Kianja BAREA: Haharitra 18 volana ny asa, hahazaka mpijery 40 880

  • samedi, 04 janvier 2020 19:54
  • Sary nomena

Hanomboka ny asa fanavaozana ny kianjan’i Mahamasina mba hanara-penitra. Mitentina 77 tapitrisa dôlara, vola madiodion’ny fanjakana malagasy, ny asa fanamboarana izay haharitra 18 volana, izay hitsinjara in-droa miantoana. Hisantarana azy ny « tribunes » izay harodana ary havaozina tanteraka ka hovitaina mialoha ny 26 jona 2020.

Hitohy hatramin’ny volana jona 2021 ny asa. Hitondra ny anarana « Kianja BAREA » rehefa vita.  Hahazaka mpijery 40 880 ny kianja rehefa vita, ka 15 536 ny toerana eny amin’ny « tribunes » hiampy toerana vaovao miisa 9 704 ny eny amin’ny « gradins » ankoatra ireo 15 640 amin’izao fotoana izao.

Hisy vavahady lehibe 6 fidirana ao amin’ny kianja, 28 tohatra fidirana sy fivoahana eny amin’ny « gradins » sy « tribunes ».

Bozaka « hybride » manaja ny fenitry ny FIFA no hapetraka ao amin’ny kianja BAREA.

 

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.