Tselatra

    • mercredi, 17 avril 2019 19:51

    Fifidianana depiote: Kandida 803 hiady toerana 151

    Toerana depiote tokana no hifaninanana amin'ny Distrika miisa 87 amin'ireo 119 eto Madagasikara. 32 kosa ireo Distrika misy toerana depiote roa ifaninanana.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 avril 2019 19:43

    Fetin’ny Paka: Polisy 3000 eo no hihetsika eto an-drenivohitra sy ny manodidina

    Handrindra ny filaminana sy ny fifamoivoizana ny Polisy. Hiantoka ny fandriampahalemana amin’ireo toerana be olona toy ny toeram-pivavahana ihany koa.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 avril 2019 19:42

    Ampitatsimo - Ambatondrazaka : Tovolahy, 25 taona, maty tany ampakana trondro

    Hisarika vovo haka trondro no nivoahana ny trano vao maraina, fahafatesana no nitsena ity lehilahy vao 25 taona ity. Ny alatsinainy 15 aprily tamin'ny 6ora sy sasany maraina no nitrangan'ny loza tao Anosifisaka, Fokontany Antanimena Kaominina Ampitatsimo. Tao anaty tatatra no nahitana ny faty. Miahiahy ny fianakaviana fa nisy namono ity tovolahy ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 avril 2019 11:46

    Politika: Mivahiny mivantana ao amin'ny Top Radio i Rivo Rakotovao

    Vahinin'ny fandaharana Vahaolana Top Radio 102.8 FM izao amin'ny 1 ora tolak'andro izao ny filohan'ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao. Ahakasika ny teo-draharaha mafana eto amin'ny firenena ny fandaharana.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 avril 2019 09:47
    • Sary: Polisim-pirenena

    Pasipaoro hosoka: Olona telo voasambotra

    Mpiasan'ny Kaominina Andranomanelatra ny roa, vehivavy nikasa hiasa any ivelany kosa ny fahatelo voasambotra. Iretsy voalohany nanao taratasy nampiasain'ity farany hanaovana pasipaoro hivoaka an’i Madagasikara ny 08 aprily 2019 lasa teo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 avril 2019 12:48
    • Sary nindramina

    Toliara: Miverina indray ny delestazy

    Mifanesy tapaka indray ny jiro teto an-drenivohitry ny faritra Antsimo Andrefana tato anatin’ny roa andro izao. Tapaka manomboka amin’ny 5ora hariva eo ny jiro ary tsy miverina raha tsy efa hisasaka ny alina. Aoka tsy hiandry vahoaka hitroatra vao hisy vahaolana hoy ny feo re satria ny tsy fandriampahalemana efa tena mampitebiteby ny mponina.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 14 avril 2019 13:17
    • Sary nomena

    Ambanja: Rongony milanja 100kg saron’ny Polisy

    Ny alarobia 10 aprily 2019 tokony tamin'ny 6ora 30min hariva teo dia nisy olona nitondra entana nampiahiahy niaraka tamin'ny cyclo-pousse. Mpitandro filaminana avy nisakafo hariva no nahatsikaritra izany ka nampandre ny mpiara-miasa taminy avy hatrany fa anjarany ny nanara-maso ny toerana nalehan'ireto. Olona telo no voasambotra tamin'izany. Ny iray moa mbola tafatsoaka fa ny alin'io ihany dia efa voasambotra satria nisy nahafantatra. Marihina fa cyclo-pousse izay nindramina tamin'olona hitondrasana marary eny amin'ny hopitaly izao nitondrana rongony izao. Taorian'ny famotorana natao ireo ny alakamisy 11 aprily 2019 dia efa natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voaloany teto Ambanja izy ireo ; ny rongony kosa dia nodorana, hoy ny Commissaire de Police Ambanja Joseph Saramba. Noho izany dia nohamafisina ny fisavana ireo cyclo-pousse izay mitondra entana mivezivezy ato amin'ny faritra Sambirano ity.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 14 avril 2019 13:13
    • Sary nomena

    Maroantsetra Mirongatra ny halatra hazo “cannelle”

    Amin’ny andro alina misy oran'andro mikija iny no miditra manapaka ny hazo any anaty ala ny mpangalatra. Tsofa no ampiasain'izy ireo fa tsy famaky hikapana ny hazo mba tsy hanaitra ny olona. Maro ireo mitady ity vokatra fanondrana ity amin'izao fotoana. Tsy fantatra hatreto ny manao ny fangalarana na dia mateti-pitranga aza ny hoe ireo mpandraharaha no manirak'olona hanao ilay asa ratsy.  (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 avril 2019 19:40

    Amoron'Ankona - Ambohimangakely: Jiolahy nanafika fiara mpitondra vola, maty voatifitra

    Nanao taingin-droa tamin'ny moto scooter (BWS) ireo jiolahy, nanafika andro atoandrobe nanahary, fiara mifono vy iray mpitondra vola an'ny orinasa Brink's. Maty voatifitra ary nitsirara teo afovoan'arabe ny iray, mbola ifanenjehan'ny Zandary ny faharoa.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 avril 2019 11:53

    RN5A Ambilobe-Vohémar: Nomarihana androany ny fanombohan’ny asa fanamboarana

    Tonga teto Ambilobe nitarika ny lanonana manamarika ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5A, mampitohy an’Ambilobe amin’i Vohémar, androany, i Andry Rajoelina.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 406