« Stadium » Barikadimy: Vita ny 98% amin'ny asa

  • jeudi, 15 août 2019 20:55
  • Sary: MJS

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fenitra takian'ny FIFA ity « Stadium » Barikadimy eto Toamasina ity. Azo andraisana ireo lalao iraisam-pirenena sy olimpika, mahazaka mpijery 15 000. Hisy « piste tartan » fihazakazahana ny manodidina ny kianja.

Vita ny 98% amin'ny asa. Natao androany alakamisy 15 aogositra 2019 ny fandraisana ara-teknika vonjimaika ny asa. Tonga teto an-toerana ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto.

« Dingana lehibe no nahivatana an'izao asa izao »,hoy ny Minisitra satria « efa folo taona no namelana azy teo, nefa dia nezahina novitaina tato anatin'ny fotoana fohy ». Miantso ny rehetra ho saropiaro amin'ny zava-bita toy izao ny Minisitra mba ho lovain'ny taranaka faramandimby.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.