Kitra - Lalao fitsapana: Barea CHAN 3 - 1 Elgeco Plus

  • mercredi, 09 octobre 2019 22:11
  • Sary nindramina

Nisaraka tamin’ny isa 3 noho 1 ny Barea CHAN sy ny ekipan'ny Elgeco Plus androany nandritra ny lalao fitsapana ny ekipam-pirenena Malagasy notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus eny By pass – Antananarivo ny tolakandro teo.

Nivoaka ho mpandresy ny Barea CHAN tamin’ity lalao fitsapana faharoa natrehiny ity, tafiditra amin’ny fanomanana ny lalao miverina hifanandrinana amin'i Namibia amin’ny 18 oktobra 2019.

Afa-po amin’ny ezaka sy ny fivoarana nasehon’ny mpilalao androany i Franklin, mpanazatra.

Efa nandresy 2 noho ny 0 ny Zanakala FC tamin’ny lalao fitsapana voalohany notanterahina ny Barea CHAN tamin’ny Alahady lasa teo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.