Ibrahim Amada: Hilalao any Qatar manomboka amin’ity taom-pilalaovana ity

  • vendredi, 02 août 2019 14:32
  • Sary nindramina

Hilalao ao amin’ny klioban’ny Al Khor Club any Qatar indray i Ibrahim Amada manomboka amin’ity taom-pilalaovana ho avy ity. Vita sonia ny fifarahany amin’ny klioba.

Irakiraka afovoany ao amin’ny Barea an’i Madagasikara i Ibrahim Amada, ary isan’ireo nampidi-baolina nandritra ny CAN tany Egypta farany teo. Nila ravinahitra tany Alzeria izy teo aloha, saingy tsy mampilalao mpila ravinahitra mihotra ny 27 taona ny any amin’ity firenena ity. Maro ireo klioba efa nitily an’i Ibrahim Amada dia ny Al Khor Club any Qatar no nosafidiany sy nandraisany fanapahan-kevitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 
 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.