Faneva Ima: Lasa « Ambasadaoron’ny Jovena »

  • mardi, 19 novembre 2019 10:18
  • Sary nindramina

Vita omaly ny fifanarahana teo amin’i Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra teo aloha sy ny Jovena, orinasa mpaninjara solika eto Madagasikara.

Mpitarika mahomby i Faneva Ima, loharanon’angovo nampientana ny Vahoaka Malagasy ary mamaritra ny soatoavin’ny orinasa Jovena ; izay no anisan’ny naharesy lahatra an’ity orinasa ity nifidy azy ho Ambasadaorony.

Ho hita amin’ireo toby mpaninjara sy amin’ireo serasera ataon’ny Jovena ny sarin’ity mpilalao baolina kitra malagasy ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.