Kitra – Amboaran’ny CAF: Anio ny lalao famerenana RS Berkane sy Fosa Juniors

  • dimanche, 03 novembre 2019 11:43

Hotanterahina ao amin’ny kianja monisipalin’i Berkane any Maroc ny lalao famerenana eo amin’ny RS Berkane avy any Maroc sy ny Fosa Juniors Madagasikara, amin’ny lalao savaranonando hiadiana ny tapakila hidirana anaty vondrona amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra 2019-2020.

Efa manan-tombo an’isa 2 noho 0 ny Fosa Juniors Madagasikara manoloana ny RS Berkane nandritra ny lalao mandroso notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona tamin’ny 27 oktobra 2019.

Ny zoma lasa teo no efa nanomboka nitsapa kianja sy nanao fanazarantena teo amin’ny kianja hilalaovana anio amin’ny 9ora alina, ora eto Madagasikara, ny Fosa Juniors.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.