Tselatra

    • vendredi, 12 juillet 2019 12:45
    • Sary: Adrien Melvin

    Adrien Melvin: « Izay no vokatra, ny hoavy no banjinina »

    « Niezaka mafy izahay mba nanome hafaliana ho an'ny Malagasy rehetra », hoy i Adrien Melvin, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara taorian’ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andirany faha-32, nanoloana an’i Tonizia. « Izay no vokatra, ny hoavy no banjinina ; Misaotra sy mankasitraka ho an'ny Malagasy rehetra », hoy izy nanohy. Rahampitso tolakandro no higadona eny Ivaro ny Barea an’i Madagasikara. Maneho ny faniriana i Adrien Melvin mba hampitaina mivantana amin’ny Televiziona Malagasy ny fahatongavan’ny Barea « mba ho hitan'ny rehetra manerana an'i Madagasikara ny firaisankinam-pirenena », hoy izy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 juillet 2019 12:36

    Mandritsara: Mahazo vahana ny halatr’omby

    Nanao fanamarihana ny Praiministra Ntsay Christian nandritra ny fitsidihany taty Mandritsara ny alarobia teo fa efa miha-voafehy ny fitrandrahana lavanila saingy mahazo vahana ny halatr’omby. Tsapa, hoy izy, fa misy mpitandro filaminana mitady hanodinkodina ny ombin’ny vahoaka izay efa mijaly. “Tsy azo leferina izany toe-javatra izany”, hoy ihany izy.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 juillet 2019 12:29

    Andry Rajoelina: « Ho tohizantsika ny ezaka efa vita »

    Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny lalaon’i Madagasikara sy Toniza, teo amin’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. « Lavo isika fa tsy miondrika. Ary vao mainka hitraka hanandratra hatrany ny hambompom-pirenena. Misaotra anareo Barea, nitondra avo dia avo ny fanevantsika, nanoratra ny tantara ary nampiray fo ny Malagasy rehetra. Reharehan'ny firenena ianareo. Fandraisana anjara voalohany ho antsika tamin'ny CAN iny nefa nahavitantsika mihoatra lavitra noho ireo efa mpandray anjara hatrizay. Ho tohizantsika ny ezaka efa vita ary tsy maintsy hotohanana sy ho hatsaraintsika hatrany ny tontolon'ny fanatanjahan-tena. Tsy maintsy mitraka sy tafita i Madagasikara! ».  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 juillet 2019 12:04

    Kitra – CAN 2019: Higadona rahampitso tokalandro eny Ivato ny Barean’i Madagasikara

    Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia ho tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy 13 jolay ny Barea an'i Madagasikara. Manodidina ny amin'ny 3ora tolakandro ny fiaramanidina hitondra azy ireo no higadona eny amin'ny seranam-piramanidina iraisam-pirenena Ivato.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 19:47
    • Sary nindramina

    Kitra – CAN 2019: Ambiansy hatrany Espaina

    Hatrany Espaina ny mpankafy sy mpanohana Barea (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 19:44
    • Sary nindramina

    Azali Assoumani, Filohan’i Kaomôro: Niarahaba manokana an'ny Barea an'i Madagasikara

    Namoaka tweet niarahaba manokana an'ny Barea an'i Madagasikara ny filohan’i Kaomôro, Azali Assoumani, amin'ny naha tafakatra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra ho amin'ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. "Reharehan'ny aty amin'ny Ranomasimbe Indianina ianareo" hoy izy ka mirary soa amin'izay rehetra ho tohiny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 16:05
    • Sary nomena

    Madagasikara # Tonizia: Harahina amin’ny « Ecran géant » eo amin’ny « Parvis » Analakely

    Nametraka « Ecran géant » eo amin’ny « Parvis » ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo hahafahan’ny besinimaro manaraka mivantana ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, hifandonan’i Madagasikara amin’i Tonizia anio alina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 15:58
    • Sary nalaina tamin'ny horonantsary amerikanina

    Masoivoho Amerikanina: Nanao horonantsary fohy fanohanana ny Barea

    Ny ambasadaoro Michaël Peter Pelletier mihitsy no mitarika ny mpiara-miasa ao amin’ny Masoivoho Amerikanina manao « Alefa Barea », ho fiaraha-mientana amin’ny fanohanana ny Barea an’i Madagasikara, hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra. Hikatroka ao amin’ny Kianja Al Salam ao Le Caire-Egypta, anio amin’ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara, i Madagasikara sy Tonizia. Hifandona amin’i Sénégal amin’ny manasa-dalana izay tafavoaka mpandresy eo amin'ny 14 jolay ho avy izao. (Sary nalaina tamin'ny horonantsary amerikanina) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 15:15
    • Sary nindramina

    No comment

    No comment    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 juillet 2019 15:13
    • Sary: Masoivoho Koreana Tatsimo

    Masoivoho Koreana Tatsimo: Ambiansy Barea

    Andro miavaka ao amin’ny Masoivoho Koreana Tatsimo amin’ity anio ity. Miara mirona amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra, hiatrika lalao ampahefa-dalana anio alina ny mpiasa tarihin’ny ambasadaoro Lim Sang-Woo. Manako ny « Alefa Barea ». (Sary: Masoivoho Koreana Tatsimo)
    Lire la suite ...
Page 13 sur 457