Kitra - Lalao fitsapana: Barea CHAN # Elgeco Plus

  • mercredi, 09 octobre 2019 14:22
  • Sary nindramina

Hitsapa ny ekipan'ny Elgeco Plus ao an-jaridainan’ity farany eny By pass – Antananarivo ny Barea CHAN izao tolakandro izao. Lalao fitsapana faharoa izy ity, tafiditra amin’ny fanomanan'ny Barea CHAN ny lalao miverina amin'ny Namibia, hamafisina hatrany ny eo amin'ny lafin'ny fanafihana fa tsy hionona amin'ny fiarovan-tena fotsiny, hoy i Franklin, mpanazatra.

Nandresy 2 noho ny 0 ny Zanakala FC ny Barea CHAN tamin’ny lalao fitsapana voalohany notanterahina tamin’ny Alahady lasa teo

Nibata fandresena 1 noho 0 ny Barea CHAN nanoloana an’i Namibia, tamin’ny lalao mandroso notanterahina tetsy Mahamasina tamin’ny 22 septambra 2019. Hatao any Namibia amin’ny 19 oktobra 2019 kosa ny lalao famerenana. Raha tafavoaka eo ny Barea CHAN dia hahazo tapakila hiatrehana ny CHAN 2020, na ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin'ireo ekipam-pirenena rafetin'ireo mpilalao tsy mila ravinahitra, hatao any Côte d'Ivoire.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.