Tselatra

    • lundi, 22 avril 2019 08:36

    Kolikoly: Senatera roa nanokafana fanadihadiana

    Voarohirohy amina tsenan'asam-panjakana momba ny vaksiny, nisy fanodinkodinam-bola hatramin'ny 60 miliara Ariary ny Senatera iray. Efa nandalo famotorana izy ary miandry fanomezan-dalana avy amin'ny Fitsarana fandravana didy ny fanohizana izany famotorana azy izany sy ny fampitana ny dosie eny amin'ny Fampanoavan'ny Pôle anti-corruption (PAC). Kolikoky amin'ny resaka fananantany, tamin'ny andraikitra notanany talohan'ny naha Senatera azy kosa, no anadihadiana ilay Senatera faharoa. Efa nisy famotorana natao azy.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 avril 2019 08:22
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Fizahantany: Namboarina ny lalana miazo an'i Kimony

    Toerana mahasarika mpizahatany maro ho aty Menabe ny "Allée des Baobabs" miazo ny alan'i Kimony. Lalana mirefy 5km latsaka no namboarina nandritra ny telo andro izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny tsy miankina. Kaominina roa no ahazo tombony amin'izao dia i Morondava sy Bemanonga.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 20 avril 2019 13:18
    • Sary nindramina

    Ambohimanambola: Tovolahy voahitsaky ny lamasinina, tapaka niongotra ny tongony

    Natory teo amoron'ny lalamby ary nampakatra ny ilan-tongony havanana teo ambony lalamby ilay tovolahy. Tsy tafalany ny tongony nony nandalo ny lamasinina ka voahosy tao ka tapaka niala tery niaraka tamin'ny kiraro. Androany atoandro no niseho ny loza teo Ambohimanambola, Antananarivo Avaradrano.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 avril 2019 22:55

    Fanafihana Brinks teny By-Pass: Voasambotra tetsy Analamahitsy ny naman’ireo maty voatifitra

    Ny alahady teo, ampitson’ny fanafihana ilay fiara mpitondra vola Brinks nitranga tetsy Amoron’Ankona – By-Pass, no voasambotra tetsy Analamahitsy ny naman’ireo roalahy maty voatifitry ny Zandary teny an-toerana. Nofotorana avy hatrany izy ireo. Nandeha moto ireo jiolahy mitam-basy nanao ny fanafihana. Tsy nahazo na inona na inona izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 avril 2019 20:13
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Oram-be io takariva io

    Raha toy izao ny rano eto Bazary Be, dia dobo rano kosa ireo faritra iva toy ny eny Mangarano I sy II ary Andranomadio. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 avril 2019 18:55

    Antsobolo Ambatomaro: Tsy nandeha ny rano efa ho herinandro izay

    Mijaly rano ny mponina amin’iny faritra Antsobolo Ambatomaro – Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra iny, ny faritra sasany efa nanomboka ny 23 martsa 2019, hoy ny fitarainana. Reha mba mandeha dia amin’ny alina, anelanelan’ny amin’ny 9ora ka hatramin’ny 4 maraina ihany.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 avril 2019 16:22
    • Sary nindramina

    Office National pour l’Environnement (ONE) : Voatendry ho Tale jeneraly i Ampialahy Laurent

    I Ampialahy Laurent no misolo toerana an-dRakotoary Jean Chrysostôme, Tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (Office National pour l’Environnement) teo aloha.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 avril 2019 16:04

    Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana: Nanendry « Préfet » telo

    Randriamanjarisoa Robert voatendry ho « Préfet » ao Maevatanana, Ramanankirahina Falihery ny « Préfet » ao Miarinarivo, ary Narison Roch Léopoldno voatendry ho « Préfet » ao Antsohihy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 avril 2019 15:00

    Fadin-tseranana

    Voatendry ho Tale jeneraly i Lainkana Zafivanona Ernest.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 avril 2019 11:49

    Ambatomirahavavy (RN1) : Fanafihana miaro fanolanana, dimy lahy voasambotra

    Mbola olombelona manam-panahy ihany ve no mahavita an’izao ? Notafihan’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray alin’ny talata teo. Tsy nijanona tamin’ny fandrobana vola sy fananana ireto dimy lahy nanatontosa ny fanafihana, fa niitatra tamin’ny fanolanana tambabe ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy 22 taona. Notanterahin’ireo jiolahy teo imason’ny raim-pianakaviana izay marary eo am-pandriana. Ny alin’io fanafihana io ihany dia nisy jiolahy voasambotry ny Fokonolona ary nitohy omaly izany niaraka tamin’ny Zandary Ambatomirahavavy. Voasambotra avokoa izy dimy lahy, izay misy avy any Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano ny sasany.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 406