Kitra - Coupe Arabe U20: Voaasa handray anjara i Madagasikara

  • mercredi, 12 février 2020 15:18

Manoman-tena eny amin’ny Centre technique nationale Carion, nanomboka ny 10 febroary teo ny Barea U20 hiatrika ny « Coupe Arabe U20 » hatao any Arabia Saodita ny 17 febroary ka hatramin’ny 5 martsa 2020.

Firenena miisa 16 no voaasa handray anjara tamin’ity fifaninanana ity, hitsinjara anaty vondrona efatra. Vondrona B no hisy an’i Madagasikara miaraka amin’i Maroc, Djibouti ary Bahreïn.

20 ny mpilalao hiazo an’i Arabia Saodita, hotarihin’ny mpanazatra Menakely Ruphin sy Rija Juvance.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.