Rugby: Nodimandry i Doda Be, mpilalaon’ny USA Ankadifotsy

  • lundi, 17 février 2020 16:45
  • Sary: Malagasy Rugby

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-22 taonany, ny 16 febroary 2020 teto Antananarivo, i Rajomaharo Nirina Rarivoson, fantatra tamin’ny solon’anarana hoe Doda Be teo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava.

Tao amin’ny klioba Ankoay no nanombohany nilalao, avy eo nifindra tao amin’ny USA Ankadifotsy. Isan’ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy latsaky ny 19 taona na XV Makis U19, andiany 2016, i Doda Be.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.