitra ny famindram-pahefana

    Haroso ho amin’ny alarobia izao ny famindram-pahefana eo amin’ny Ben’ny tanàna vaovao Rafidimanana Louis Félicité sy ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana Randriamanampisoa Honoré. Asa miandry ny ben’ny tanànana vaovao ny fanohizana ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanatsarana ny lalana mampifandray ireo Fokontany sivy. Manamarika ny Ben’ny tanàna vaovao fa na dia avy amin’ny antoko TIM aza ny tenany dia vonona hiara-hiasa amin’ny ankolafy samihafa mba hampandrosoana an’Ambatondrazaka.
    Lire la suite ...
  • Amperin’asa ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul
    Amperin’asa ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul
    • lundi, 05 octobre 2015 23:14
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Kaominina Antsirabe Renivohitra : Nandova trosa 163.000.005 Ariary ny Ben’ny tanàna vaovao

    Tontosa tamim-pirahalahiana ny alatsinainy tolakandro ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS-n’Antsirabe Razafindrainony Beryl sy ny Ben’ny tanàna voafidy, Razanakolona Andriamasitera Paul. Fantatra nandritra izany fa 163.000.005 Ariary ny trosan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Kaominina ny mbola tsy voaloa. Nilaza ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul fa tapitra teo ny resaka politika. Vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra ny tenany. Nanatrika ity famindram-pahefana ity ny kandidà 5 nifaninana taminy. Tsy tazana kosa ny TIM sy ny HVM.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 octobre 2015 22:48
    • Photo: Fournie

    Farahalana - Sambava : Trano nianjeran’ny hazo namono olona iray

    Fototra manga no nidaraboka tamina trano iray ny alatsinainy tolakandro tao Farahalana – Sambava. Tampoka no nisehoan’ny loza. Vokany, lehilahy iray maty tsy tra-drano, roa maratra mbola tsaboina any amin’ny hopitaly, iray nieren-doza. Tovolahy avy any Andapa tonga hiotra no anton-diany tao amin’ity trano ity no namoy ny ainy.
    Lire la suite ...
Page 157 sur 167
B1 - Polyclinique
B2 - Toa