Tselatra

    • mercredi, 06 janvier 2016 22:44
    • Photo d'Archives Sobika

    Bakalorea : Hiakatra 25% ny saram-pisoratana anarana

    Veloma ry fampianarana maimaimpoana. Dia efa mila miomana ny mpiadina bakalorea amin’ity taona 2016 ity, fa hisondrotra ny saram-pisoratana anarana araka ny fanambarana navoakan’ny Ofisin’ny bakalôrea. 11% ny fisondrotana ho an’ireo kandida vahiny, 25% ho an’ireo mpifaninana atolotry ny sekoly ary 67% kosa ho an’ireo kandida tsy miankina.Miatanatohatra hatramin'ny 100 000 ariary na 500 000 fmg izany sarany izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:40
    • Photo: fb

    Feramanga Avaratra : Ankizy roa maty tao anaty lava-biriky

    Loza amin’atambo. Zaza roa, 8 taona sy 6 taona, sendra nilalao no latsaka tampoka tao anaty lavaka biriky, tsy nisy nanavotra tany Ambararata, Kaominina Feramanga Avaratra, Distrikan’Ambatondrazaka omaly. Olona sendra nandalo no nahita ny fatin’izy roa efa mitsingevana amin’ny rano.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 20:22
    • Sary nomena

    Ambatondrazaka : Dahalo 12 lahy nidoboka am-ponja

    Nisehoana halatr’omby tao Amparimaro, Fokontany Ambodifarihy, Kaominina Ampasikely, Distrikan’Ambatondrazaka ny 22 desambra 2015. Omby 12 no very. Nanao fanarahan-dia ny zandary. Nifanehatra tao Ampanefy ny roa tonta, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra, dahalo 12 voasambotra niaraka amin'ny bala sy fanafody gasy. Natolotra ny Fitsarana tao Ambatondrazaka androany ny raharaha ka notanana am-ponja vonjy maika izy 12 lahy.
    Lire la suite ...
  • Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    • mardi, 05 janvier 2016 16:33
    • Photo Njaka

    Fitakiana ireo Nosy malagasy

    Nitsangana ny vondrona vaovao antsoina hoe: HETSIKA MADAGASIKARA MIARO IREO NOSY MALAGASY; Misy fikambanana 8 no ao anatiny ka antoko politika sy fikambanana no mandrafitra azy izay ahitana ny AKFM, Otrikafo, Aro Riaka, Fikambanana Andriana, Nosy Be Miray, KMFB, ASAR, CLE.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 13:41
    • Photo: mada24.mg

    Tapany atsimon'ny Nosy : Ahiana indray ny kere

    Ahiana indray ny hiverenan’ny mosary sy ny kere amin’ny tendrony atsimon’ny Nosy raha ny fanambaran’i Maka Alphonse. Efa ho tapa-bolana izay no tsy nirotsaka intsony ny orana tamin’ity faritra ity ary maina avokoa ny voly. Efa natao sakafo avokoa ny masim-boly ka raha miverina aza ny orana dia tsy misy ambolena intsony ny mponina. Efa tafakatra 1 800 ariary ny kilaon’ny vary ary 1 200 ariary ny mangahazo amin’ny faritra maro. Mangataka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina satria efa tsy misy hohanina intsony.
    Lire la suite ...
  • Tranona polisy ao Mahabibo Mahajanga
    Tranona polisy ao Mahabibo Mahajanga
    • lundi, 04 janvier 2016 20:53
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Tranona polisy kilan’ny afo

    Levon’ny afo tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananan’ity polisy iray mipetraka ao Mahabibo androany. Ny afo efa niredareda no nanaitra ny manodidina. Sarotra ny famoahana ny entana satria ny efitrano teo afovoany no nipoiran’ny afo. May hatramin’ireo fanaka amidy manamorona ilay trano.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 janvier 2016 10:51
    • Photo: Njaka

    Hetsika fanesorana mpivarotra eny andalambe

    Araka ny fifanarahana efa roa volana lasa izay dia nidina vao maraina teny amin'ny lalana behoririka sy ny manodidina ny mpiasan'ny kaominina nanao hetsika fanalàna ireo mpivarotra eny andalambe. Raha ny filazan'ity ramatoa iray, tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina dia tao amin'ny tsenan'ny pochard ihany ireo olona mivarotra eo andalana ireo ka noho izany dia averina any amin'ny toerana misy azy avy izy ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 03 janvier 2016 20:26
    • Photo: kikaphotomada.net

    Sambava : 0lona 3 maty, 1 nohanin’ny voay

    Namono olona ny fitsenana ny taona vaovao 2016 tany Sambava. 2 matin’ny fibobohana toaka diso tafahoatra, 1 diso voky loatra. Nisy olona nohanin’ny voay niakatra an-tanety tany Ankitsaka, Kaominina Marojala.   Tovolahy iray ihany koa no voasambotrin’ny polisy fa nitondra basy ka nampiahiahy ny olona.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 janvier 2016 18:28
    • Photo: Njaka

    Fakon’Antananarivo : Raikitra ny “opération coup de poing”

    Mamaky ady amin’ny loton’Antananarivo ny fitondram-panjakana Malagasy. Nanomboka ny 30 desamba 2015 ny atao hoe “opération coup de poing”, ka fiarabe miisa 16 fenoin-tànana, ary ampiasàna mpamatratra 115, miampy fiarabe miisa 12 mampiasa fitaovana mpamatratra, ary fiaraben’ny Tafika miisa 4 izay miaramila 24 manao fanamiana no hamatratra azy. Ireo ny fitaovana hanatanterahana izany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 janvier 2016 18:27
    • Photo: Njaka

    Kaominin’Antananarivo : Tsy narotsany tamin’ny SAMVA ny ROM

    Araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Governemanta tamin’ny 30 desambra 2015 dia tsy narotsany tamin’ny SAMVA ny ROM (Redevances sur les Ordures Ménagères), ka izany no isany mampihitsoka ny fanalana ny fakon’Antananarivo.
    Lire la suite ...
Page 130 sur 159
B1 - Polyclinique
B2 - Toa