Tselatra

    • dimanche, 29 mars 2020 19:37
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Navadika hopitaly vonjimaika ny kianja baolina kitra ao Lagos-Nigéria

    Nanao ezaka lehibe ny governoran’i Lagos any Nizeria nampian’ny sehatra tsy miankina ao an-toerana, ho fiomanana sy fandraisana an-tanana ireo olona mitondra tsimokaretina coronavirus. Nanomana toerana manokana ho vonjy aina, ao amina kianja baolina kitra iray ao Lagos izy ireo. Efa vonona ny fampitaovana io hopitaly vonjimaika io, ahitana fandriana afaka andraisana marary 110. Efa nanomana fanampiana ara-tsakafo ho vonjy aina sahaza fianakaviana 200 000 ahitana olona enina isany mandritra ny 14 andro ihany koa ny faritanin’i Lagos. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 19:19

    Maneho firaisankina amin’ny naman’izy ireo tratr’ity tsimokaretina ity ny Federasiona Nasionalin’ny Mpiseradia

    Coronavirus: Maneho firaisankina amin’ny naman’izy ireo tratr’ity tsimokaretina ity ny Federasiona Nasionalin’ny Mpiseradia (guides)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 18:19
    • Sary: Boniface Steefler Ramiandrison

    Maroantsetra: Natokam-ponenana avy hatrany ireo mpianatry ny Oniversite miisa 253 tonga omaly

    Mpianatry ny oniversite sy mpandeha miisa 253, nentin’ny sambo Mélissa Expresse avy any Toamasina, no tonga eto Maroantsetra omaly 28 marsa 2020. Natokam-ponenana ao amin'ny CRINFP (Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique) Maroantsetra avy hatrany izy ireo na efa nisy aza ny fakana ny maripanan’ny tsirairay teo ampaha-tongavana. Nifanome tanana ny solontenam-panjakana sy ny mpandraharaha eto an-toerana nanolotra vatsy ho azy ireo hiatrehana io fitokanam-ponenana, hanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo io. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 17:13

    29 marsa: Tsingerintaona faha73 ny Tolom-panafahana 1947

    Mitsingerina anio 29 marsa 2020 ny Tolom-panafahana 1947, 73 taona lasa izay. Tsy hisy famoriam-bahoaka ny fahatsiarovana amin’ity, manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus sy ny Fahamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 17:11
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Misy tranga 6 vaovao androany

    Tafakatra 43 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka tranga vaovao ny 6 amin’izy ireo araka ny tatitra nataon’ny mpitondratenin’ny Foibem-pibaikoana ny coronavirus Pr Vololontiana Hanta io antoandro io. Tsy maneho soritr’aretina ny 33 amin’ireo, misy fanaviana na soritraretina ny 10, ka ny 3 amin’ireto farany dia tratry ny fahasemporana. Tsy misy ny aina nafoy.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 22:01
    • Sary fanehoana

    Vatican: Mpiasa enina voan’ny coronavirus

    Enina amin’ireo mpiasa ao Vatican, foiben’ny finoana Katolika manerantany, no voamarina hatreto mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Tranga vaovao ny roa amin’ireo, taorian’ny fitiliana niisa 170 natao. Tsy voakasik’ity valanaretina ity kosa ny Papa François sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 21:52
    • Sary nindramina

    Mahajanga : Tovolahy iray, zanaka mpanao mofo, nisy namono tao an-tranony

    Oussama Abad, tovolahy iray 23 taona, zanaka mpanao mofo (Boulangerie Abad) no hita faty tao an-tranony ao Aranta-Mahajanga androany. Mampiahiahy ity tranga ity, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana satria nisy olona iray trano amin’ilay tovolahy, nivoaka nisakafo. Tamin’ny fotoana niverenan’ireo olona ireo nisakafo dia i Oussama Abad efa maty ary nifatotra no novantanin’izy ireo tao an-trano. Efa eo ampelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny famotorana amin’izay hamantarana ny antony sy ny mety ho tompon’antoka amin’izao vono olona feno habibiana izao.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 17:26
    • Sary nindramina

    Coronavirus: 1000 teo no maty tao anatin'ny 24ora tany Italia

    969 no maty omaly zoma 27 marsa tany Italia tamin'ilay valanaretina coronavirus.  Efa 9 134 no nodomandry amin'izao, ary 86 498 ireo tratran'ny tsimokaretina any an-toerana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 17:03
    • Sary nindramina

    Andry Rajoelina: Mitsidika ny Institut Pasteur de Madagascar

    Ivontoerana hany tokana eto Madagasikara anaovana ny fitiliana ary nivoahan’ny antotanisa momba ity valanaretina coronavirus ity, nanomboka ny zoma 20 marsa 2020 ny Institut Pasteur de Madagascar etsy Avaradoha – Antananarivo. Tonga nitsidika an’ity ivontoerana ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina io tolakandro io, nisaotra ny fahaizamanaon’ny mpiasa ao, ary koa nifampitafa tamin’ireo mpitantana ny amin’izay hifanampiana hanatsarana izao fiarahamiombon’antoka amin’ny fiatrehana ity valanaretina ity izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 15:40

    Tsena Mora: Najanona noho ny tsy fanajana ireo fepetra hiarovana ny fiparitahan'ny Coronavirus

    Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana nampiato vonjimaika ny « Tsena Mora » noho ny tsy fanajan'ny olona ny fepetra izay napetraka mba hiarovana amin'ny mety ho fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus. Voakasik’ity fepetra ity ny « Tsena Mora » amin’ireo Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra, Antsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Hijery ny lamina sy ny fomba hametrahana izany fitandrovana ny tsirairay izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Hiverina indray ny fitsinjarana aorian’izay, amin’ny herinandro ho avy.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 534