Kitra-Fifanintsanana CAN: Nomontsanin’i Madagasikara 6 noho 2 tao an-taniny i Niger

  • mardi, 19 novembre 2019 23:43
  • Sary nindramina sy Sary Gasypatriote

6 noho 2, io no isa nisarahan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny « Mena » an’i Niger io hariva io tao amin’ny kianja Général Seyni Kountché ao Niamey renivohitr’i Niger.

Ny ekipan’i François Zahoui no nanokatra ny isa voalohany, avy eo nosahalain’i Bôlida minitra vitsy monja taorian’izay, ary dia nanao ranolava ny isa azon’i Madagasikara. Namono baolina faharoa i Bôlida, nampian’i Abel Anicet (penalty) sy Andrea Carolus. Nitarika 4 noho 1 teo ampialan-tsasatra. Mbola namono baolina roa ny Malagasy tamin’ny fidirana faharoa, baolina matin’i Voavy Paulin sy Jérémie Morel.

Nivoaka mpandresy ny Malagasy. Sambany teo amin’ny tarantaran’ny baolina kitra Malagasy no nandresy tany an-tanin’olona tamin’ny elanelan’isa lehibe toy ity androany ity ny ekipam-pirenena Malagasy.

Voahaja ny lojika eo amin’ny filaharan’ny FIFA ho an’ny ekipa roa tonta. Faha-95 manerantany (faha-21 aty Afrika) i Madagasikara, raha toa ka faha-107 manerantany (faha-24 aty Afrika) i Niger.

Voalohany vonjimaika, manana isa 6 i Madagasikara ao amin’ny vondrona K misy azy taorian’ireo lalao roa vitany, izay nibatany fandresena roa. Samy manana isa 3, nibata fandreserana iray avy tamin’ireo lalao roa natrehiny i Côte d’Ivoire sy Ethiopie. 0 ny isa azon’i Niger, in-droa resy taorian’ny lalao roa nataony.

« Fotoana izao hampamiratra an'i Madagasikara manerantany, tsy kisendrasendra izany fa hita sy iarahantsika miaina miaraka amin'ny lalao ataon'ny Barea any Niger. Namiratra ny Barea. Tsy maintsy hamiratra i Madagasikara. Misaotra ny ekipa manontolo, misaotra ny mpanazatra. Mirehareha izahay manana anareo. Misaotra ny mpankafy sy mpanohana baolina kitra », hoy ny filoha Andry Rajoelina tao amin’ny pejiny facebook, nanaraka ny fizotry ny lalao.

Malagasy maro no nivoaka teny amin’ny arabe tamin’ireo tanan-dehibe maro manerana ny Nosy, vao vita ny lalao, naneho ny hafaliany tamin’iny vokatra azon’ny Barea iny.

Mety mbola nahazo vokatra tsara lavitra noho iny isika, hoy ny mpahay kitra, raha nentina fiaramanidina manokana ny Barea, amin’izay ampy ny fotoana nakan’ny mpilalao aina taorian’ny lalao natrehiny teo Mahamasina tamin’i Ethiopie.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.