Marco Ilaimaharitra: An-dranomaso no nivoahany ny kianja, niharan’ny fanavakavahana

  • lundi, 04 novembre 2019 08:57
  • Sary nindramina

Nanamaloka ny andro faha-14 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Belzika (Pro League) amin’ny diviziona volohany, sokajy A amin’ny baolina kitra, ny horakoraka fanavakavahana, nataon’ny ampahana mpijery, nihatra tamin’i Marco Ilaimaharitra, nandritra ny fihaonan’ny Sporting Club Charleroi klioba ilalaovany sy KV Malines.

Niezaka nanazava tamin’ny mpitsara afovoany ny zava-mitranga i Marco Ilaimaharitra. Izy indray no nahazo karatra mavo taorian’izay. An-dranomaso no nivoahan’i Marco Ilaimaharitra ny kianja, namonjy ny efitrano fiomanana naterin’ireo namany.

Nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta.

Mpilalao ao amin’ny ekipa nasionaly malagasy, Barea, i Marco Ilaimaharitra. Vao nandre ny nanjo azy i Andriatsima Faneva Ima, mpiara-milalao aminy sady kapiteny tao amin’ny Barea, dia nandefa hafatra fampaherezana ho azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.