Kitra - Lalaon’ny Nosy: Antsapaka no hamaritra ny hoavin’ny Barea JIOI

  • lundi, 22 juillet 2019 14:19

Miankina amin’ny vokatry ny an-tsapaka hatao anio alina ao amin’ny Intercontinental, ao Balaclava no hahafantarana na i Madagasika na Seisela no hanampy an’i Maorisy ao amin’ny Vondrona A, hiakatra amin’ny manasa-dalana amin’ny baolina kitra.

Araka ny andininy faha-8, andalana voalohany, teboka faha 3 amin’ny lalàna mifehy ny fifaninanana amin’ny taranja baolina kitra, dia antsapaka no amantarana izay hanohy ny lalao, raha toa ka mitovy ny isa azon’ny ekipa, mitovy ny elanelan’ny baolina maty sy tafiditra na « Goal average » sy ny isan’ny baolina maty.

Samy manana isa 2, rehefa samy nanao ady sahala 2 avy, taorian’ny lalao 2 vitany avy i Madagasika sy Seychelles.

Samy nahatafiditra baolina 1 avy ; ary samy 0 ny « Goal average ».

Nisaraka sahala 0-0 Madagasikara sy Seychelles tamin’ny lalao voalohany tamin’ny sabotsy 22 jolay ; nirava ady sahala 1 noho 1 i Madagasikara sy Maorisy androany.

Noho izany, miainga amin'ny antsapaka anio alina araka izany no ahafantarana na hanao manasa-dalana ny Barea amin'ity Lalaon’ny Nosy andiany faha-X tanterahina atsy Maorisy ity na tsia.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.