Rugby Vakinankaratra : Tonga ny mpanohana avy any ivelany

  • jeudi, 22 octobre 2015 18:30
  • Photo: Sobika Antsirabe
Mijoro ao Antsirabe ny fikambanana Mada-sou-Abe, naorina teratany vahiny, hisahana ny fiahiana ireo ankizy sahirana. Noho ny fahafataran'ireo teratany vahiny ny fisian'ny mpilalao rugby ao Antsirabe dia nitondra voandalana, fanamiana avy tamina klioba iray USBPA na ny "Union Sportive Bressane Pays de l'Ain», izy ireo ary natolotra ny ligin'ny rugby Vakinankaratra.
Klioba diviziona faharoa any Frantsa any ireto nampitondra fanomezana ho an'i Vakinankaratra ireto, izay nambaran'Atoa Rakotoarisaona Samoela, filohan'ny ligy, fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa amin'ireto fikambanana ireto.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.