Kitra-Barea CHAN: Hijanona hanoman-tena eto Madagasikara

  • jeudi, 05 septembre 2019 19:24

Na efa nanome tsodrano ireo mpilalao hiazo an'i Afrika Atsimo aza dia niverina tamin'ny fanapahan-keviny ka namoaka fanambarana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF), fa tsy afaka ny hiazo an'i Johannesburg Afrika Atsimo hiatrika lalao ara-pirahalahiana araka ny fanasan'ny Bafana Bafana ny ekipam-pirenena Malagasy Barea CHAN, noho ny zava-mitranga ao Afrika Atsimo tsy ahazoana antoka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny mpilalao sy ireo mpanohana.

Hijanona hanoman-tena eto Madagasikara ny Barea CHAN hoy hatrany ny fanambarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.