Tselatra

    • jeudi, 18 juillet 2019 19:28

    Andriamena - Tsaratanana: Lehilahy 40 taona, nisy naka an-keriny

    Nitrangana fakana an-keriny tany Andriamena, Distrika Tsaratanana. Lehilahy iray manambady aman-janany, teratany Malagasy, manodidina ny 40 taona, tantsaha mpamboly sy mpiompy manana omby maro, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Nesta no lasibatra. Ny alarobia 17 jolay tamin’ny 9ora alina, no nitranga ny fakana an-keriny. Tsy mbola misy fitakiam-bola heno ataon’ireo mpaka an-keriny aloha hatreto. Nisy naka an-keriny toy izao ihany koa ny mpivady, ray aman-drenin’i Nesta, tamin’ny janoary 2019. Ny taolambalon’izy ireo sisa no hita tapabolana lasa izay, dia izao misy tranga vaovao indray miseho amin’ny fianakaviana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 juillet 2019 16:13
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea « Jeux des Iles »: Nozaraina mitovy tamin’ny mpilalao tsirairay ny vola rehetra azo

    Nozaraina tamin'ireo mpilalao Barea « Jeux des Iles » androany nialoha ny hanaingana hiazo ny Nosy Maorisy ny vola rehetra azo avy amin'ireo ministera maro nanampy, hiatrehan’izy ireo ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X. Navoaka ho hitan'ny rehetra izany avy eo dia nozaraina mitovy ho an'ny tsirairay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juillet 2019 20:49
    • Sary: ZP

    Zandarimaria - Atsinanana: Fankasitrahana sy fampitaovana

    Notolorana taratasy mari-pankasitrahana, ny 15 jolay teo, ireo Zandary maherifo nandray anjara tamin'ny fanavotana olona nalaina an-keriny tao Toamasina tamin'ny volana novambra 2018. Nandritra io fotoana io ihany koa no nandraisina ny fiara 4X4 vaovao roa ho an'ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandarimaria - Atsinanana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 juillet 2019 20:11
    • Sary nindramina

    Melvin Adrien: Atsy La Réunion mihaona amin’ireo mpanohana Barea

    Mandalo ao La Réunion, misy ny ray aman-dreniny i Melvin Adrien, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara, sy ireo mpilalao ao amin’ny Barea hafa tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-32 tany Egypta. Hisy ny fihaonan’izy ireo mivantana amin’ireo mpanohana ny Barea rahampitso alakamisy 18 jolay 2019, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva any an-toerana, karakarain’ny Consulat Général de Madagascar ao La Réunion, hatao ao amin’ny CREPS. Hisy fiarahana maka sary mandritra izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 22:50
    • Sary gasypatriote Sambava

    Sambava: Tafakatra 8 000Ar ny litatry ny lasantsy androany

    Efa ho andro maromaro no mitsitapitapy ny fisian'ny solika eto Sambava. Ny famenoana zerikana no vaindohan-draharaha eny amin'ny toby mpaninjara solika ka sahirana ny fiara. Vokany tsy ny lasantsy no tsy misy eto Sambava fa ny eny amin'ny toby mpaninjara no ritra. Feno mpivarotra lasantsy eny anelakelan-trano, ary samy manana ny vidiny. Nanomboka teo amin'ny 7 000Ar androany maraina ary tafatraka 8000Ar izany ny hariva. Nikorontana ny fiainan'ny mponina. Ny Taxi-ville nampakatra ny sarandalana avo roa heny ka lasa 2000Ar raha 1000Ar izany teo aloha. Nametrahana Polisy eny amin'ny toby mpaninjara na tsy mbola misy solika aza. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 16:49

    Razanamahasoa Christine: Fanamby ny hampakarana indray ny hasin'ny Antenimiera

    Nisokatra androany maraina ny fivoriana manokan’ny Antenimieram-pirenena. Nitarika ny fotoana ny depiote zokiolona Razanamahasoa Christine, izay nanamafy fa nihen-danja teo imason'ny vahoaka ny hasin'ny Antenimieram-pirenena, ary hita taratra tamin'ireny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana ambany ireny izany. Fanamby hoy ity depiote voafidy tao Ambatofinandrahana ity ny hampakarana indray ny hasin'ny Antenimiera, ka isika efa zoky aoka mba hanome ohatra tsara ireo solombavambahoaka vao tonga.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 juillet 2019 09:14
    • Sary SAMVA

    Andralanitra: Nidonaka sady manempotra ny setroka, olona telo voasambotra

    Naneho fialantsiny amin'ny mponina manodidina an'Ambatomaro sy Andralanitra ry zareo ao amin’ny SAMVA noho ny setroka nibolofotra be, nandoto tontolo iainana, sady manempotra teny, fa nisy nandoro ny fako ao amin'ny « décharge » Andralanitra. Nilaza ny SAMVA fa efa manao izay azo atao amin'ny famonoana ny afo, nanao tolo-tanana azy ireo tamin'izany ny « pompier ». Efa tratra ireo olona telo nandroro ary efa miroso ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 juillet 2019 18:56
    • Sary nindramina

    Barea an’i Madagasikara: Notoloran’ny « Bet 261 » 70 tapitrisa Ariary

    Fanambin’ny « Bet 261 » ny hanolotra 10 tapitrisa Ariary isaky ny baolina tafiditry ny Barea mandritra ny CAN. Nahatafiditra baolina fito ny Barea, tsy anisany ny « tirs au but » hatreo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana nampihintsana azy. Natolotry ny« Bet 261 » an’ny Barea an’i Madagasikara ny 70 tapitrisa Ariary. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 juillet 2019 13:48

    67ha – Antananarivo: Noraisim-potsiny ilay mpangarom-paosy

    Tovolahy iray vao 18 taona no tra-tehaky ny Polisy manao fanamiana sivily avy ao amin’ny boriborintany fahafito, saika hangarom-paosy ireo olona miandry taxi-be tetsy amin’ny “Arrêt bus” 67ha, tokony ho tamin’ny enina ora hariva omaly alahady 14 jolay. Niaiky ny heloka vintany izy ary efa betsaka ihany koa ny olona lasibatry ny harom-paosy ataon’ity tovolahy ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 juillet 2019 13:38

    Anatihazo Isotry – Antananarivo: Voasambotra ilay mpanendaka sy mpandratra olona

    Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahaefatra ny lehilahy iray mpanendaka sy mpandratra olona eny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina iny. Efa ela no nitadiavan’ny Polisy azy, ary tra-tehaka teny Anatihazo Isotry izy, raha vao avy nanendaka mpianatra hamonjy “cyber” iny. Natsipiny tany anaty rano kosa ny antsy be nentiny nanendaka rehefa fantany fa tsy afa-nandositra intsony izy. Fitarainana miisa 73 no voarain’ny Polisy mahakasika azy ary efa betsaka ny olona nitondra takaitra taminy. Mbola karohina kosa ireo namany izay manampy azy amin’ny asa ratsiny.  
    Lire la suite ...
Page 11 sur 457